Modely ve?

Mikatso, hono, ny raharaham-pirenena. Fahitan’ny sasany izany. Mandeha hoy kosa ny ankilany mamaly. Dia mifampiampanga eo foana ary tonga hatrany amin’ny faniriana ny hilatsahan’ny sazy mihitsy. Sazy izay ny mahatsikaiky aminy dia hiaraha-mizaka ihany ny fidonany. Raha tsy hoe hisy hanana lamosin-tsokatra angaha ireo izay miantso sy mivavaka ny mba hahatongavan’izany ka na varatra aza hilatsaka, dia henoy izany ry hazondamosiko.

Mahatsiaro ny 17 Martsa 2009 (17 Mars 2009) isika androany. Nalefan’ny RDB vao maraina teo ny fanambaran’ingahy Marc RAVALOMANANA tamin’izany fotoana izany milaza manao hoe (ampahany fotsiny ity) : »…rehefa nandinika lalina aho, rehefa namakafaka lalina aho… » dia nanolotra ny fahefana feno ho an’ny tafika izy. Mbola azon’ny rehetra arahana mivantana ao amin’ny TV PLUS MADAGASCAR androany alina amin’ny 20 h 45 (oran’i Madagasikara) ihany koa ny fampahatsiahivana ny tantara tamin’io andro io

Hitodika amin’iry lohateny amin’izay isika. Modely ve ary ireo Olobe fahiny teo amin’ny fitondrana teto Madagasikara ka nirotsaka ho mpitady vahaolana amin’izao krisy izao? Ndao mba hotolorana fangataham-panazavana hoe ry zareo ireo ny amin’izay mba vitany tany aloha tany hisorohana ny toy izao. Ohatra fotsiny, efa nandefitra tamin’Andriamatoa RATSIRAKA ny Malagasy raha namerina azy teo amin’ny fitondrana tamin’ny faramparan’ny taona 90. Inona anefa no vely kobay nomeny ny Malagasy? Hijery ny ankohonany sy ny fianakaviany amin’izay, hono izy. Dray! Dray! Dray!

Teo koa ry ZAFY Albert, nandalo ry Marc RAVALOMANANA. Mba nanao tokoa angamba ny sasany, nahavita zavatra ho an’ny tanàna. Saingy ny olana lazain’ireo tsy faly aminy dia ny hoe « rehefa mba mihinana, dia amelao sombintsombiny ny hafa, fa aza atao horirik’Ambohimanambola ka na ny hodiny aza lany ».

Ny olana koa moa dia tsy misy sahy sy vonona hijoro ireo solofo dimbin’ny ala novolavolain’izy ireny, fa izay te-hanao zavatra sy te-hitondra politika vaovao manova zavatra dia tsy maintsy miera amin’ny Deba, na amin’i Dada, arakaraka izay mety ho fiantson’ny rehetra azy. Tokony ho fakan-tahaka tokoa ny antitra ara-politika, saingy  ny olana dia politikan’ny fanodikodinana saim-bahoaka no hita eto. Tezaina amin’ny lainga sy abobo ny sain’ny olona mba hino fotsiny ihany. Dia lany andro manantena eo rehefa avy eo.

Une Réponse

  1. Ny fiainana kosa aloha dia hita fa mihamafy. Betsaka ny very asa ary mirongatra zato heny ny tsy fandriampahalemana. Izahay aloha mbola misaotra an’Andriamanitra fa mbola mijoro ny orinasanay satria mandeha internet ny asa externalisation comptabilité, zany oe misy fiantraikany kely iany fa mirohoroho saina ny clients sao tsy vita amin’ny korontana ny asa. Rahoviana ity crise ity vao tapitra ? Anjarantsika rehetra ny mamaha azy.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :