Ho Praiministra ve Mounibou Ismael?

Samy mbola mahatsiaro angamba ny Malagasy rehetra fa naneho hevitra ny fianakaviamben’ny tafika tamin’ity herinandro ity, ary nandritra izany no nanambaràny fa ‘vonona izy ireo handray andraikitra, raha misy andraikitra iantsoana azy’. Tafiditra anatin’izany ny resaka departemanta ministerialy.

Tamin’iny herinandro lasa iny koa, na dia tsy dia natao naresaka loatra aza, dia nihaona ny CEMGAM fony andron’ingahy RATSIRAKA Didier, sy ingahy Andry RAJOELINA. Tsy dia nalaza io fihaonana io, nefa tsy niafina tamin’ny lava maso sy ny lava sofina ihany koa na dia izany aza.

Mipetraka ary ankehitriny ny fanontaniana:

1 *Moa ve misy ifandraisany amin’ny tohin’ny dinika Maputo III, sy ny filazan’ingahy Andry RAJOELINA ny amin’ny handraisany andraikitra, sy ny tsy fahazotoany intsony hiara-mitantana amin’iretsy firehana hafa izao zava-misy izao?

2 * Ny Jeneraly Ismael Mounibou ve no handrafitra ny gouvernemanta iraisan’ny Sivily sy miaramila (raha ho amin’izay zotra izay no hiafaran’ilay dinika)?

3 * Raha toa tokoa ary ka itsy teboka faharoa no hiafarany, hanaiky an’izay ve ny valala tsy mandady harona, sy ny fianakaviam-be iraisam-pirenena? – izay rehefa dinihana dia toa izy ireo mihitsy aza no nanao izay hampikatso sy hampitarazoka ity raharahan’ny samy Malagasy ity –

Efa manomboka indray mantsy izao  ny fnamelohan’ireo firenena vahiny ny dinika natao tany Maputo III . Fa inona marina no tiana hahatongavana e?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :