NY AN’IZA NO MARINA?

Nesorina tsy hitoetra tao amin’ny trano natao ho azy ireo tao Tsimbazaza ireo hoe mpikambana ao amin’ny Kongresy. Tsy navela hiditra ihany koa Andriamatoa Mamy Rakotoarivelo. Ny anton’izany rehetra izany dia satria efa nisy ‘mpitandro filaminana’ nanao izay sakana izay mialoha teny an-toerana.

Io sakana io no hasiako resaka kely. Niampanga mivantana sy nanonona anarana mihitsy ‘RASOMOTRA’ avy amin’ny firehana Ravalomanana omaly raha nilaza fa Andriamatoa isany Pety RAKOTONIAINA sy VONINAHITSY Jean Eugene, hono, no samy nitondra olona sivily iray kamiao tsirairay avy, ary nampiakanjoana akanjona mpitandro filaminana (teniny io fa tsy ahy). Toa fiantsiana mivantana no nataony an’ireto roalahy ireto.Nohirahiraina sy noraisina ho toy ny hery lehibe tetsy amin’ny Magro koa ny nahitàna ny anaran’i Coutiti sy Rahitso tao anatin’ny lisitr’ireo firehana telo. Ho aiza marina isika ity e?

Koa manontany ary aho, NY AN’IZA NO MARINA E?

Androany maraina izao no andro voatondro fa hivorian’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresy notendren’ireo firehana telo etsy Tsimbazaza. Dia ahoana?

Fetin’ny ankizy ny Krismasy, tsy dia ivakiany loha izay politika, ka asa raha hijery an’izany ireto lehibe ireto, na dia tsy hiraharaha ka hanao hoe ‘ny resak’ankizy tsy hidiran’ny olon-dehibe’, ary dia hitozo amin’ny làla-nofinidiny amin’ilay hoe  » ‘ndao! ‘zao de ‘zao! Izay alehany any alehany’  »

Manandafy moa dia nitsotra fa izy sy ny MFM no tena atidoha nikotrika izao fikendrena sy ezaka fanalàna an’ingahy Andry Rajoelina amin’ny toerany izao. Nolazainy fa ‘nalemy ary malemy ny TIM, ka tsy maintsy ry zareo no nanosika fa raha tsy izany tsy nisy izao gidragidra izao’. Tenin’ingahy Manandafy ireo tao amin’y TV Plus nandritra ny fandaharana ‘2009 une année de crise’.

Dia mbola manontany indray aho: NY AN’IZA NO MARINA?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :