Misy maty …ireo tavela atsy Afrika Atsimo

Somary manaitra anao angamba ny lohateny, saingy ity no solon’ireo « teboka telo’ eo anelanelany.

Misy maty zanaka (12 taona) ireo tavela atsy Afrika Atsimo, rehefa avy any Maputo. Zanak’ingahy RATSIMBAZAFY Heritafika.

Teny avy amiko: Akaiky ny Noely, maneran-tany dia misy ny fampirimana ny famaky sy ny langilangin’ady rehefa akaiky toy izao ny Noely. Io ilay antsoina amin’ny teny mahazatra hoe ‘trève’.  Na tsy nisy aza ity fahoriana ity, tsy ho azo natao ve ny nampandefitra hambom-po? Sa dia efa lalina dia lalina loatra ny tsy fahaizana mifandefitra, sy ny tsy fahaizana mifanaja eo aminareo samy mpanao politika Malagasy ireto?

Asa raha tena fitiavan-tanindrazana tokoa no mibaiko anareo firehana rehetra ireo (ianareo efatra mihitsy), na fitiavan-tena, fa ianareo no manao sangodina, dia ny vahoaka no fanina. Mahagaga.

Hita sy re!

RE fa nahavita 30.000 km nitety faritra maro teto Madagasikara ny Minisitry ny mponina. Eny antsisiny eny koa moa dia mandeha ihany ny dokambarotra ho an’ny savony vita malagasy ( tsy dia hitako loatra izay maharatsy azy).

RE ihany koa eny anivon’ny fiarahamonina ny fanantenan’ny maro fa ho avy hanattrika ny antso fivoriana nataon’ny GIC etsy amin’ny Carlton amin’ny Alakamisy izao, hono, i RATSIRAKA sy RAVALOMANANA.

Fa mbola teny an-dalambe rehetra teny koa  no nahaREnesana fa tsy ilaina, hono, ny fodian’ireny telo lahy (raiamandreny) tsy nitondra ny firenena ho amin’ny tokony ho izy ireny (aoka ho azy manokana niteny azy ny azy), indrindra, hono, fa RATSIRAKA izay nilaza tamin’ny taona 80/90 tany ho any fa ‘ny ankizy ankehitrio no tonmpon’ny taona 2000’, nefa midongy ny hisisika amin’ny fitondrana foana na dia efa ho 10 taona aty aorian’ny taona 2000 aza.

HITA mameno ny pejy voalohany amin’ireo gazety maro samihafa androany maraina koa ny filazana fa ‘tsy hahazo misidina ny habakabaka SADC’ ny fiaramanidina AIR MAD. Koa raha izany, hiodina any Seychelles ve vao mamonjy toerana hafa, sa ahoana?

HITA ihany koa fa tsy azo omena fahalalahana ny Malagasy (raha ny hita etsy amin’ny faritr’i Behoririka no jerena). Vao nilaza ny kaominina (CUA) fa mahazo mivarotra ireo mpivarotra amoron-dalana hatramin’ny 04 janoary 2010, dia lehilahy ianao raha tsy sorena mandalo amin’io faritra lazaiko io. Raha làlana tokony hilaharan’ny fiara 3 mantsy no eo isan’andro, dia zara aza raha afaka mandeha sy misisika eo ny fiara tokana. Ireo nitaky sy nomena ny fahalalahana no mameno ny an-droatokon’ny arabe.

Fa mbola HITAnao ihany koa  ny fako mipongatra avy any rehetra any rehefa injay ka mirotsaka be iny orana. Dia aingaina daholo na zipo na pataloha mba hamonjena ny anton-dian’ny tena. Rahoviana no hahazo ny fiadanany ny faritra iva? Asa angamba atsy ho atsy…Enga isika tsy ho lany vatsy.

HITA ihany koa fa dia miasa tsy misy mpanohintohina amin’ny fanelingelenana fifamoivoizana efa nahazatra azy ireo mpivarotra fiara amoron-dàlana. Tsy ny fahasorenana ihany no azo amin’izy ireto fa ny loza koa no tena ahiana mafy, satria dia voatery midina anaty arabe ny mpandeha an-tongotra rehetra.

Ankoatra izay, mangingina ny fanomanana fety, asa na samy matahotra ny ho faty ka samy mitsitsy ny eo an-tanany ( izay rehetra eo an-tanana mihitsy io)

HITAko  koa aty amparany fa tena mbola hendry ny Malagasy, fa raha tany Afrika no nisy olana toy izao iainana eto Madagasikara izao, dia efa rà nandriaka sy namonto itony tany no HITA sy RE