Maputo sa tsia? Tombontsoan’iza?

Sombiny tokoa tamin’ilay anton’ny sazy no tiako ho tsindriana eto androany. Ilay manao hoe ‘noho ny maha-sakana ny fampiharana ny fifanarahan’i Maputo sy Addis Abeba’.

Apetrako ny fanontaniana ho an’ny rehetra, dia iangaviako hamaly ankitsim-po ny tsirairay fa ny mifanompna sy ny miantsy ady na mivantana na ankolaka kosa dia esory ao an-tsaina avy hatrany.

Toy izao ilay fanontaniana: Raha izay tokoa ary no anton’ny (na isan’ny antony) nanasaziana, tsy andraikitra iaraha-manana ve izany ny tsy fahatanterahan’ny sata voalaza ery ambony? Satria mantsy raha ny fahitako azy dia samy mazan-doha daholo ny ankolafy rehetra ka miziriziry amin’ny misy azy. Efa voalaza ohatra fa tsy tokony hisy ny famoriam-bahoaka taorian’iny fifanatrehana iny. Iza anefa no nanao izany voalohany ka nahatezitra ny ankilany? Dia tsy nety nanao sonia indray koa ary nandroaka ny Praiminisitra Mangalaza ny ankilany, dia nahatezitra ny andaniny.

Niteny Zafy Albert fony avy any Maputo fa mitovy tantana ankehitriny ny firehana efatra, fony izy tonga teny Ivato. Nefa misy ny manakiana ny sazy ho mitongilana raha izay fitoviana tamin’ny fanaovana sakana tsy hahatongavana any amin’ny fampiharana ny fiaraha-mitantana izay ny CSP.

Mbola anisan’ny tenin’ny olona koa ny filazana fa hoe ny ‘nahamaika ny firehana Ratsiraka sy Ravalomanana dia ny hanafoanana ny saziny’

Koa Anao ny fitenenana. Mba omeo ny hevitrao sao mba fotoanany izao hamahana ity krizy lavareny ity. Enga anie mba tsy ho isan’ireny mpampiady angely eto anivon’ny aterineto ireny ianao ka sady tsy eto Madagasikara, nefa mandrisika ery ny hisian’ny korontana. Na eto ihany fa mahita tombontsoa amin’ny fisavoritahana, ka dia hisisika ihany amin’ny hitohizan’ny krizy.

Famahana olana no tadiavina sy andrsana amintsika.

Une Réponse

  1. Miombokevitra amin mpanoratra ny lahatsoratra mitsy ny tenanay, ny lovia tsy mikitrana irery e, asa nanhadinon’ireo andaniny hafa ny tantara sy ny fiandohan tsy naneken’ny ankilany ny maputo. Ty anterineto ty kou mou no tena hitako fa manimba ny firenena e, samy manasa atidoha ny mpoba azy avy ny roa tonta de samy miziriziry ny farany, mampalahelo e. Aoka re zay tompoko ny fingafingana isankarazany fa mba mifanaraha ra samy milaza ho tia tanindrazana fa ela lôtra le ady saritaka e, simba ny firenena, hanjakan vahiny ndray refa avy eo ny firenena no ahiana satria lasa manambitamby bailleur mangataka vola de manaiky anty fepetra fanjanahana isankarazany ty ho takalo. samia tonga saina e!!!!

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :