Lavo ny Andrarezina iray…

Anaty alahelo indray ankehitriny ny tontolon’ny fampahalalam-baovao eto Madagasikara sy ny tontolon’ny zavakanto.

Nodimandry omaly alina tamin’ny 7-ora sy sasany, teo amin’ny faha 77 taonany i RANDRIANASOLO Raymond, izay sady mpiasan’ny Radio National Malagasy (RNM), no mpisehatra HiraGazy ihany koa.

Tsy mbola fantatra aloha hatreto izay fandaminana hataon’ny Ministera manoloana ity famoizana olo-manga ity. Fa mino izahay: tsy ho latsa-danja noho ny tamin’ny namoizan’i RANDRIANASOLO Raymond ny zandriny RAMILISON Besigara, tsy ela akory izay. Marihana fa ny fisarahana an-tany tamin’io zandriny io (mpanao hiragasy malaza daholo izy mirahalahy) no isan’ny nanamafy ny aretin’itompokolahy (aretin’ny voa (reins) ka nampidirana hôpitaly azy fotoana vitsivitsy lasa izay tao amin’ny HJRA.

Izy no niandraikitra ny fandaharana manokana (…Vavahady, raha tsy diso aho) tao amin’ny RNM, ka nezahany nampivoitra ireo hainteny sy ohabolana Malagasy tao anaty sombin-tantara iray isaky ny fandaharana.

Mirary fiononana ho azy sy ny ankohonany ny GazetyAdaladala.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :