HJRA 26 mars 2010

Isaorana etoana aloha ny mpandray ny marary mila vonjy maika sy ny Cession Urgences (asa raha noho io sampana io hoe mampiditra ny vola ka avela ihany hiasa ihany!) fa dia misosa ny ao. Fa rehefa vita ny eo dia mahita ny kalvery (calvaire) amin’izay ny marary sy ny mpanaraka azy.

Tratry ny lozam-pifamoivoizana i R. Lantoxxx. Vita soa aman-tsara ny Radio sy ny plâtra tamin’ny tratrany. Niara-niditra tamin’ny zanako moa izy (izany hoe andro iray no nahatongavana tao amin’ny HJRA). Fandriana 11 sy berceau 1 no tao amin’ny efitrano nitambaranay. Ankoatra ny anay sy ny fandriana nisy an’i Lanto dia maro koa ireo ankizy tratry ny fahatapahan’ny taolana ao amin’io varavarana faha-300’ny toeram-pitsaboana lehibe eto andrenivohitr’i Madagasikara io. Samy nanana ny antony: nianjera teny an-tokontany, nianjera tamin’ny tohatra, navadiky ny fiara nitondra azy, nodonin’ny fiara, nanao fanatanjahantena tany am-pianarana, sns…

Rehefa samy nisedra ny fiandrasana ora maro mba hahazo ny fikarakarana tany amin’ny REA U ireo rehetra tao (satria tsy nisy tsy niaritra an’izay izay rehetra nohenoina) dia nisedra ny teny feno trerona ataon’ireo mpanampy na mpanadio trano sy ny sasany amin’ireo mpanosika fandriana.

Rehefa vita moa ny ao amin’ny REA U ka tafiditra amin’ilay lazain-dry zareo hoe ‘miakatra’ ianao, dia tokony hisy, aorian’ny fametahana plâtre amin’ilay olona tapaka,  ny fanaovana ny ‘radio contrôle’. Dia samy niandry ny anjarany avy ny rehetra. Voatondro ho androany zoma maraina ny maromaro tamin’ireo marary tao amin’ny varavarana faha-300 no tokony hanao ilay ‘radio contrôle’. Io no hamaritra ny fahafahanao mandeha mody na tokony hanohizanao ny fitsaboana sy fanaraha-maso eny anivon’ny HJRA (izany hoe tsy tokony hody ny marary raha ratsiratsy ny valin’io ‘radio contrôle’ io). Nandeha nidina namonjy ny toerana tokony hanaovana izany ny ankamaroan’ireo olona voatendry.

Minitra vitsy izay no lasa, indreny fa nitandrozotra niverina niakatra daholo ireo olona saika hanao ‘radio contrôle’. Ny antony ve? Nahazo valinteny tsy mendrika avy amin’ireo tomponandraikitra tany ambany.

Tsy manao ny ‘contrôle’-nareo izahay fa mbola manao grevy. Ny urgences ihany no raisinay. Tsy mandray anareo izahay raha tsy mivaly ny fitakianay. Izay  te-hanao ‘radio contrôle’ dia afaka mandeha manao izany any ivelany any. OSTIE, JIRAMA sns… Izay tianareo

Koa satria te-hivoaka haingana an’ity ‘helo’ iray eto an-tany ity ny maro dia nisy ny nandeha nitsapa ny halalin’ny rano tany ivelany tany. Isan’ireny ny fianakavian’i R. Lantoxxx. Niverina sanganehana anefa satria ny hohanina aza mila tsy haharaka, nefa ny zavatra naleha koa, raha tiana ho vita, dia mbola handoavana Ar 14.000 be izao raha OSTIE, Ar 9.000 raha JIRAMA. Tezitra ny anadahin-jaza izay miahy mivantana azy ka nahateny fa

mpitsabo tsy vanona tsy misy ilàna azy. Tsy izaho mihitsy no ampifilafilaina amin’izay ‘radio’. Ahorony ny entana dia andao handeha hody. Grevy aho, grevy. Hita mihitsy hoe olona tsy nanao fianianana tokoa.

Talohan’io tokoa mantsy dia efa niresadresaka izahay samy mpiandry marary tao, ka nifampita vaovao teo ny amin’izay mba fantatry ny tsirairay. Nandritra izany no nifampizarana ny hoe

ny tsy fantatry ny maro anie dia tsy nisy intsony ny ‘fianianan’i Hypocrate’ nanomboka tamin’ny taona 2005 e! Tsy mahagaga raha tsy mahatsapa ny lanjan’ny aina ny ankamaroany ary tsy miraharaha sy tsy mametraka ny lanjan’ny soatoavina Malagasy manao hoe ‘izay marary andrianina‘ ry zareo

Tsy niandry izay mpitsabo mpanao fisafoana isan’andro intsony araka izany ireto ankohonana kely fa nolanjainy ny entan-keliny dia iny ry zareo no lasa. Nihanahana fotsiny ny eran’ny trano, hatramin’ny mpitsabo rehefa nilazana fa lasa tsy nila fifampiraharahana ny teo amin’ny fandriana faha-7. ‘Evadé’ no nanasokajian-dry zareo azy ireny ary nolazain’ilay tao amin’ny biraon’ny ‘major de service’ fa tsy tompon’antoka amin’izay miseho any intsony ny hopitaly. Tsy izy irery anefa no nanao toy izay fa na ny teo amin’ny farafara faha-5 koa aza dia efa nanao tari-dositra ny marainan’ity zoma 26 mars 2010 ity koa. Ny antony dia satria efa andro maro ry zareo no tao ary nilazàna fa mbola misy tsy mety kely ao amin’ny tànan-janany ka ilàna vola hatramin’ny 750.000 Fmg na Ar 150.000, ny fanaovana an’izay. Rehefa nasain’ireto olona ireto nojeren’ny mpitsabo hafa anefa ny ‘radio’ natao tamin-janany (izay marihana fa mpitsabo ao amin’ny HJRA ihany) dia nilaza kosa io fa tsy ‘grave’ ary tsy mila an’izay fitsaboana fanampiny izay ilay tànan-janany. Tsy inona io fitsaboana fanampiny io fa ny hoe hasiana vy any amin’ny taolan’ilay zaza.

Fa efa miresaka an’io vy io ihany isika, dia anisan’izay nilazana an’io koa izahay. Soa fa efa niresaka mialoha ny rehetra (karazana latabatra boriborin’ny mpiandry marary no misy rehefa tsy eo ny mpitsabo sy ny mpisafo) ka efa fantatray mialoha ny sangodim-panina fanaon’ny sasany ao amin’ilay toeram-pitsaboana. Raha alarobia ny zanako no niditra tao (tamin’ny 11 ora antoandro) ary tsy nahazo ny taratasy fanomezan-dàlana hiakatra any amin’ny fandriana tokony hisy azy raha tsy tokony ho efa tamin’ny 5 ora hariva, dia zara raha nisy mpikarakara nandritry ny marainan’ny andro faharoa. Ny tolakandron’ny andro faharoa vao nisy ny fijerena ilay zaza sy fampividianana carnet ary cahier 50 pages + vovon-tsavony. Tsy nisy izay mba totory ravina natao momba ny tokony hotandremna, na ny sakafo sahaza tokony hohanina mba hanafaingana ny fahasitranana sns…(Mahatsiaro ny eny amin’ny HOMI aho amin’io, nahazo izany mantsy izahay teny tamin’ny fotoan’androny)

Tsy mba anisan’izay voateny hanao ilay ‘radio contrôle’ mihitsy izahay hatramin’ny harivan’ny andro faharoa io. Rehefa izany dia nanapa-kevitra aho ny hanatona ny ‘major de service’  nilaza tamin’ny ny zava-misy sy ny mety hangatahanay famindran-toerana (transfert) ho eny amin’ny HOMI Soavinandriana. Nitsotra ilay mpitsabo, fa

ny olana anie ramose dia izahay te-hitsabo e. Satrinay ho vita daholo ireo ankizinay ireo, saingy ireo tokony hanampy anay dia iarahantsika mahita fa ireo mitokona ireo. Dia tsy misy azonay atao mihitsy. Indrindra moa fa raha resaka mila fandidiana ilay mahazo ny zaza.

Isaorana manokana etoana kosa ireo mpianatra ho mpitsabo manaraka ombieny ireo mpisafo hitanay nanomboka ny harivan’ny Alakamisy. Tena nanao izay ho afany sy tamin’ny fony na dia tsy isan’irony nanao fianianana aza. Maromaroa ny tahaka azy ireny. Nisy tamin’ireny ankizy mpianatra ireny no nahavita ny anjarany ary tsy nahavita nandao ny toerana niarahany niriaria tamin’ireo ankizy raha tsy tonga niserana nanao veloma ny farafara tsirairay nokarakarainy Tao anaty tarehy miramirana sy falifaly no nisarahana tamin’izy ireny.

Nanapa-kevitra aho noho ny resaka tsy fijerena loatra ny marary voalazako tery ambony, sy tohin’ny resaka nataoko tamin’ny ‘major de service’ rehefa naheno tamina mpitsabo mpanao fisafoana iray nilaza tamin’ny vadiko nanao hoe

omena safidy ianareo ,

1* na atao plâtre dia miandry ‘radio contrôle’ avy eo hijerena na nety na tsia, dia mandeha mody na mijanona arakaraky ny valiny eo. Na,

2*  asiana ‘vis’ ny tongotr’ilay zaza

Nolazaiko azy ireo ny fanapahana noraisiko ka hoy aho hoe

Asio plâtre ny tongo-janako, dia omeo ‘billet de sortie’ izahay hitondranay azy mivoaka ny HJRA. Tondroy mazava ny andro tokony hanaovana  ‘contôle’ dia miverina izahay amin’izay fotoana izay

Dia natao tokoa ireo. Fa nifanindran-dàlana tamin’ireo dia efa niresaka tamin’ny mpitsabon’ny orinasa ihany koa ny vadiko ny amin’ny hanaovana transfert, na izay mety ho fanohizana ny fitsaboana.

…Tonga soa aman-tsara aty an-tokantranoko ny zanako. Saingy ny saina aman’eritreritro dia any amin’ny varavarana faha-300 mandrakariva. Mahatsiaro ireo fianakaviana kely efa tao sy mbola hijanona ao noho ny tsy fananam-bola, ary indrindra fa ilay zazavavy kely voahitsaky ny fiara tsy asiana plâtre satria mahantra reniny. Indrisy fa raha nisy izay azoko namonjena azy taty amiko, dia ho nataoko tokoa izany. Zazavavy kely tokony ho roa taona eo izy ary ny feny no tapaka raha ny filazan’ilay reniny. Tsaroako manokana eto koa ilay zazalahikely sy ny reniny zary lasa mpiandry tanana ao amin’ny varavarana faha-300 noho ny tsy fanananm-bola sy ny hoe

tsy misy bloc operatoire azo andraisana an’ilay zaza

na noho ny mpitsabo mpanampy mitokona.

Ho anareo rehetra ireny, Andriamanitra mahita ny mahazo anareo, ary Andriamanitra koa mahita izay nanao izany taminareo.

Misaotra an’ilay ramatoa nanolo-tena nanadio ny WC iraisana? Henatra ho an’ireo nilaza azy ho nahita fianarana ny fihetsikao satria ianao avy any ambanivohitra lavitra any no nanome anatra sy fitaratra ho an’ireo be galona (aiza ka ianao mbola manasa gabone dia ny sasany mihevitra ny tenany ho manampahaizna sy ambony noho ny hafa efa tonga sahady hanary maloto, ka nony tenenina dia hoe

aleo alefako fa omeko Ar 100  ianao manadio azy

Izany no teo-tsaina rehefa zatra manambany olona. Izany koa no vokatry ny tsy fandraisana andraikitra na fanomezana vahana be loatra ireo mpikarakara sy mpanadio ny toeram-pitsaboana izay zary lasa patirao be ao amin’ny tanàna. Sahy mibetroka sy mandrahona mpiandry marary mihitsy aza moa ny sasany. Mahavita misintontsintona mpiandry marary rehefa misy ny tsy mazavazava sy tsy mifanaraka amin’ny sainy. Aiza ko andro misasakalina dia misy mpiandry marary asaina mivoaka mankany an-tokontany fa hoe tsy manara-dalàna. Oadray leiretsy e!!! Mba saino ihany ny zavatra atao e! Nefa anie ilay rangahy be ka avy any Ambatomanoina ny iray ary ilay iray hafa kosa avy any Tsiroanomandidy e. Misy mantsy indraindray ny marary tapa-tongotra toy ny an-janako, mila olona roa vao afaka mikarakara azy (rehefa hipipy ohatra ilay marary na hi-kaka) Sa ianareo mpiandry raharaha ao amin’ny alina afaka hifanampy amin’ilay mpiandry marary hibata na hamafa ny maloton’ilay marary. Aza mba miseho ho hentitra amin’ny azo andeferana rangahy fa maha-romotra a! Fantaro aloha ny antony dia avy eo mibedy raha tokony hibedy fa tsy tonga dia miseho hoe izaho no afaka miteny fa ianareo kosa mangina. Tsia dia tsia a! ‘Tsy ang aty‘ hoy ny fiteny an! Tsy hoe rehefa mba manana fahefana kely dia mibontsimbontsina eraky ny lalantsara sy n y efitrano. Azafady an! Tsy ny resa-politikanareo no hamonoana alona.

Nisy tranga henjana be hitako sy natrehan’ny masoko niseho tao amin’ny REA U saingy mitady ny sehatra azoko anehoana an’izay aho ankehitriny.


(camera cachée mikasika ny fialan’ny hopitaly raha sendra mandositra ny marary)

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :