#TEDx Antananarivo

Iray andro, tantara anjatony| Anasongadinana an’i Nafissa Yakubova mandika tany ho an’ny TED,  sy Andriankoto Ratozamanana mpiara-miasa iray ao amin’ny TED | Fanadihadiana

Taona iray manomboka androany, ny 11 Novambra 2011, havondrona daholo ny mponina manerantany hitambatra ho iray amin’ny alalan’ny horonantsarin’ny tetikasa 11Eleven. Mitatitra i Carly Goldstone.

Danielle Lauren with kids in the Phillipines

Ny talen’ny tetikasa 11Eleven, Danielle Lauren maniry ny mba hilazan’ny olona ny tantarany amin’ny alalan’ny horonantsary. sary: Danielle Lauren

Inona avy no zavatra iraisantsika ary hatraiza no fahalalantsika an’izany? Azo atao ve ny manandratra feo tokana avy amin’izao tontolo izao?

Fanontaniana goavana izany, saingy andian’olona iray vonona manerana izao tontolo izao no miketrika ny hanatanterahana azy io. Taona iray manomboka eto, ny andro faha-iraikambinifolo, amin’ny volana faha-iraikambinifolo, ny taona 2011, ireo rehetra manana fahafahana handrakitra anaty horonantsary, lahatsary, niomerika, finday, webcam sy micro dia samy amporisihana avokoa hanomboka fitantaràna iombonana.

Danielle Lauren, mpamokatra horonantsary fanadihadiana avy any Sydney, Aostralia, no mpamorona sady talen’ny tetikasa 11Eleven.

“[Izaho dia] manàndrana hanàmbatra izao tontolo izao ho toy ny tokana amin’io andro mitory hatsaràna io.”

Olon-tsotra miisa 196 avy amina firenen-tasmihafa, ahitàna an’i Aostralia, Fiji, Thailand, Belarosia, Espana ary Nigeria, nifandray tamin’ny alalan’ny tenim-pirenena efa ho 2000, no ho asaina  “handrakitra andro iray eo amin’ny fiainan’ny tontolon-dry zareo.”

Azon’ireo mpandray anjara atao ny mampiakatra ny horonantsariny, ny fandraisam-peony na sary ho ao amin’ny tranonkalan’ny tetikasa 11Eleven izay havondrona sy havadika ho lasa tetikasa samihafa marolafy, mampiseho 24 ora nalaina manerantany.

Lauren dia mikasa ny hamokatra horonantsary fanasongadinana maharitra ora roa, hitrandrahana ireo zava-niainan’ny zanak’olombelona, ny fitovitoviana sy ny fahasamihafana eo amin’ny olona eran’izao tontolo izao.

Io tetikasa io dia hahafahana mandrava ny efitrefitra noho ny sisintany eo amin’ny olona ary  hanome dikany ny atao hoe tontolo tokana. Avelao aho handray anao ho toy ny mitovy amiko sy hamantatra ny fomba iainanao ny fiainanao, nytsara sy ny  ratsy, ary avelao aho haka sasantsasany amin’ny fahalalàna izany sy hamadika azy ho eo amin’ny fiainako manokana”

Natsangan’i Lauren ilay tetikasa mba « handokoana ireo teboka iombonana eo amin’ny olona rehetra sy ho vavolombelon’ny fifampizaràana zava-niainana eo amin’ny olonambelona rehetra miaina eto ambonin’ny tany”

Manasongadina ny tanjaky ny fandraisana anjara toerana azon’ny isam-batan’olona tànana, isanandro isanandro ny tetikasa 11Eleven.

“Afaka manova zavatra ao anatin’ny tontolo ny isam-batan’olona ary ny herin’ny fifanomezan-tànana dia afaka manova ny planeta,” hoy i Lauren.

Harinjaka Ratozamanana, mpitoraka bilaogy sady olon-tsotra iray mpampita vaovao, no koa mpanentana ny tetikasa 11ELEVEN ho an’i Madagascar, dia somokotra tokoa mametraka tambajotra sy manampy amin’ny famokarana horonantsary, sary sy tantara ho an’ny tetikasa.

“Amim-panetren-tena sy tsy idedadedahana, tiako ny hametraka an’i Madagasikara ho ao anaty sarintany amin’ny alalan’ity tetikasa tokana sy manan-tantara ity.

“Indrisy, mbola tena mahantra ny tontolon’ny famokarana sarimihetsika ho an’i Madagasikara, vitsy no mba anananay raha ireny orinasa mpamokatra sarimihetsika ireny manerana ny nosy,” hoy izy.

Ratozamanana dia nilaza fa voasarika ao anatin’ity tetikasa ity izy  satria tiany ilay hevitra hoe milaza tantara.

“Danielle Lauren dia manome fanantenana antsika sy fotoana ahafahantsika mirotsaka amin’ity tetkasa iraisam-pirenena sy manan-danja ity sady manampy antsika koa hamoaka ny tsikintsika amin’ity indray mitoraka ity.

“Matetika dia asongadina eny alohan’ny sehatra ny biodiversité sy ny ragidro, [maniry aho] hifantoka amin’ny vahoaka Malagasy ka hampanjary azy ireo ho mpandray anjara mavitrika sy fakàna tàhaka ao anatin’ny tontolo iainany izay tandindonin-doza,” hoy Ratozamanana.

“Ny vahoaka Malagasy dia manome lanja ny maha-tokana, ny firaisankina ary ny fiainana anaty fiarahamonina sy ny vokatr’izany, toy ny  fahaiza-mampiantrano vahiny, ny fahaiza-mizara sy ny fihavanana. Raha ny marina, mino ny maha-tokana ny olombelona izahay.”

Nafissa Yakubova dia vehivavy avy any Kazakhstan no tena fiaviany ary ankehitriny dia mpianatra ho mpitsabo any Etazonia.

Maniry izy ny handrakitra ny tantaran’ireo ankizy avy amin’ny tanànan’ireo vitsy an’isa amin’io 11 Novambra amin’ny taona ho avy io.

“Mihevitra ny hampiasa ny camera-ko aho ka hanofana ireo ankzy izay tsy manam-bintana hirotsaka amin’ity tetikasa erantany ity. Tiako raha horaiketiko an-tsary ny andro iray amin’ny fiainan-dry zareo.

“Tena nanainga ahy ny hevitra ho fampivondronana ny olon-drehetra, indrindra indrindra amin’ny alalan’ny zavakanto…[io dia] mampahatsiahy antsika nyfahatsorana sy ny hatsaràn’ny maha-olona, ary hoe ahoana no hahafahantsika miara-dàlana.”

Yakubova dia nilaza koa fa tena nanohina mafy ny fony  ilay hoe hilaza tantara amina tenim-pirenena samihafa.

Na izany aza,  Lauren dia nilaza fa isan’ny sakana ny fahasamihafam-pitenenana.

“Ny fitadiavana olona manana fisainana toy izany mba ho masoivoho ao amin’ny tanin-dry zareo ihany sady hanampy hampahafantatra sy handray anjara amin’ilay tetikasa no tena fanamby lehibe indrindra.”

“Tiako ny hahazo antoka fa I want to make sure that people with limited access to technology get to participate and ensure that the global narrative is not an English narrative.”

Satria izy ity dia tetikasa tsy itadiavam-bola, i Lauren dia miteny fa hampiasa ireo tombontsoa mba hamoriana vola ho fanaovana asa soa entina manatratra ny tanjon’ny Fandrosoan’ny Taonarivo napetraky ny Firenena Mikambana.

Ireo mpiara-miasa amin’ilay tetikasa : Sydney International Film School; UC Santa Cruz, California; Florence Film School ary University of the Philippines Film Institute.

Ny toerana tsara indrindra hahazoan’ny tsirairay ireo fanavaozam-baovaomona ny  11/11/11 dia ao amin’ny  facebook , amin’ny alalan’ny reportageonline.com

Lahatsoratra avy amin’i Andriankoto Ratozamanana mpiara-miasa amin’ny fanomanana ny #TEDx Antananarivo, nadikan’ny Gazety_Adaladala ho an’ireo mpamaky amin’ny teny Malagasy

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :