‘RADIO ANTSIVA’ mivantana amin’ny aterineto

Efa mivoatra manaraka ny toetr’andro koa ankehitriny ary toy ireo namany hafa (MaTV, TvM, RNM,RDB…) dia efa azo arahana mivantana amin’ny aterineto koa ankehitriny ny radio ANTSIVA FM 97.6.

Mazava tsara tokoa ny feo henoinao ao.

Ismael RAZAFINARIVO no mitondra ny famelabelarana ao amin’izao fotoana izao. Ary manentana ano koa hihaino izany isaky ny alina manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, ao amin’ny fandaharana ‘NY MARINA

Publicités

Anosy: Ny hetsika manodidina ny fahatongavan’i GIC

Araka ny efa fantatry ny maro moa dia efa tonga eto Madagasikara ary eo am-pandraisana tsirairay ny solontenan’ireo firehana rehetra ny GIC, tarihan’i Jean Ping, amin’izao fotoana izao.

Mbola co-présidents ihany aloha hatreto no iantsoan’ny GIC an-dry Rakoto Andrianirina Fetison sy Rakotovahiny Emmanuel. Isan’ireo manatrika ireto GIC ireto koa ry Mangalaza Eugene sy Camille Vital.

Fa ety ivelany kosa dia misy ireo olona mihirahira sy mitangorongorona tsy hay hoe mpomba sa mpanohitra. Fa ny hita aloha dia tsy avelan’ireo mpitandro filaminana hisy izay fitangorongoronana izay.

Manaikaiky indrindra ny foibe teo aloha nisy ny RNM, sy eo akaikin’ilay fiandrasana fiara mpitatitra no nisy ireto olona mitangorongorona sy mihira ireto.

Ramatoabe iray, miandry ny zafikeliny teo amin’io fiantsonana, no isan’ireo nasain’ny mpitandro filaminana niala. Namaly tsotra anefa ity ramatoabe (efa nahazohazo taona ihany, manodidina ny 60 taona any), fa miandry ny zafikeliny izy, fa tsy misy idirany amin’izay ‘sakorokareo’ any. Izy rahateo tsy afaka ny mandeha haingana izany, raha misy filàna fandosirana. Nampahafantariny an’ireo mpitandro filaminana izany.

Nanomboka ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso, ka isan’izay nandefasana teo akaikin’ilay ranenibe. Dia mazava loatra fa nizaka ny vokany teo raneny, saingy nahatezitra ny rehetra nanatri-maso kosa ny fihetsik’ilay mpitandro filaminana nanao akanjo mainty ambony ambany nandefa azy io, indrindra fa mbola narahany vava hoe

ianao no te-hipetraka eo

Raikitra ny ankanenjika teny amoron’ny ranon’Anosy sy ny manodidina azy. Na ny marimarina kokoa dia ny fanosehana ireo mpanao hetsika mba hihatakataka lavidavitra kokoa ny faritra misy ny Carlton.

Tonga hatrany akaikin’ny Tranoben’ny FIARO sy taty ambanin’Antsahamanitra taty ny fangalam-piery.

Tamin’ny 2 ora tolakandro teo no niandoha io gidra io. Ary nisy kely foana teny antsefantsefany teny hatramin’ny 5 ora hariva nandaozana ny toerana.

Na teo aza anefa ny fisian’izany rehetra izany , tsy nahasakana ny tsenan’Alakamisy teo Mahamasina tsy hisy. Nitaintain-dava toa Saobakaka am-body riana kosa anefa izy ireo, ka mbetika no mifanontany ny hoe

raikitra angaha

satria raha vao raikitra ny ‘sakoroka’ ka mihitatra mankany amin’ny faritra misy azy ireo, dia efa tsy maintsy vonona sy kinga amin’ny fanoronana ny entam-barotra. Ny taxibe koa dia tsy nisy sahy nijanona ela teny amin’ny manodidina, fa zara aza afaka ny miala ary tafiditra ny miaktra, dia ‘roahy fa hariva’.

Eto am-pamaranana dia inty misy tsy aritra kely:

Tafahaona ka niresaka ireto tanora vitsivitsy tafahaona teny an-kianja teny. Tonga dia fanontaniana ny an’ilay tovolahy voalohany A  ‘ndeha hataontsika A , B , D ny solon’anaran-dry zareo:

A : K’inona no inona?

B: Izao e!

A: Izao ahoana e?

B: k’izao sisa koooo!

D: Izao sisa ahoana e?

A: izao e!! Miandry fanapahan-kevi-bazaha vao hihinan-kanina!!

A sy B: hay ve eeee!

A: Noheveriko fa inona ary no loza ho lazain’ialahy!

B: Fa amin’ialahy angaha tsy loza izany miandry tataka sy manao hata-piso ary milela-paladiha lava izany? F’ialahy ve ahoana e?

Teboka famaranana…

Behoririka: C.U.A vs mpivarotra amoron-dalana

Mifanandrina eo amin’ny araben’i Behoririka, iny midina avy any Soarano iny ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpivarotra amoron-dalana nanomboka tamin’ny 1 ora sy 30 mn teo ka hatramin’ny fotoana anoratana ny lahatsoratra.

Ny CUA manao ny fandaminana satria na dia nesorina sy nomena toerana aza ireo mpivarotra teo aloha, dia misy andiany vaovao indray mipetraka tamin’ny toerana nanalàna azy ireny ka namorona fitohanana vaovao, na ho an’ny mpandeha an-tongotra, na ho an’ny fiara.

Ampangain’ireto mpivarotra ho naka ny poketrany misy vola moa ireto mpiasan’ny CUA ireto, ary izany no mahatonga ny savorovoro. Bahanan’izy ireo ny ampahan-dalana amin’ny ilany havanana raha midina avy any ambony ianao, mandra-pahatonga eo amin’ny tobin-tsolika maty ety amin’ny filoahana hiakatra ho any amin’ny tetezana.

sary: