13 Oktobra 1996 – 13 Oktobra 2010

Fa inona indray àry ity lazain’ny lohateny angamba hoy ianao?

14 taona, raha ny elanelan’ireo datin’andro roa ireo no jerena. Ka ny inona e?

Tamin’ny 13 Oktobra 1996 no nanakoako voalohany tamin’ny onjam-peo ny fandaharana NY MARINA ao amin’ny RADIO ANTSIVA –  97.6 FM. Nisy ny fotoan nankalazana ny tsingerintaona toy iany tamin’ny taona 2002 tao amin’ny Espace DERA.

Fandaharana isan’izay be mpanaraka hatrany amin’ny fotoana voalohany nandehanany izy io, ary isan’ny nitondra betsaka ho an’ny tontolo politika sy sosialy teto amin’ny firenena. Arakaraky ny toerana misy ny tsirairay mihaino azy moa no maha-tsara na maha-ratsy ny fomba fijery an’izay vokatra nentin’ity fandaharana ity teto amin’ny firenena.

Na inona na inona anefa ho lazaina, dia tsy azo hamaivanna ny toerana noraisin’izany fandaharana izany sy ny fanadihadiana atolotry ny tomponandraikitra ao. Amin’ny fomba mahitsy sy mazava ve? An’ny tsirairay no mamaly an’izay. Maro rantsana rahateo ny zavatra resahana ao.

Farafaharatsiny aloha dia misy fampahafantarana maro azo raisina avy aminy. ISMAEL RAZAFINARIVO no tomponandraikitra ary mpanasa vahiny ao, manampy matetika azy eny ry ANNICK RAHERIMANANA sy ry NIVO RATIARISON, NOEL RANDRIANANTENAINA  sy ny teknisiana namany.

Vahiny isan’ny tena be mpiandry sy mahaliana ny rehetra i RAINIJAONARY noho ny raki-pahalalana maro sy lalina entiny ho an’ny mpihaino ny fandaharana

Fandaharana azon’ny rehetra anehoan-kevitra amin’ny alalan’ny antso mivantana ny « NY MARINA », ary ao anatin’ireny fifanakalozan-dresaka rehetra ireny dia ilaina foana ny mijery ny teboka MIIBA sy ny MIABO. Koa rehefa hita fa misy ny MIABO azo raisina, na avy amin’iza io na iza, dia tsara foana ny mandray, fa tsy ijerena ny hoe avy amin’iza ,na antoko iza sns… Resaka ‘objectivité’ no tiana holazaina. Tokony hialàna izany ilay fiteny hoe « hàlako hatramin’ny tsinay maintiny ».

Izaho manokana aloha dia mandrisika ny rehetra izay afaka manaraka azy io isaky ny alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany eo ho eo. Efa mandeha amin’ny aterineto rahateo io onjam-peo io.

Fampahafantarana farany : hiezaka ny hitondra izay fanazavana mba azo enbtina amin’ny andininy sasantsany momba ilay Lalampanorenana vaovao ity fandaharana ity manomboka amin’ny alakamisy alina. Raha vitan’ny eto amin’ny Gazety_Adaladala dia ho entina ho an’ny mpamaky manomboka ny ampitson’ny andehanany amin’ny onjam-peo

Une Réponse

  1. Miarahaba antsika rehetra!
    Tsy nahita ny adiresy mailaky ny 3NY MARINA » aho nefa te hanome soso-kevitra momban’ny raharaham-pirenena:
    Sao dia mba azo atao koa ny toy izao?
    – Ajanona ny vinavinam-pandaniana azo andferana rehetra isam-pokontany, kaominina, hatrany @ fara-tampony (oh: fetifety, asa fanajariana, …) Dia mba samy mandefitra avokoa isika rehetra isan-trano mba samy hanompana ny vola hamitana ny fifidianana. Izany hoe: ny hetra alohantsika, asa manao latsakemboka koa dia ny vola voaangontsika eo no hanaovana ny fifidianana ka izay mety hiaingana @ fifidianana. Amin’izay mantsy isika mba mahavita ny fifidianana @ herintsika manokana ka tsy ho ampifilafilain’ny vahiny ary indindra mba hanana ny hambom-pom-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana.
    – Angonina @ kaonty iray ny vola voaangona ahafahana mitahiry azy.

    Misaotra antsika mampita ity hafatra ity @ tompon’andraikitry ny fandaharana « NY MARINA » ary miala tsiny @ fanoratana eto @ ity pejy tsy tokony hisy azy ity.

    Mirary soa antsika rehetra!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :