Hafatra nalaina tao amin’ny SERASERA-GROUP

Hafatra nadikako avy ao amin’ny serasera-group izy ity. Misy hosaintsainiona tsara. Kosa samia maka ny fanomezan’ny Noely tandrify azy ny tsirairay.

Ataovy toy ny voankazo an’ala, ny mamy atelomy, ny ratsy aloavy.

[serasera] Politikan’ny KIBO
Vendredi 25 Décembre 2009 10h11mn 46s
De: jonxrapidx@hotmail.com

À: serasera@yahoogroupes.fr

JOYEUX NOËL
Amin’izao ankatoky ny taona vaovao izao dia tonga saina ihany fa tena ataon’ny mpanao POLIFIKA kilalao mihitsy ny vahoaka. Tsy kilalao fotsiny anefa fa tena fanaovana tsinontsinona ny REHETRA mihitsy. Ary raha hapetraka @ endriny hafa ny fanontaniana oe fa ahoana no mahatonga izany? Fomba fijery iray ity ary tsy miteny oe mamaly ny OLANA rehetra.

Tsy hay fa mbola tarazo tamin’ny Fanjanahantany ary azo lazaina f’efa talohan’zany, tamin’ny faha-panjaka. Andrianampoinimerin a, azy daholo izao rehetra izao ary izy no mizara ny tany fototry ny fivelomana, voly vary midika oe sakafo. Ny mpanjanan-tany dia mbola nanohy izany t@ endriny hafa, ka sady manjifa ny harena no mibaiko antsika hanao izay tokony hatao (manamboatra lalana, trano, hopitaly, fiangonana, tanim-bary.. .sns). Ny hifandraisan’ ireo endrim-pitondrana ireo dia valin-katsembohana miankina bedebe @ SAKAFO = VARY, izay hantsointsika oe polikan’ny KIBO. Faly ery rehefa voky ny kibo. Tsy de misy maharatsy an’zany mihitsy t@ androny eny fa na dia hatramin’izao fotoana izao aza, fa inona no hiafarany rehefa tapin’ny SAKAFO ny fomba fijery?

Efa sivilizasiaona hafa izao (époque moderne) ka tsy ampy intsony ilay karama sanda-tsakafo fotsiny. Ny vidin’ny fitafiana, ny hofatrano, ny fitanterana. ..raha tsy hiteny afa-ts’reo dia midangana be. I Tsiranana no nampisa io tetika io, nandaitra tokoa. Tonga i Ratsiraka, nampisa io paika io « mamelona ny mponina ao aminy aloha… » (boky mena), tsy hita izay laoniny.Nodakaina i Ratsiraka t@ 1991, avy eo dia nofidina indray rehefa nanaovany Politikan’ny KIBO, fa noana ny vahoaka satria nidangana be ny DEVISE. Novaind-Ravalo ny formule, niampy 2 chevaux par foyer, ay jet privé no novidiny ho azy. Mitady hampiasa izany indray ny zanaky DADA, mitanisa ny fahorian’ny vahoaka isanandro izao,tsy fanakianana io fomba io akory zany fa filazan ny zava-misy fotsiny. Io indray i Andry mitetika hampiasa ilay fomba fanao, nahatonga vary 70 000 taonina…

Tsotra ny tiana takarina, aoka re tsy hanaovan’ny mpanao POLIFIKA politikan’ny kibo fotsiny ihany e! Mba hijery mihotra ny fehi-kibo. Nisy ny fanonganana an’i DADA, nilaina izany, na Rakoto na Rabe no nanao izany, fa raha ts’zany dia Prezida à vie teo izy (ohatran’ireo Firenena Afrikana sasany, ary io no anisan’ny tsy nanekenay ny MAPUTO hatrany am-boalohany) . Ny tsy nampoizina fotsiny dia nitarazoka be ny TETEZAMITA, lasa « AUTO ROUTE MITA ». Tsotra ny antony, ilay eo amin’ny fitondrana tsy niheritreritra TETEZANA fa ROUTE MITA, ilay voahongana rehetra manao tsipaky ny miala aina ka manao ny fomba rehetra hamerenana ny fomba ratsy (Ratsy, Ra8,RaZafy.. .). Putain, mifohaza ry vahoaka sa i Kotity no hataon-dry zalahy Prezida de Manandafy mijanona ho Praiministra ihany ny Ministra moa dia azo handraofana amin’ny SOBIKA, Ndremanjary ohatra raha tsy ilaza afats’io aho fa io no anisan’ny fantatro (texto: ny volam-panjakana anie dia izay tiako hanaovana azy e!…).

Aoka isika eto @ SERASERA aloha tsy hifampitsikera fotsiny ihany, hitsingoloka mot/mot izay teneni’ny hafa, fa mba hanabe ny vahoaka indrindra indrindra. Efa lany andro ilay oe miandany @ rahanona na rahanonona fa izay mahavita azy ihany. Ny firenena rehetra izao dia tsy miantehatra am’lay oe GAUCHE na DROITE intsony, fa miara-miasa ao daholo, ny « Faran’ny tsiay » ohatra (atao ahoana fa mbola misy tarazo ato amiko ny fanjanahantany) . Hilaza mazava fa tsy ho tafavoaka mihitsy raha tsy ny tsirairay aloha no mitsikaraka. Ny mpanao POLOFIKA efa manao ny azy, mameno ny paosiny aloha vao mijery ny vahoaka nifidy azy « valable » eran-tany izany. Rehefa izany dia velona ny tokantrano, rehefa velona ny tokantrano, mandroso ny firenena (jereo ohatra ny SINOA). Aoka hazavaina ny resaka mba tsy ho VELON-HATAKA lava izao (na ny tsirairay izany na ny firenena). Ny fitondrana dia HAROFANINA fotsiny fa tsy HAZO HIANTEHERANA VELIVELY. Tsory mazava ny resaka oe « NA RAHOVIANA NA RAHOVINA ETO AMBONIN’NY TANY TSY HIZARA VOLA HAMELOMANA ANAO NY FIRENENA na NY FITONDRANA », valikan-tsembohana no omeny anao, karama, ary mbola taxer-ny indray ary io « IMPOTS ISANKARAZANY » . Eo no antony andehanana any Repoblika vaovao. »Ne demandez pas ce que votre pays peut faire pour vous. Demandez ce que vous pouvez faire pour votre pays.  » John Fitzgerald Kennedy.

Rehefa izay fantatry ny tsirairay mazava tsara ny sandan’ireny FANANAM-PAJAKANA rehetra ireny ka tsy simbasimbaina sy angalarina lava izao isaky ny misy sakoroka. Amin’ny fiainana andavanandro aza manao io fomba ratsy io satria harena tsy nisasarana no hieverany azy (aides internationales, volam-panjakana nahodina dia dorana ny tranon’olona, affaires masiso dia potehana ny orin’asa rehetra io).
Hatreo aloha fa lava loatra, fa hitondra rivotra vaovao anie io TAONA VAOVAO 2010 HO AVY IO

Une Réponse

  1. Misaotra anao izahay noho ny vaovao omenao anay . Izahay dia olona mijery sy mamaky ny haisiratrao . Misaotra e! Dia mirary fety ho any fianakavianao . misaotra tompoko .

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :