Anosy/Mahamasina Pr.Zafy sy ny tariny

Na dia nihevitra aza ny maro fa mbola hiverina ny korontana toy ny omaly, dia tsy nisy na inona na inona afa-tsy olona visivitsy nihirahira sy nipetrapetraka nanandrify ny fiantsonan’ny taxibe teo Mahamasina no hita androany hariva.

Hatramin’ny tamin’ny 5 ora hariva nialana teny an-toerana dia mbola teny koa ireo mpitandro filaminana.

Sady nandrindra ny fiatoan’ireo taxibe izy ireo, no niandry izay mety hiseho ihany koa.

Niandry an’i Manandafy sy ny Pr Zafy moa ny ankamaroan’ny olona, saingy nangaina fa tsy nisy hita teny ny mpitarika.

Teo ampialofana noho ny erika nifafy, dia nisy ny nahatsiaro ny tany amin’ny 1991 tany, ka nilaza fa tafaraka indray ireto i  Zafy sy Manandafy, ka hafàna tokoa ny tanàna. Toy izao mantsy hoy izy ireo no nitarihany ny olona tamin’izany fotoana sy nahatonga ireny raharahan’ny 10 Aogositra ireny. Asa re!!!

Raha jerena tokoa mantsy izay nolazain’i ¨Pr Zafy tamin’ny mpanao gazety avy amin’ny  Express de Madagascar nivoaka androany, dia efa vonona tanteraka hiatrika korontana ry zareo. Nolazainy fa ‘olona efa niomana sy vonona hifanehatra amin’ny mpitandro filaminana ary tsy matahotra grenady ireo olona tarihany eny, ary izany no isan’ny antony mahavitsy azy aloha amin’izao fotoana izao . Azonao vakiana ato izay resadresaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazetin’ny l’Express de Madagascar izay

Publicités

Lasantsy SUPER 95 tokoa ve?

Naka solika tamina toby mpaninjara iray teto an-drenivohitra aho ny Alatsinainy teo (SHEL, tsy maninona fa aleo avoaka, mba hahafahany mandray andraikitra amin’izay tokony hataony). Koa satria tsy antonona tao anaty ‘reservoir’ ny solika nangatahako, dia voatery natao tanaty ‘bidon’ kely ny ambiny. Efa fanaoko ihany izy io hatrizay rehefa tafahoatra toy izany ny fatra nangatahana, nefa tsy mahazaka ny fitoerany.

Teo ampangalana solika dia tsy nahatsikaritra na inona na inona aho.

Akory ny hagagako rehefa tonga ny androany Alarobia, ka hampidina ny solika avy ao anaty ‘bidon’. Hafa tanteraka ny lokon’ilay izy, satria dia toy ny lokon’ny 91 mihitsy. Namelako anaty tavoahangy hafa ilay solika tsy nampandry ny saiko, ka hiverina eny amin’ilya toby aho haka 5 litatra vaovao indray, mba hampitoviako amin’ilay azoko tamin’ny Alatsinainy.

Raha sanatria moa ka mbola mitovy ny loko, dia hividy eny amin’ny mpaninjara hafa mihitsy aho, mba hanamarinako ny lokon’ilay SUPER 95 sy hahafahako manao fampitahàna. Solika maitso be mantsy no ato amiko izao, raha solika mazava  loko hatrany no fampiasako hatramin’izay.

Tsara ny manamarika fa lafolafo kokoa ny  super 95 raha ampitahaina amin’ny sans plomb 91

Asa raha efa mba nisy nahatsikaritra ny toy izay ianareo rehetra mamaky ny lahatsoratra.

Eto aho vao tonga saina fa izany angamba no anton’ny nahatsentsina matetika ny ‘carburateur’-ko, ka nahavoasazy ahy hanadio azy isaky ny mihetsika.

Raha misy fanamarihana avy aminao, dia alefaso eto koa mba hifampizarantsika sy hifanoroana.