Antso avon’ny O.S.C.M

***************************** NO   COMMENT *************************************

Ny Fivondronan’ny Fikambanana manohana
ny fampiharana ny Fifanarahana tany Maputo sy Addis-Abeba
(Alliance des Organisations de la Société Civile
adhérant aux Accords de Maputo et d’Addis-Abeba)

ANTSO AVO SY FANENTANANA

Ny Fivondronan’ny fikambanana manohana ny Fampiharana ny Fifanarahana tany Mapouto sy Addis-Abeba (Alliance des OSC adhérant aux Accords de Maputo et d’Addis-Abeba) , dia manao izao Antso Avo sy Fanentanana manaraka izao manoloana ny tsy mbola fahitana vahaolana amin’ny krizy sy ny fahasarotan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena ankehitriny :

1. Tafahitsoka lalina ao anaty fahantrana sy fahoriana lalina ny vahoaka malagasy iray manontolo sy ny mpiasa ary ny isan-tokantrano, ohatra ny filatsahan’ny mpiasa iray hetsy ao anatin’ny tsy fanànan’asa nateraky ny faharavan’ny AGOA ;

2. Miharatsy hatrany ny fandriampahalemana : ny feo miha maro sy mifanipaka ao anatin’ny tafika, ny fitohizan’ny firongatry ny fandrobana sy ny vono olona etsy sy eroa, ny volabe mivezivezy tsy fanta-piaviana eto amin’ny firenena, ny fanitsakitsahana ny mahaolona sy ny fanaovana tsinontsinona ny Soatoavina Malagasy ;

3. Manomboka kivy ny ampahany amin’ny sarambambem- bahoaka ka mahatonga azy somary toa miraviravy tànana.

Araka izany, noho ny ezaka rehetra efa niarahana nanao hatramin’izay, dia miangavy anareo mpanao politika :

1. tsy hitarika ny olona ao anaty fifankahalana sy fifandonana ;

2. hiverina any amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana hanohizana ny fifanarahana izay efa niombonana ;

3. hiaro hatrany ny tombotsoam-pirenena sy ny fiandrianam- pirenena.

Manentana antsika vahoaka rehetra mba ho tony sy tsy ho tafaroboka amin’ny herisetra sy ny ady an-trano fa hiray hina kosa sy hifanome tànana mba hamongotra ny fahavalo iraisana dia ny fahantrana sy ny fanitsakitsahana ny zo aman-kasina maha-olona.

Ny Firenena sy ny tantara dia mitaky amin’ny tsirairay sy ny hery velona rehetra ny fahitana vahaolana iombonana amin’izao Taom-baovao izao.

Antananarivo, faha 28 desambra 2009

*************************************************************

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :