‘World Raid’

Nalaza tamin’ny ‘Mada Raid‘ ilay iraikalahy nisatroka penjy izay tamin’ny fotoan’androny. Nahavita nitety faritra maro teto Madagasikara tamin’ny ‘4 fois 4’  mantsy izy. Ary dia izay no nataon’ny sasany hirahira nony avy eo.

Androany kosa dia izaho no mba hihirahira, fa ry zareo ankehitriny indray dia halaza atsy ho atsy amin’ny ‘World Raid‘. Nahoana hoy ianao? Araho kely ary ny fanazavako azy:

Nitranga ny olana teto Madagasikara, tsy nety novahana raha tsy nadehanana tany Maozambika (in-droa mihitsy an!) mba hanendrena ireo izay ho mpitarika ity firenena ity. Dia nahazo tokoa moa izany nony ela ny ela. Nahazo ny praiminisitra e! Dia arahabaina fa nitera-dahy.

Tsy nitsahatra teo fa mbola tsy maintsy nandeha nivoaka ny faritry ny Nosy indray mba hanendry izay tena ho filoha hitantana ny tetezamita, ka tonga tany Addis-Abeba. Dia mbola arahabaiko koa fa tera-dahy fanindroany. Ary tonga dia kamban-telo an!

Dia mitohy ihany ny tantara, satria izao indray dia saro-piterahana governemanta ny Malagasy ka dia tsy maintsy hijery renivohitra hafa (ankoatr’ilay VALALAN’AMBOA). Ary dia any , hono, no ho hita na lahy na ho vavy no teraka eo. Tenin’ingahy Fetison Rakoto Andrianirina io. Ary dia re, honohono, ihany koa fa tsy mahalala velively ny amin’izay fanapahan-kevitra izay andriamatoa Andry RAJOELINA. Tsy ataoko mahagaga satria toy ny zaza ‘siamois‘ no fahitako an’ity fitondrana tetezamita ity: vatana iray, tànana roa, tongotra roa, saingy loha anankitelo; loha telo samy manana ny masony, izay tsy voatery hitodika amin-javatra iray tokony hiraisana; orona tsirairay avy izay samy haheno fofona mitovy saingy, atidoha telo samy hànana ny fandikàny ho azy manokana ny fiaviana sy ny fiantraikan’ilay fofona ren’ny orony tsirairay teo. Hafahafa an! Mahagaga! Nefa dia izay no fahitako azy.

Raha io no jerena dia tsy ilay hoe ‘ny biby tsy manan-doha, tsy mandeha‘ irery intsony no ohabolana milaza tsy fandehan-javatra, fa misy vaovao tokony hapetraka , dia ny hoe ‘ny biby maroloha tsy mihetsika‘, satria dia tsy mihetsika tokoa ny raharaham-pirenena hatreto.

Fa izay mahalasa ny saiko sy tiako hahatongavana dia ity: tena tsy azo anaovana na inona na inona, ary tsy mendrika hifampidinihana ve eto amin’ity Tanindrazantsika ity?

Raha mitohy mantsy izao zava-mitranga izao, dia ahiako ho na ny fanapahana izay ho Tale isan-karazany any amin’ireny Ministera ireny, na ny Sefo madinidinika,  eny fa hatramin’ny Sefom-pokontany aza angamba dia mbola hidongy hanao ‘World Raid’ koa ny sasany vao hanaiky fa hoe ‘izay no tapaka, io no laniera’.

Sambatra ihany ianareo ao ambony ao zalahy ka! Afaka mitsangatsangana amin’ny volabe-nareo. Afaka manao fandaniana mihoam-pampana (raha tena marina fa handeha hivoaka isaky ny misy manahirana).

Hendry vahoaka aloha ianareo hatreto, nefa tandremo fa ity misy fiteniko matetika amin’ireo zatra manararaotra ny fahatsorana indraindray. ‘Rehefa matory aho, mivonkina. Fa raha taitra tampoka aho, mitsipaka ambava-fo

‘AZA MANADINO ANAAY E!  ‘NAREO ‘ZAY ANY AMBONY ANYYY

ASA RAHA MISY MANDRAAY E! ‘ZANY VAVAKAY IZANY!

Hoy Alain RAMAROSON tao amin’ny TVM androany hariva hoe: Raha te-hiasa any ivelany any,hono, ingahy Fetison, dia afaka mandeha miasa any. Fa tsy maimay fotsiny holaniana ho co-president de la Tansition, nefa tsy hahatapaka ahitra, fa tsy maintsy handeha haka ny hevitry ny filohan’ny firehana misy azy isaky ny misy fanapahan-kevitra tokony horaisina.

Nilaza tokoa mantsy ingahy Fetison fa isan’ny antony hanaovana ilay fivoahana ny tsy maha eto an-toerana ireo roalahy filohana firehana (Ratsiraka sy Ravalomanana)

Fanampim-baovao (23/11/2009) : izay olona rehetra anontaniana eny an-dalàna dia samy tsy mankasitraka daholo intsony ny hivoahana any ivelany, isak’izay hitady vahaolana. Misy mihitsy aza no milaza fa raha tena tia tanindrazana marina izy efa-dahy, dia ORA IRAY FOTSINY DIA EFA VOATOLOTRA NY GOVERNEMANTA. Asa aloha e! Ny vahoaka angaha moa mba manam-pidiny. Izay tian’izy efa-dahy ihany io. Ce que j’aime, hoy ilay hira iray izay.

Ankoatra izay dia miverina isan’andro indray izao ny fivoriana etsy amin’ny MAGRO Ankorondrano mandra-pivoak’ireo gadra politika rehetra.

Publicités

Fomba hiarovana ny tena amin’ny gripa AH1N1

Indro atolotra anao araka ny efa nampanantenaina ny fomba tsotra azo iarovana ny tena sy ny ankohonana amin’ny areti-mandoza, gripa AH1N1. Dia mbola entanina foana ny hanapariahanao izany amin’ireo havana, tapaka sy namana. Ny fiarovanao ny hafa dia efa fiarovanao sahady ny tenanao.

AROVY AMIN’NY GRIPPE AH1N1 NY TENANAO

1. SASAO MATETIKA AMIN’NY SAVONY NA LAVENONA NY TANANAO

2. FADIO NY MIKASIKA MATETIKA NY TAREHINAO AMIN’NY TANANAO

3. MIHINÀNA SAKAFO BE OTRIK’AINA, MITONDRA HERY FIAROVANA TOY NY VITAMINE C IZAY HITA AO ANATY ANA-MAITSO SY LEGIOMA ARY NY VOANKAZO OHATRA :

 PERSILY
 LAISOA MAITSO
 POIVRON MENA
 POIVRON MAITSO
 ANANDRANO
 TONGOLO MAITSO
 PAPAY
 FREZY
 VOASARY (MAKIRANA , MANDARINE, PAMPLEMOUSSE…)
 MANGA
 GOAVY
 LETCHI
 VOAROY

NY ATI-KENA KOA DIA ANISAN’NY BE VITAMINE C


NY SPIRULINE DIA VOALAZA FA MANAMAFY KOA NY HERY FIAROVANA

4. MISOTROA RANO MAFANA MATETIKA

5. MANAOVA GARARAKA INDROA ISAN’ANDRO AMIN’NY RANO MAFANA NASIANA SIRA

6. SASAO AMIN’NY RANON-TSIRA INDRAY MANDEHA ISAN’ANDRO FARAFAHAKELINY NY ORONAO

7. MANAOVA EVOKA RAHA MAHAZAKA IANAO (MAMONO NY OTRIK’ARETINA NY ENTONA MAFANA)

8. ATAOVY ARA-DALÀNA NY TORIMASO

9. AZA MIFANERASERA AKAIKY AMIN’NY OLONA VOALAZA FA MARARIN’NY GRIPPE AH1N1 MANDRA-PAHASITRANY NA MANÀOVA MASQUE