Manangam-bovona…

Efa nosoratako teto indray andro ny tenina filoha iray teo aloha (tany amin’ny 80/90 tany) nanao hoe ‘ny tanora ankehitrio no tompon’ny taona 2000′.

Taorian’ilay fivoriana nataon’ny firehana 3 tetsy amin’ny Carlton Anosy, sy nanendren’ireo firehana ireo ny ho mpikambana ao amin’ny Kongresy, dia niakatra sehatra ny tanora avy ao amin’ny antoko AREMA ka naneho ny alahelony.

Nolazain’izy ireo fa mitohy hatrany ny kiantranoantrano ao anatin’ity antoko ity, tsy taloha ihany, fa mitohy mandraka ankehitriny. Nolazain’izy ireo fa tsy ekeny ary toheriny izany fanendrena izany, satria tsy nisy mihitsy fijerena ireo tanora. Natao toy vato natsindry ahazana izy ireo raha ny fandikàna tsotra ny zavatra nolazaina.

Manangam-bovona izany ny tanora ka miantso fihaonamben’ny tanora AREMA manerana ny Nosy izy ireo araka izany mba handinika ny momba ity raharaha ity, sy hamerina hanendry ireo olona 52 tokony hatolotra ho mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita.

Nambaran’izy ireo fa manana ny QG (na foiben-toerany ny firehana roa hafa: Ravalomanana eo amin’ny MAGRO, Zafy Albert eny amin’ny Villa Elysabeth) fa mba aiza kosa izay mba QG ho an’ny firehana Ratsiraka? Tsy misy hoy izy ireo, fa olona vitsivitsy, fianakavian’ny mpitantana ny antoko sy ny havany ihany no mivorivory any ankatakonana any, mandamina ny fiainan’ny antoko sy manao izao fanendrena rehetra izay lavin-dry zareo izao.

Manao sonia izany fanambarana fandàvana izany moa ny avy amin’ny tanora anatin’ireo sampana AREMA rehetra misy, toy ny MAREMA, ACEM, sns…

2 Réponses

  1. jereo fa ry deba ,ambaraky ny efa gila dia mbola te hitondra foana ,taiza no nisy hotran’izany

  2. ireo angaha mahalala voky raha tsy efa maty,i Ravalomanana izany heveriny lovany t@ Rajaona sy Razanamanana ny fanjakana ka ho izy hiany no eo,manao Andriamanitra tsy misy

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :