Tsy mahay mankasitraka…

Ts nisy tsy nahita angamba isika rehetra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety nataon’ilay ramatoa iray mpiadidy ny tanan’Antananarivo fahiny, nandeha tamin’ny fampahalalam-baovao rehetra omaly hariva.

Fa izay tena mba tsy aritry ny maro nandre sy nahita azy iny dia ny fitefotefok’ilay ramatoa nanome tsiny an-dry RAMAKAVELO sy Andry RAJOELINA nanoloana ireto mpampita vaovao nanatrika azy. Nivoaka teo daholo izay karazana mpamaritra anarana tonga tao an-tsainy rehetra izao. Ny hafa moa dia nionona fotsiny ihany tamin’ny fitsakoana sy ny fitelemana ny sakafo napetraka teo anoloan’izy ireo (mba tsy hilazako hoe figurants).

Dia mbola ny resaky ny olona ihany koa, toy ny nolazain’ity renim-pianakaviana iray teny ambony fiara fitaterana,  no fintinina amin’ny hoe:

‘Raha tsy nisy an’i Andry RAJOELINA tonga teo amin’io toerana io tokoa, mba taiza ho aiza no nisy an’iny ramatoa iny? Dia tena tsy mahay mankasitraka tokoa ny olona an! Sa nalahelo fa tsy nahavita ny vitan-dRAJOELINA fony izy nitantana ny tanàna? Iza moa ity anarany teo, Lalatiana Ravololomanana moa? Tsy efa mpiara-miasa tamin-dRAJOELINA ihany ve izy iny taloha e?’

Feo heno teny rehetra teny io maraina io izany ary tsy aritro n y tsy hitatitra azy ho anareo etoana.

resaka an-jorony: tsy dia hita firy eto aloha ny mpanoratra fa tra-doza ka mbola reraka ara-tsaina sy ara-batana.

Une Réponse

  1. Na tsy nolazaina aza ny anaran’ilay ramatoa dia fantatra @fivatravatrany ihany é! .izany tokoa no tonga @ilay fiteny hoe: « nivaha ny fatorany » , ka norombasiny avokoa izay tandrify azy , fa indrindra moa misy maporisika avy aty ivelany izay , dia toy ny olona tsy mahay maka lesona izay efa lasa izay , dia

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :