#TEDxTana 2010: Antso avo ho an’ny mpamaky

Amin’ny alalan’ity lahatsoratra ity dia mangataka ny soso-kevitra avy aminareo mpamaky izahay.

Midadasika be ny resaka hatao mandritra ny #TEDx Antananarivo 2010, rehefa tsy mikasika ny ara-politika sy ny ara-pivavahana. Iriana anefa mba hiodidina ny resaka Angovo azo havaozina ny ankamaroany, nefa izany tsy misakana lohahevitra hafa mety hitondra fandrosoana maharitra ho an’i Madagasikara
Koa ny soso-kevitra azonareo mpamaky andraisana anjara dia ny fanolorana anaran’olona irinareo handray anjara fitenenana mandritra io fotoana io

Ohatra : Iza no hitanareo (mpamaky) fa mendrika ho mpikabary amin’io (speaker) ? manana hevitra tsara, voaporofo amin’ny asa vitany , manana hevitra sy tetika afaka hampandrosoana ny firenena ka  mendrika ny haparitaka sy halain-tahaka ?

Alefaso amin’ny faritra natao ho an’ny fanamarihana ny anaran’ireo olona eritreretinao fa tokony handray fitenenana.

Atsy ho atsy koa dia ho avy ny fanasàna ho an’izay mazoto handika ny tranonkala #TED ho amin’ny teny Malagasy avy amin’ny teny Anglisy. Azo jerena ato sahady ny mombamomba an’izay tetikasa izay.

Momba ny #TEDx Antananarivo dia fanasana manokana ihany no hisy ary olona voafantina no hanatrika satria voafetra ho 100 ny toerana amin’ity andiany voalohany ity. Ny vaovao rehetra avy ao anefa dia tsy maintsy hozaraina amin’ny rehetra ihany.

Misy fisoratana anarana online ve?

Hisy fisoratana anarana anaty aterineto (online) fa tsy ho voaray daholo ny rehetra satria ho fantenana ny olona hanatrika, ialana tsiny fa tsy afaka manoatra nohon’ny antony tsy miankina. Ny amin’ny herintaona no hanasan-tsika olona betsaka kokoa  fa ity hetsika ity dia mbola andrana ihany ka mbola tsy dia tena lavorary.

Manomboka oviana ka hatramin’ny oviana ny fisoratana anarana?

Ny fisoratana anarana dia manombola @ iny herinandro iny.

Ohatrinona ny saram-pisoratana anarana ary aiza na ahoana ny fandoavana azy?

tsy misy vidim-pidirana satri raha misy dia ho lafo be ka dia aleo tsy asiana aloha ny amin’ity andiany ity mba hijerena ny fahazotoan’ny olona.

Ireo mpiara-miombona antoka

Nanaiky ho mpiara-miombon’antoka ny MYE sy ny MAKATY izay mpivarotra solotsaina etsy ambohijatovo ka izy ireo no hiantoka ny solotsaina sy ny boky misy ny programa amin’io. Hisy fampisehoana ny TED application Ipad sy ny teknolojia apple avo lenta amin’ilay nivoaka farany.

Hisy aterineto maimaimpoana araka ny mahazatra ny Lagara.

…tantara mitohy.

Une Réponse

  1. Ary ny zavatra saiky hosoratako no voasoratra ato avy hatrany an! mankasitraka e!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :