Momba an’i Y-Zit

Tsy zoviana amintsika angamba ireny lahatsoratra antsoin’ny maro amin’ny hoe ‘pipole’ ireny. Ao anatin’izy ireny no ahitan’ny sarambabem-bahoaka ny fiainana miafin’ny artista ankafiziny. Mivaoka ao ny tsara, taratra ao ny hadalàna.

Fa mireaska hadalàna isika, dia asa re rey olona izay tena fahamarinan’ny zavatra hita teto anivon’ny aterineto androany 4 jolay 2010 momba ny fiainana manokan’ny mpanakanto Malagasy malaza iray eo amin’ny sehatry ny hira, fa dia nivoaka teny anivon’ny Facebook ny resaka adaladala momba azy. Tsy hay aloha izay tena marina tamin’izy io fa ny nahazenada fotsiny dia izay nanam-potoana nijery sy nisontona izany haingana ihany no nanana fahafahana hitantara amian’ny hafa ny zavatra hitany. Raha tsy izay mantsy dia ho lazain’ny olona fa mpamafy lainga ianao.

Misy lahatsoratra amin’ny teny anglisy mikasika ny mpanakanto Y-Zit (tao amin’ny tarika Tragedie fahiny) tokoa mantsy ao amin’ny blaogy iray  (eto). Miaraka amin’ireo fanehoan-kevitra mifanaraka amin’izany nalefan’ireo mpampiasa facebook nahita ilay resaka adaladala.

Miandry izay ho tohi’ny resaka moa ny mpanoratra ao amin’io blaogy io. Ary miandry toa azy ihany koa ny maro, mazava loatra…

Lafiny ratsy sy lafiny tsara amin’ny fahafehezana ny aterineto no hitantsika eto amin’ity tranga ity. Tsara raha toa ka nahafahana namantatra ny toetra ratsin’ny olona manodidina anao, Ratsy kosa raha ny lafiny fahafahan’ny daholobe mahita ny momba anao manokana sy ny adalana toy izao.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :