Andro fisaonana

Nanapa-kevitra ny Tetezamita fa hatao andro fisaonam-pirenena, noho ny fahalasanan’i Maître Jacques Sylla, ny andron’ny Alarobia 30 desambra 2009, ho fankasitrahana azy tamin’izay rehetra vitany ho an’ny firenena Malagasy. Hampidinina ho eo amin’ny antsasaky ny tsatoka avokoa araka izany izay rehetra sainam-pirenena manerana ny Nosy, ho marik’izay fisaonana izay (Drapeau en berne).

Tsy miasa ny mpiasam-panjakana rehetra ny harivan’io Alarobia io.

Fanampim-baovao anio 30/12/2009 :

Tsy voahaja araka ny tokony ho izy ny andro fisaonana. Raha ny tokony ho izy dia midina amin’ny antsasany ny sainam(pirenena rehetra mitsangana eny amin’ireny orinasa sy ny tranom-panjakana rehetra irany. Ny zavatra hita anefa dia betsaka ny orinasa tantanan’ny vahiny no tsy nanaja (‘ndeha angaha hataoko hoe tsy nahalala) ilay andro fisaonana sy ilay hoe ‘drapeau en berne’. Tamin’izy ireny dia toy ny isan’nadro ihany ny andro Alarobia 30 desambra 2009.

Teny amin’ny fara-fananana an’i Jacques Sylla kosa indray dia niavaka tamin’ny tsy fahatongavany ny profesora zafy albert (tena niniako natao ny maha-zanatsoratra daholo ny anarana). Asa raha efa novakianareo ny lahatsoratra nosoratako momba izay ho fihetsiky ny mpanao politika amin’ity fahoriana ity [Nodimandry i Jacques Sylla]. Dia hita izy izay. Saiky tonga teny daholo anefa ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Dia misy tokoa ny miady amam-paty rey olona. Izaho moa dia efa miandry fa aorian’ity fanamarihako ity, dia tsy maintsy hanao filazana ny antony tsy nahatongavany indray izao iny ‘raiamandreny’ iny. Fomba efa tsy hita izay maharatsy azy, hoy ny mpamangy fahoriana.

4 Réponses

  1. Mba azonao lazaina kely ao anatin’io gazetinao io ve ny fihetsiky ny mpanao politika rehetra @ity fahoriana ity fa indrindra ny an’i Président Marc Ravalomanana? Azafady indrindra an!

    • Samy nandefa solontena teny daholo ny ankolafin’kery rehetra, saingy niavaka samy mpanao politika tamin’ny tsy fahatongavany kosa ingahy zafy albert

  2. ireny efa nampisotroin’ny Ravalo tany ka izao no niafarany e! mampalahelo

  3. mampalahelo ny fanaovana potiltika eto amintsika,eny fa nany fihavanana maha Malagasy antsika aza dia adino

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :