Nirotsaka (ny orana) ny PDS…

Tonga ny fetra. 04 janoary 2010. Nidina an-tsehatra mihitsy ny PDS Edgard RAZAFINDRAVAHY, nanao ny fanentanana sy ny fanazavana ny amin’ny tokony hampitsaharana ny fivarotana eny amin’n y làlam-bahoaka.

Tetsy Behoririka sy Soarano dia nolazainy fa omena ho an’ireo mpivarotra, mba ho fitsimbinana ny asa fitadiavan’izy ireo, ny tany malalaka ninatsonan’ny fiara teo aloha, iny manamorona ny ranomaimbon’i Behoririka iny.

Teo Analakely indray dia nazavainy fa raha ny famonoana ny làlan’ny Petite vitesse hatao tsena no vahaolana dia hatao izany, ary fanampin’io dia ao Ambodifilao.

Tamin’ny faritra rehetra nalehany dia nambarany fa samy tompon’ny tanànan’Antananarivo ny rehetra, ka samy tokony ho sarotiny sy samy handray anjara amin’ny fandaminana sy ny fanadiovana izany tanànan’Antananrivo renivohitra izany. Tsy nahoany ny orana nilatsaka, fa nanatona ny vahoaka izy mba hifampidinika sy hitady ny vahaolana. Tsy mpifanandrina isika, hoy izy, fa mpiara-miasa.

Nandray anjara tamin’ny asa fanadiovana ihany koa moa ireo mpivarotra nahatsapa tena ny amin’ny tokony hanaovana izany

Mazava araka izany fa dia azon’ny mpampiasa arabe nampiasaina tsara ny làlana androany.

Raha nilamina ny tamin’ireo faritra nolalovan’ny PDS, dia mba rahoviana kosa no hilamina ny fibahanan-toerana ataon’ireo mpivarotra fiara amoron-dàlana amin’iny faritr’Andravoahangy manodidina ny LOOK ‘ S  sy ny SUPREME CENTER iny? Mila hampidi-doza ny mpandeha an-tongotra mihirsy mantsy ny fahateren’ny hany sisa avelan’izy ireo ho an’ny mpandeha an-tongotra. Manampy trotraka izany ny fanomezan-dàlana nomen’ny CUA fahiny taloha ela tany ho an’ny SUPREME CENTER hamefy ny làlan’ny mpandeha an-tongotra eo amin’ny tandrify azy, ka mahavoatery ireto farany midina mihitsy any anaty làlana natao ho an’ny fiara, izay vao afaka mandeha. Tsy lazaina intsony koa ny loto sy ny fanelingelenana ateraky ny ZOTRA E mpitatitra mankany Mahazo, izay mibodo toerana sy manao ny malotony ao ambany Tetezan’i Behoririka.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :