#TEDxTana 2010

NY AMINY (Lahatsary amin’ny teny Anglisy)

TED mivaky hoe Technology – Entertainment –Design, na ny Teknolojia – Fialamboly – Fanomezana endrika, sehatra telo lehibe miara-mamolavola ny hoavintsika.

Tao anatin’ny 25 taona, ny TED dia manangona isan-taona ao Etazonia ireo sangany amin’ny sehatra misy azy tsirairay mba hizara ny heviny sy ny zava-mahaliana azy ireo eo anatrehan’ireo mpanatrika voafantina manokana.

Arakaraky ny nandehanan’ny fotoana, dia naka ny endrika fihaonana momba ny fahalalàna sy ara-kolotsaina tena manana ny lanjany manerantany ny TED izay andraisana hatrany ireo mpandray anjara toa an-dry Bill Clinton, Bill Gates, Jane Goodall, Frank Gehry, Paul Simon, Sir Richard Branson, Philippe Starck ary Bono.

Ny fanahy, ny endrika ary ny fitsipika toavin’ny TED dia mahatonga azy ho vanimpotoana iray tokana an-tany.

Tany Monterey no niforonan’ny TED, any Californie, tamin’ny 1984. Tamin’ny 2001, Chris Anderson sy ny Sapling Fondation no naka ny TED teo ampela-tanan’ny mpamorona azy, Richard Saul Wurman.

TEDx

Noho io fahombiazany io, nikatsaka ny hahafahan’ireo mpankafy azy izay efa midadasika tokoa mba hanely ny fanahy TED eran’izao tontolo izao ny TED.

Ny fandaharan’asa TEDx dia natsangana mba hanohizana mizara ireo hevitra sy fahalinana amin’ny fahazoam-pahalalàna.

Ny « X » amin’ny TEDx dia midika fa hetsika karakaraina tsy miankina izy io ary ao anatin’ny fanajàna fepetra vitsivitsy nofaritan’ny TED

1. FAMARITANA NY HETSIKA: TEDxAntananarivo 2010

TEDx Antananarivo : Time to Go Green, io no lohahevitra hatrehina eto Antananarivo ny Zoma 26 Novambra 2010 ao amin’ny Café de la Gare, Soarano.

TEDx Antananarivo dia fitohizan’ny resaka natomboka nandritry ny TEDGlobal 2007 – « Africa the Next Chapter » tany Tanzanie… Vahaolana mahatalanjona maro amin’izao fotoana no ampiharina mba hiadiana amin’ny sasantsasany amin’ireo olana tena sarotra momba ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetrandro. Misy ankehitriny ny orinasa afaka manova fiainan’olona an-tapitrisany, ary ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana dia ahafahan’ireo hevitra sy vaovao marobe ho azo alefa amin’olona tsy tambo isaina.

Miditra lagara ao Antananarivo ny TED !

Ny TEDxAntananarivo andiany 2010 dia hibanjina lohahevitra fototra hoe « teknolojia maitso », dia ny angovo azo havaozina izay hanaovana pi-maso kely amin’ireo mpandàla tontolo iainana sy mpandraharaha ara-tsosialy eto Madagasikara. Ho fotoana hanan-karena betsaka ara-pihetseham-po sy amin’ny fahazoana zava-baovao io, ary ny faniriana voalohany indrindra dia ny haneho amin’izao tontolo izao fa i Madagasikara, na dia anatin’ny olana lalina ara-toekarena sy ara-politika mianjady aminy aza, dia mahatsapa fa raha tsy misy fandrosoana maharitra sy fikajiana ny tontolo iainana, tsy misy hoavy antenaina.

Maro amin’ireo mpandray fitenenana avy aminay no mpitondra tetikasam-pampandrosoana izay maneho fanantenana fiainana lafatra kokoa ho an’ny Malagasy an’alinaliny, ary nahoana moa, ao anatin’ny fotoana fohy, ho ana firenena afrikana hafa koa.

Aza avela handalo fotsiny io fotoana tokana hiainana hetsika miavaka io, aza taraiky fa tongava ho namanay.

NY MPIKARAKARA

Ny mpikambana :

Andriankoto Ratozamanana – tompom-panasàna

Andriankoto RATOZAMANANA dia nofidian’ny TED, amin’ny maha-mpiara-miasa azy amin’ny TED tany Arusha, Tanzanie tamin’ny 2007, ary mpiara-miasa TED tany Long Beach California tamin’ny 2009. Fantatra manerantany ho isan’ny mpitarika nahomby sy nampiseho lenta avo, indrindra indrindra amin’ny maha-mpamaky lay azy eo amin’ny resaka media vaovao teto amin’ny Taniben’i Afrika ary amin’ny maha-mpandraharaha ara-tsosialy azy koa eto Madagasikara.

Jacques SHMITT – Talen’ny hetsika
Henitsoa Andrianilaina – Tale misahana ny fandaharan’asa
Hamina Nirina Rapelanoro – Talen’ny fiaraha-miombon’antoka
Henri Rachel – Talen’ny Fandrindran’asa
Tosoa ‘Ndrianiaina – Talen’ny serasera (Media)

TEDx Antananarivo 2010

2. Ny FANOMANANA

Toy ilay andiany teo aloha teto Madagasikara, dia ho eto Antananarivo renivohitra no hisy ny #TEDx.

Ny toerana nofinidy dia ao afovoan’Antananarivo, ny marimarina kokoa dia eo amin’ny teboka fiaingana, kilaometatra aotra, ho an’ireo lalam-Pirenena sy ny zotran-dàlamby eto Madagasikara

Toerana iray ao anatina faritra manan-tantara, dia ny Garan’i Soarano.

Ny Café de la Gare miaraka amin’ny toerana mampiavaka azy manokana dia hanova manokana ny orany mba hahafahana mandray antsika rehetra.

Kaonferansy : Efitranon’ny famantaranora lehibe ao amin’ny (Salle de l’horloge) Café de la gare

Fiaraha-misakafo: Restaurant Café de la gare

Toerana : Café de la Gare P.K 00 Soarano Antananarivo

Isan’ny vahiny asaina : 150

Isan’ny mpandray fitenenana : 20 avy amin’izao tontolo izao

Endriky ny fandraisam-pitenenana: 3 minitra / 9 minitra / 18 minitra

Fanombohana : 14 heures

• Dingana 1 : Fihainoana ny Natiora

• Fampisehoana ara-javakanto

• Dingana 2 : Ireo hevitra mendrika hapariaka

• Pause café

• Dingana 3 : Angano / tantaran’ny famoronana

• Fampisehoana ara-javakanto

• Dingana 4 : Fanomezana endrika vao mipongatra

• Cocktail dînatoire

Famaranana: à 21heures

Nahoana no tohanana ny TEDx Antananarivo

Satria ianao ho mpandray anjara amin’ny fananganana fiarahamonina mino ny herin’ireo «hevitra mendrika hapariaka».

Satria ianao mino ny fiaraha-mironan’ireo orinasa sy olon-tsotra maniry ho mpandray anjara amin’ny fanovàna manodidina ny fomba fisainana sy ny hevitra miavaka.

Satria ianao te-ho fanoitran’ireo hevitra, teknolojia, famoronana sy fanabeazana ho fanampiana amin’ny fananganana hoavy mendrika an’i Madagasikara.

Satria ny TEDx Antananarivo dia ho hetsika fanao isan-taona tsy azo hihodivirana eto Madagasikara, eto amin’ny Taniben’i Afrika sy aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana.

Mpiara-miasa:  Facebook, Twitter, YouTube, TEDx Global ary iarahana amin’ireo tranonkala Malagasy toy ny Sobika.com, TananaLife.com, Takariva.com

Ity misy rohy amin’ny teny Anglisy manazava ny ezaka nataona mpanome endrika amam-bika iray, Becky Barber, 22 taona, mpianatra ao amin’ny University of Plymouth, nanamboatra vata fampielezam-peo tamin’ny volotara (Bamboo) ary mandeha amin’ny herin’ny masoandro: Izany hoe tsy miala amin’ilay lohahevitry ny #TEDxTana. Ezaka izay irian0ilay mpamorona indrindra raha mba manampy ny fanatsarana ny fiainana ara-tsosialy eto Madagasikara

2 Réponses

  1. Ohatran’ny karazana bar camp ihany izany moa izy io? Tsy misy fanasana manokana fa izay te hanatrika dia afaka manao izany?

    • @Tahina> tokony hisy fanasàna izy io fa tsy haiko na efa nivoaka ato amin’ny aterineto ny fisoratana na tsia. Somary sempotra kely aho teo ka tsy naharaka. Voafetra mantsy ny isan’ny olona hahazo fanasàna.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :