Libanona: mbola hisy ve ny handeha?

 

Lahatsoratra iray notsongaiko tao anaty Midi-Madagasikara nivoaka tamin’ny aterineto androany 10-11-2009 no entiko etoana, ho fanampin’izay efa re sy fantatry ny maro hatry ny ela, nefa kosa toa odian’ny Agence de placement ialàna bàla foana rehefa miresaka sy manazava ny manjo ireo mpiasa nalefa ‘hanompo’ any Libanona ry zareo. Eny Ambohipo eny no misy ny iray amin’ireo agences de placement mpandefa olona any ireo. Ity lahatsoratra ity

Travail au Liban

Entre l’enfer et la « belle vie », l’incertitude… deux femmes témoignent

dia nosoratan’i Hanitra R. ary tamin’ny teny frantsay. Maro anefa ny olona no tsy dia hahay daholo ny teny frantsay, ka ezahako fintinina amin’ny fomba malalaka ihany amin’ny teny Malagasy ilay izy. Betsaka amin’ireo vehivavy maniry ny handeha any no avy eny amin’ny ‘tanana ambany’ (famaritan’ny maro ny tanàna toa an’Antohomadinika, Isotry sy ny manodidina toa azy io). Mazava be araka izany raha tsy dia mahafehy teny vahiny ny maro aminy, ka dia mitranga izay tsy nampoizina rehefa misy ny olana tokony hifanakalozan-kevitra, nefa ny teny tsy hifankahazo 100%.

Inty ary atolotro anao ny fintina avy amiko:

**************************X***************************

Asa any Libanona

Anelanelan’ny afobe sy ny « fiainan-tsambatra », ny fisalasalàna… mijoro ho vavolombelona izy roavavy

Nanohina ny maro ireo trangam-pahafatesana nahazo ireo mpiasa vavy nalefa tany Liban, ary vao mainka nampametram-panontaniana ny maro ny fahitàna ny vatana mangatsiakan’ny iray tamin’izy ireny tonga farany teo. Nanaitra ny sain’ny tomponandraikitry ny Ministeran’ny asa ihany koa ilay tranga ka niafara tamin’ny fampiatoana ny fandefasana olona hiasa any Liban sy ny fijerena manokana ny tontolon’ny asan’ireo efa any an-toerana. Sarotra tamin’ireo olona niasa tany Liban ny nijoro ho vavolombelona tamin’ny fotoana teo aloha raha nisy roa tamin’izy ireo kosa azon’ny gazety nifampiresahana, saingy tsy nanaiky ny halaina sary.

F.R. 27 taona Fianakaviana mahay ny teny frantsay no niasany ary tsy dia nila loatra ny nahafehy ny teny fampiasa ao an-toeran izy noho izany. Tsy araka izay nanetenainy ny zavatra nihatra taminy satria olona mahery setra (na ny mpampiasa, tsy lahy tsy vavy, na ireo zanany lahy), ary dia mandeha ny daka sy totohondry, hatramin’ny fisintonana volo raha vao misy zavatra kely sy bitika tsy mifanaraka amin’ny eritreritr’ireto mpampiasa. Asaina soloiny ny sandan’ny sakafo sendra diso nahazoazo sira. Tamin’ny fiafaran’ny fifanarahan’asa tao amin’io fianakaviana iray io dia niova mpampiasa izy fa menatra ny hody tsy manana na inona na inona. Nefa niala an’Ankatso dia Ambohidempona, satria ankoatry ny herisetra ataon’ny mpampiasa dia manampy trotraka koa ny havany. Misy amin’ireo havan’ny mpampiasa no mangataka firaisana ara-nofo aminy mihitsy, ka mandrahona ny hitoroka azy main’ny zavatra tsy natao rehefa tsy manaiky. Nolaviny hatramin’ny farany izany, raha ny filazany, ary dia naleony nody an-tanindrazana. Roa taona izy no tany Liban

Namany iray indray kosa no nilaza fa nasaina nanao asa tsy sahaza azy velively, toy ny fitaterana lasakan-tsimenitra ampolony, izay tsy an’ny mpampias azy akory fa an’ny rahalahiny. Nasaina nanadio ny efitrano sy ny fitaratra tany ivelan’ny rihana faharoa izy (nefa tsy misy fiarovana akory) ka rehefa mandà dia iharan’ny daroka. Narary azy ny lamosiny, màngana…mandeha rà ny orona, nefa tsy afaka mamonjy mpitsabo.

Ireo mpiasa vavy sasany izay mba afaka mivoaka tsindraindray dia mifamotoana amina toerana efa mahazatra falehan-dry zareo, mifampizara vaovao, mifampihaino na mandeha mitsidika ny tanana ivelan’i Libanona. Ireo no sendra ny mpampiasa ‘tsara’. Mahazo volana iray isan-taona ho fialan-tsasatra. Saingy sahirana ny sain’izy ireny mieritreritra ny mahazo ireo namany sendra ny mpampiasa ‘ratsy’ nefa tsy afaka manao na inona na inona ho famahana ny olany

Ho an’ireo vehivavy nisafidy ny handeha hiasa any Libanona, dia tsy miankina amin’izy ireo ny ho tojo mpampiasa tsara fanahy, fa dia ankinina tanteraka amin’ny kisendrasendra.

**************************X***************************

Fehiny: Hoy ny ohabolana Malagasy hoe « Vavan-kisoa misy sira io rey olona, ka tokinao hihinana azy »

 

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :