Miteny izao tontolo izao, mihaino va ianao?

5 taona izao no nisian’ny Global Voices Online. 2 taona eo kosa no niarahako niasa taminy. Azy sady teny fanevany iry nataoko lohateny ery ambony iry.

Manana zana-tsampana maromaro ny GVO, toy ny Rising Voices, ny Global Voices Advocacy.

Na tsy mba isan’izay mpanoratra amin’ny teny Anglisy ho azy aza aho, dia mandika kosa ireo avy amin’ny teny Anglisy ho amin’ny teny Malagasy.

Sehatra nahafahako nihaino ny hafa izy, ary nahafahako koa nampita izay noraisiko avy aminy ho an’ny hafa tsy mahafehy ny teny Anglisy nefa mila mahafantatra izay miseho lavitry ny firenena misy azy, dia i Madagasikara izany.

Fianakaviana iray lehibe ary ifangaroan’ny finoana samihafa, firehana samihafa, fiaviana samihafa ny GVO. Izany hoe tsy mialonjafy. Na izany aza anefa dia tsinjo ao anatin’izay rehetra voasoratra sy ifampizarana ao anatiny ny fifanajan’ny tsirairay amin’ny fanehoan-kevitra rehetra atao ao.

Voadika amin’ny tenim-pirenena efa ho 18 mahery izao ireo lahatsoratra azo vakiana ao anatiny. Isan’ireny ny teny Malagasy.

Ny GVO dia lakolosy fanairana, ho an’ny sokajy rehetra, na ny olom-pehezina, na ny mpitondra mpifehy amin’ny alalan’ireo hafatra maro sy ny zavatra tsinjony eo amin’ny fiaraha-monina, nefa tsy misy sahy mitantara, na tsy nisy nahita ka tsy nisy nampahafantatra.

Tokotany iray lehibe ifaneraserana sy  azon’ireo tsy mba nohenoina hilazana ny vetsovetsom-pony sy ny tarainany araka izany ny Global Voices Online. Isaorana azy izany, ary indrindra fa ny fanohanany ireo vondrom-piarahamonina te-hivoatra sy hanana fahafahana mahazo vaovao.

Ny taona 2009 no hifarana, fa raha ny asan’ny Global Voices Online kosa dia mbola hitohy, ary mihasarotra  isan’andro, isan’ora, miaraka amin’ny fahatongavan’ny taona 2010.

Isaorako manokana etoana ianareo mianadahy M. sy L. (mino aho fa na tsy tononiko manontolo  eto aza ny anaranareo, dia ho hainareo ihany fa ianareo izay) nampiditra ahy tanatin’izany fianakaviambe mahafinaritra sy mivelatra be izany.

Hitondra soa ho an’ny tany manontolo anie, ary indrindra ho an’ny Malagasy manokana ny taona 2010 ho avy io.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :