Faritra andro ratsy (Système depressionnaire)

(sary avy amin’ny http://www.m-r.li/a_suivre.html)

Andro ratsy faha-8 mananontanona aty amin’ny ranomasimbe indiana (océan indien) ity miseho any amin’ny 3300 km atsinanana/avaratra-atsinanan’ny Nosy Mascareignes ity. Tsy mbola misy aloha ny atahorana hatramin’izao. Nefa kosa tsara ihany ny anaraha-maso akaiky azy, raha araka io sary io. Raha tsy levona alohan’ny fotoana izy ity dia hahazo ny anarana Edzani

11km/ora ny fikisahany, 998hPa ny trindry eo amin’ny ivony, 46 km/ora ny rivotra eo amin’izay ivo izay raha 65 km/ora kosa ny tafiotra aterany eny an-dranomasina

Sary ho fanaingoana fotsiny (mason'ny rivodoza FIRINGA)

fanampim-baovao azo ny 07 janoary 2010: tsidiho eto ny tatitra avy amin’ny IRN

Publicités

Rava ny firehana 3. Teraka ny firehana Madagasikara

Zavatra tsy fahita firy: niara-mivory teny amin’ny villa Elisabeth aloha ireo firehana telo talohan’ny niarahany niainga hamonjy an’i Magro io androany io.

Saiky hita teny (Magro)  avokoa moa ireo olona tsy nety nankato an’i Ravalomanana ho filoha, na ireo nogadrainy fahiny, na ireo nanohitra azy tamin’izany fotoana, toa an’i RAMASY Adolphe, Ra-MERCI (solombavam-bahoaka taloha tany Antsirabe) sy ny hafa. Voalohany ihany koa no nanitsahan’i Fetison Rakoto Andrianirina ny villa Elisabeth angamba androany.

Totorebika sy hafaliana tsy nisy toy izany ny an’i Therese Zafy teny amin’ny MAGRO. Voaravaka tsiky sy nidoladola ery ramatoa Zafy nandihy teo anantrehan’ireto mpanotrona marobe, tsy fahitany firy hatrizay nandihizany angamba (sic). Toy ny nanatrika fifamofoana , na fampakaram-bady ireo olona marobe nanatrika teny androany. Satria tokoa teraka ny ‘Mouvance’  Madagasikara, ary midika izany fa rava ny Firehana 3 teo aloha. Raha ny tokony ho izy aloha e!

Mahamasina…Tahala RARIHASINA…

Nangataka fihaonana amin’ny PDS eto Antananarivo Renivohitra ny mpivarotra eny Mahamasina ny amin’ny tokony hitadiavana vahaolana ho azy ireo koa, taorian’ny famahàna olana natao tamin’ireo mpivarotra amoron-dàlana tetsy Behoririka sy Analakely. Ireto farany moa dia notolorana ny eny amin’ny manodidina ny farihy Behoririka sy ny làlana Petite Vitesse ary ny eo amin’ny TAHALA RARHIHASINA (ex-Rene Depui).

Mbola mipetraka foana ny fanontaniana hoe: raha hakatona ny làlan’ny Petite Vitesse mba hatao tsena, ahoana ny amin’ireo mponina mipetraka manamorona iny làlana iny, ohatra amin’izany ireo manana fiara. Tsy maintsy hamoaka fiara amin’ny roa maraina ve mba tsy ho voageja ao ny fiara, ary amin’ny fito ora hariva indray vao hampiditra izany ao anaty garazin’ny tena? Satria dia maro tokoa ny olona mipetraka amin’iny toerana iny no manana ny vavahadin’ny garaziny mitodika aty amin’ny làlana Petite Vitesse (ary tsy misy ivoahana ankoatra izay). Mbola tsy fantatra mazava moa aloha hatreto hoe manomboka aiza, mifarana aiza ilay ampahan-dàlana hatao tsena. Fa ny amin’ny fifamoivoizana no mahalasa ny sain’ny maro: ho aiza indray izany ny làlan’ireo Taxibe mankany Isotry sy Ampefiloha, Anosy iny ?

Ny etsy amin’ny Tahala Rarihasina koa mbola tsy mazava loatra ny fetran’ilay toerana hatao tsena. Misy ivon-toerana momba ny tany sy teny ao, betsaka magazay koa ao. Ahoana ny amin’ireo? Sa ilay arabe mandalo eo anoloan’ny Transcovia taloha no tiana holazaina? Raha ny aty anoloana mantsy no hanaovana ilay tsena dia toa sadasada ihany ilay fanapahana noraisin’ny mpitantana ny tanàna.

Mpivarotra amoron-dàlana / Efa ela…

Efa ela no nanaovana ezaka hanalàna ireny mpivarotra amoron-dàlana ireny. Tsy vita anefa izany hatramin’izao. Asa na ny olona no tena màzan-doha, na ny mpitantana ny tanàna no tsy mahefa.

Efa ela ihany koa no nahalalan’ny besinimaro fa tsy hafa akory ireny entana amidy eny antsisin’arabe ireny fa an’ireo sinoa tompona toeram-pivarotana goavana eto Antananarivo Renivohitra ihany.

Izay rehetra tsy mahita asa atao, na ‘ndeha tonga dia hitsiana hoe malaina hiasa saina, dia mitondra kara-panondro fotsiny manatona an’ingahy ‘Chong’ [anarana entin’ny mpanoratra hibangoana tokana ny sinoa rehetra fotsiny io]. Rehefa vita izay ifanarahana eo, dia mivoaka ny entana, ary dia miandry ‘versement’ sisa i patirao be. Izany hoe, mandry ny  sain’ i ‘Chong’  fa tsy maintsy hisy foana ny vola hiditra, na tsy hisy hiditra aza ny magazainy, ny mpivarotra amoron-dàlana koa tojo izay notadiaviny ka tsy hiasa saina, fa hitanin’andro sy hanoaka fotsiny dia manatona ny mpividy.

Fehiny: Raha tiana izany ny hanadio ny sisin-dàlan’Antananarivo Renivohitra dia ny fanaraha-maso  sy ny fihenjanana amin’ireo ‘Chong’ manome vahana ny Malagasy hilona anaty fahalainana, sy hiankin-doha lava aminy no tokony himasoan’ny mpitantana, ankoatry ny ezaka hafa efa natomboka. Sa ve manohintohina ny fahalalàhana eo amin’ny sehatry ny varotra koa ny fanaovana izany? Izao aza dia efa misy amin’ireo mpivarotra amoron-dàlana sahady no efa namelatra entana amin’iny arabe mamakivaky ny ‘Petite Vitesse’ iny na dia tsy mbola nolazaina mazava aza ny vaninandro tokony hanombohan’izay.

Koa rehefa lasa fivarotana àry ny arabe eo amin’iny faritra iny, mba efa noheverina ve ny amin’ireo mpivarotra nanara-dalàna efa nipetraka teny ampolon-taonany maro? Ny amin’ireo magazay sy hotely lehibe amin’iny faritra iny? Ny hoe raha sanatria misy tsy maintsy handehanan’ny mpamonjy voina miditra amin’io faritra io noho ny vonjy aina? Làlana aiza no hatao azo ifanenana mba hasolo azy io? Ny aty amin’ny Foibe ara-tsaina Albert Camus ve? Sao mba tsy izay no vahaolana? Sao azo heverina ny famerenana ny ZOMA LEHIBE eo Analakely, ka amin’izay fotoana izay dia mba indray mandeha isan-kerinandro ny fifamoivoizan’ny olona no voaelingelina? Raharaha sarotra ihany ity miandry ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ity raha izao no jerena. Mbola manginy fotsiny koa ny fampanantenana ny hametrahana ny ampahany amin’izy ireo amin’iny faritra Ambodifilao iny. Raha nisy ihany ny fanapahan-kevitra toy izao, angamba aza tsaratsara kokoa raha efa noheverina mialoha ny hanokànana ny tsena arakaraky ny entana amidin’ireo mpivarotra: ohatra hoe Ambodifilao = voankazo sy legioma; Petite Vitesse = X ; Isotry = Y , sns…  Ny eny Namontana aza mbola ahiana hiakatra afo ka hidrikina hiverina aty afovoan-tanàna mahita ireto namany nahazo vàhana sy nahazo toerana tsara lavitra sy akaiky ny mpanjifa noho ny azy ireo.

Tsetsatsetra tsy aritra koa no ilazàna fa be ireo sinoa ireo no mpivarotra no asany rehefa tonga eto Madagasikara, nefa dia anaty Fiara mitondra takelaka maitso (laharana diplaomatika, pasipaoro diplaomatika) no ivezivezeny eran’ny tanàna. Fiarovan’ny Sina ny olom-pireneny mila ravin’ahitra ve izany? Ary raha izany tokoa, mba manao ahoana re ny fiarovan’ny fanjakana malagasy ny azy rehefa mila ravin’ahitra any ampita any e?