‘World Raid’

Nalaza tamin’ny ‘Mada Raid‘ ilay iraikalahy nisatroka penjy izay tamin’ny fotoan’androny. Nahavita nitety faritra maro teto Madagasikara tamin’ny ‘4 fois 4’  mantsy izy. Ary dia izay no nataon’ny sasany hirahira nony avy eo.

Androany kosa dia izaho no mba hihirahira, fa ry zareo ankehitriny indray dia halaza atsy ho atsy amin’ny ‘World Raid‘. Nahoana hoy ianao? Araho kely ary ny fanazavako azy:

Nitranga ny olana teto Madagasikara, tsy nety novahana raha tsy nadehanana tany Maozambika (in-droa mihitsy an!) mba hanendrena ireo izay ho mpitarika ity firenena ity. Dia nahazo tokoa moa izany nony ela ny ela. Nahazo ny praiminisitra e! Dia arahabaina fa nitera-dahy.

Tsy nitsahatra teo fa mbola tsy maintsy nandeha nivoaka ny faritry ny Nosy indray mba hanendry izay tena ho filoha hitantana ny tetezamita, ka tonga tany Addis-Abeba. Dia mbola arahabaiko koa fa tera-dahy fanindroany. Ary tonga dia kamban-telo an!

Dia mitohy ihany ny tantara, satria izao indray dia saro-piterahana governemanta ny Malagasy ka dia tsy maintsy hijery renivohitra hafa (ankoatr’ilay VALALAN’AMBOA). Ary dia any , hono, no ho hita na lahy na ho vavy no teraka eo. Tenin’ingahy Fetison Rakoto Andrianirina io. Ary dia re, honohono, ihany koa fa tsy mahalala velively ny amin’izay fanapahan-kevitra izay andriamatoa Andry RAJOELINA. Tsy ataoko mahagaga satria toy ny zaza ‘siamois‘ no fahitako an’ity fitondrana tetezamita ity: vatana iray, tànana roa, tongotra roa, saingy loha anankitelo; loha telo samy manana ny masony, izay tsy voatery hitodika amin-javatra iray tokony hiraisana; orona tsirairay avy izay samy haheno fofona mitovy saingy, atidoha telo samy hànana ny fandikàny ho azy manokana ny fiaviana sy ny fiantraikan’ilay fofona ren’ny orony tsirairay teo. Hafahafa an! Mahagaga! Nefa dia izay no fahitako azy.

Raha io no jerena dia tsy ilay hoe ‘ny biby tsy manan-doha, tsy mandeha‘ irery intsony no ohabolana milaza tsy fandehan-javatra, fa misy vaovao tokony hapetraka , dia ny hoe ‘ny biby maroloha tsy mihetsika‘, satria dia tsy mihetsika tokoa ny raharaham-pirenena hatreto.

Fa izay mahalasa ny saiko sy tiako hahatongavana dia ity: tena tsy azo anaovana na inona na inona, ary tsy mendrika hifampidinihana ve eto amin’ity Tanindrazantsika ity?

Raha mitohy mantsy izao zava-mitranga izao, dia ahiako ho na ny fanapahana izay ho Tale isan-karazany any amin’ireny Ministera ireny, na ny Sefo madinidinika,  eny fa hatramin’ny Sefom-pokontany aza angamba dia mbola hidongy hanao ‘World Raid’ koa ny sasany vao hanaiky fa hoe ‘izay no tapaka, io no laniera’.

Sambatra ihany ianareo ao ambony ao zalahy ka! Afaka mitsangatsangana amin’ny volabe-nareo. Afaka manao fandaniana mihoam-pampana (raha tena marina fa handeha hivoaka isaky ny misy manahirana).

Hendry vahoaka aloha ianareo hatreto, nefa tandremo fa ity misy fiteniko matetika amin’ireo zatra manararaotra ny fahatsorana indraindray. ‘Rehefa matory aho, mivonkina. Fa raha taitra tampoka aho, mitsipaka ambava-fo

‘AZA MANADINO ANAAY E!  ‘NAREO ‘ZAY ANY AMBONY ANYYY

ASA RAHA MISY MANDRAAY E! ‘ZANY VAVAKAY IZANY!

Hoy Alain RAMAROSON tao amin’ny TVM androany hariva hoe: Raha te-hiasa any ivelany any,hono, ingahy Fetison, dia afaka mandeha miasa any. Fa tsy maimay fotsiny holaniana ho co-president de la Tansition, nefa tsy hahatapaka ahitra, fa tsy maintsy handeha haka ny hevitry ny filohan’ny firehana misy azy isaky ny misy fanapahan-kevitra tokony horaisina.

Nilaza tokoa mantsy ingahy Fetison fa isan’ny antony hanaovana ilay fivoahana ny tsy maha eto an-toerana ireo roalahy filohana firehana (Ratsiraka sy Ravalomanana)

Fanampim-baovao (23/11/2009) : izay olona rehetra anontaniana eny an-dalàna dia samy tsy mankasitraka daholo intsony ny hivoahana any ivelany, isak’izay hitady vahaolana. Misy mihitsy aza no milaza fa raha tena tia tanindrazana marina izy efa-dahy, dia ORA IRAY FOTSINY DIA EFA VOATOLOTRA NY GOVERNEMANTA. Asa aloha e! Ny vahoaka angaha moa mba manam-pidiny. Izay tian’izy efa-dahy ihany io. Ce que j’aime, hoy ilay hira iray izay.

Ankoatra izay dia miverina isan’andro indray izao ny fivoriana etsy amin’ny MAGRO Ankorondrano mandra-pivoak’ireo gadra politika rehetra.

2 Réponses

  1. mba mirediredy koa ito article ito. Inona no mbola nandehana nifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba raha nahavita irery an’io, izao mbola be vava ihany. Aza omena toerana i Fetison raha mafy be dia ho hita eo raha ho tafavoaka. Efa sivy volana izay tsy nety nahazo reconnaissance internationale koa be vava eo ihany. Natao daholo ny vava rehetra nanomboka t@ hoe ratsy sy devoly Ravalo kanefa naninona no mbola nifanaraka taminy ihany rehefa tapi-dala-kaleha. Raha nahavita irery an’io naninona no tsy natao.

    Ahoana tsara moa hoy i Ramaroson: na any Genève na tsy misy, ary tsy izay tian’i Ravalo foana akory no atao. Nefa inona koa fa maika ery nakany Addis Abeba. Raha be vava ohatra izany naninona raha nijanona fa tsy nisisika ny ho any Addis Abeba.

    Lazaina fa mahavita tena ary tsy mila ny bailleur de fonds nefa nony efa nanomboka tsy tafavoaka milelaka ny v…ny ihany.

    Aiza daholo moa izao ireny fampanantena natao teny @ 13 mai ireny. Vary morabe, menaka morabe, sns… hanjaka ny demokrasia kanefa vao navoakan’ny Reporter sans frontière dia classement de la liberté de presse lasa 134ème nefa t@ andron’i Ravalo 94ème. Fihemorana ve izany sa fandrosoana, anjaran’ny mpanoratra ny article no mitsara azy.

    Ny rehetra izao efa sahirana @ vidim-piainana miakatra andro aman’alina fa ny Putschiste tsy mety mahatsapa an’izany, mbola laozana mamafy lainga foana.

    Tsisy zavatra nihatsara mihintsy hatrizay nahatongavanareo putschiste teo @ fitondrana, ny efa nitsangana aza noravanareo. Jereo firy izao no chômeurs, mihamitombo ny mahantra sns…

    Efa tsy eo Ravalo koa maninona no tsy atsaraina daholo ireny nokritikenareo taloha ireny. Sa moa izao no tena tanjona t@ ilay tolona, dia tsy inona izany fa ny hampahantra ny vahoaka Malagasy.

    • Valin-teny ho an’i Hery : angamba raha mandinika tsara an’io lahatsoratra io ianao dia samy mahazo ny anjarany ao daholo na ny olona andrianinao, na izay halanao mainty. Koa mba mahaiza mamaky sy mijery tsara. Raha miteny aho hoe AZA MANADINO ANAY IANAREO ANY AMBONY ANY, dia tokony ho fantatrao raha manaraka ny raharaham-pirenena ianao, fa TELO LAHY MISAINA BE no ao ambony ao. Raha miteny aho hoe ‘Hendry vahoaka ianareo‘, tokony ho fantatrao fa ny ‘ianareo’ lazaiko eto dia ireo izay mihevitra ny tenany ho FILOHA amin’izao TETEZAMITA IRAISANA izao, ary raha miteny aho fa ‘Sambatra ihany ianareo ao ambony ao zalahy ka! Afaka mitsangatsangana amin’ny volabe-nareo. Afaka manao fandaniana miohoam-pampana (raha tena marina fa handeha hivoaka isaky ny misy manahirana).’ dia tokony ho fantatrao koa fa mbola ireo mpitondra ao ambony ao ireo no tondroina amin’io, na izy handeha jet privé,na hiantohan’ny GIC sns… Koa mahaiza mamaky sy mandalina fa aza tonga dia manao ilay hoe rehefa halako dia tsy misy dikany, ary rehefa tiako dia laniko hatramin’ny malotony.

      Jereo fa na ny GIC izay nodradradradrain’ny andaniny fahiny , ary avy eo nolelafin’ny ankilany indray, ry zareo aza niteny fa tsy misy ilàna ny mandeha any an-dafy izany fa tokony ho efa raharahan’ny samy Malagasy ny famahana an’io, ary inona hoy izy no tsy anaovana VisoConférence raha fihaonana sy resaka mivantana no ilaina. Raha tsy hoe angaha ka ilaina mihitsy ny mifampikasi-tanana eo amin’izy efa-dahy vao vita ny resaka. Raha izay dia ilaina ny hihaonana vatana, fa raha tsy izay dia ataoko fa efa mba misy ny teknolojia avo lenta ahafahana manao io lazain’ny GIC io daholo ny firenena maro, ka na eo ambony fandriana aza ingahy ANDRY, any amin’ny piscine ingahy RAVALO, any amin’ny hotely FETISON, any amin’ny Villa ELISABETH i RAKOTOVAHINY, tsy hitako izay tsy anaovana an’izay. Sa sanatria ve hisy hanao fanahin-jaza ka hoe rehefa tsy te-hiresaka dia, toy ny telefaonina, tapahana dia vita, sady arahana teny anakampo hoe: ‘f’angaha elaisany mahita na afaka mankaty amiko?’ Asa re ry zareo, fa dia miandry izay te-hahita e! Isany aho…

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :