C.N.E.A.G.R : Nampitandrina ahy…

Nisy fitarainan’ny mpiasa avy ao amin’ity C.N.E.A.G.R  eny Nanisana ity voarain’ny mpamahana bolongana eto amin’ny Gazety_Adaladala. Nentina teto izany (jereo ao amin’ny tahiry), ary mbola nisy aza fampanantenana anareo mpamaky fa hoe mbola hitondra fanazavana misimisy eto mikasika azy io eto ry zareo.

Niandry izay ho tohiny isika rehetra. Ka androany antoandro dia naharay antso avy amin’ilay mpiasa aho fa noho ny tahotra (satria, hono, efa nisy nahita ilay lahatsoratra navoaka teto ny mpitantana tao amin’ilay toeram-piasana) dia tsy sahy nanatona ny Gazety_Adaladala nanome vaovao izy. Nolazainy tamin’izany koa fa hiezaka hanao izay hahitana ny mpamahana ny  Gazety_Adaladala ny tompon’andraikitra ao, hahitàna izay nanome ny vaovao.

Tsy vao izao ny Gazety_Adaladala no nahazo fandrahonana na fampitandremana. Tsy izany koa no hampihemotra azy amin’ny fanolorana vaovao ho anareo mpamaky.

Ny tsara homarihana fotsiny dia ny hoe fitaratra mamerina ny sary atolotry ny mpampita vaovao fotsiny ihany ity takelaka ity (rehefa tsy ny Gazety_Adaladala tenany mihitsy no nanangona azy teny rehetra teny). Izany hoe tompon’andraikitra amin’izay nolazainy ny nanolotra. Ary eto no angatahana indrindra anareo izay manome vaovao, mba ho vaovao marim-pototra no atolotra.

Nihevitra ny hanova ny mombamomba azy tato anatin’ny takelaka ny mpamahana ny Gazety, nefa rehefa nodinihana dia toa mariky ny hakanosàna izany. Andrasantsika izay ho avy ka hatrehina araka izay firosoany eo.

Hatramin’izay ny mpamahana ny Gazety_Adaladala dia tsy niafina tany ambadiky ny anaram-petaka, na tany ambadiky ny fàfana (ecran)  tany fotsiny, fa niseho làny tetsy sy teroa, ary nitankosona tamin’ny rehetra, ka tsy ho amin’izao fotoana mihitsy no hanovàny ny fomba nifandraisany taminareo mpamaky azy.

Miandry ny tatitra avy amin’ny mpiasa izany isika  (raha ho sahy ry zareo) mikasika ny resaka ‘prime / 13ème mois’ nozaraina tao amin’ity C.N.E.A.G.R ity, izay niteraka resa-be sy toa nitarika fitokonana kely teo anivony mihitsy andro vitsy lasa izay.

Ho an’ireo tompon’andraikitra milaza ny hifampiresaka amin’ny mpamahana ny Gazety_Adaladala kosa, dia azonareo atao tsara tokoa ny manoratra ny hafatra na teny tianareo hampitaina eto amin’ity takelaka ity (Tsy maintsy voaray foana ireny, fa aza matahotra), misy ny faritra natao ho amin’izany mipetraka eny ambanin’ny lahatsoratra tsirairay. Raha tianareo moa ny hahazo valin-teny manokana, dia halefan’ny mpamahana ho anareo manokana izany. Nefa dia efa atsipy sahady ny teny, fa raha ny hanontany ny anaran’izay nanome ny vaovao no anton’ny hafatra, dia ialàna tsiny mialoha, fa tsy maintsy miaro ny loharanom-baovaony  ny Gazety_Adaladala.

Ho anareo namana mpiara-mamahana bolongana rehetra eto amin’ny tontolon’ny Blogosphere Malagasy kosa indray:  efa ady natrehintsika hatramin’izay ny fanapenam-bava. Nolalaina foana sy narovana ny fahalalaham-pitenenana. Tairiko manokana amin’izany ireo ao  anatin’ny ‘Reporters S.F.’   Efa misy ny olona mahatoky namelako hafatra, koa raha sanatria misy zavatra mitranga mihatra amin’ny mpamahana ny Gazety_Adaladala noho ity resaka C.N.E.A.G.R   ity, dia tsy maintsy tonga malaky any aminareo ny hafatra, mba hahafahanareo manely azy malaky ho an’ny rehetra.

5 Réponses

  1. Enga anie ho hatreo ihany ity raharaha ity fa tsy hisy tohiny.

  2. Fa lasa protegé ahoana ilay bolonganao? izay manko no nahazo ahy vao tafiditra aho

  3. somary mila mitandrina ihany izany ianao aloha ry Avylavitra fa sao dia ny ain-dehibe no katsahan’dry zareo ho tampenam-bava annnn

  4. ity ny phoneko ra mil ahy ianareo fa afaka mijoro vavolombelona za fa tsy milamina ao cnegr ary haiko tsara ny ao ary za ko fantany tsara: xxx xx 436 74 sy xxx xx 838 33

    • Niniana nafenina aloha ny laharanao mba hiresahantsika manokana amin’ny fotoana mahamety azy.
      Hifandray anaty mailaka isika

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :