Famindràna Taova, fanolorana taova, rà sns…

Zavatra tsy vaovao amin’ny rehetra intsony izany hoe manome rà izany. Maneran-tany io, ary mahavonjy aina maro tokoa rehefa sendra misy loza na aretina ilàna rà, na taova maika. Izany hoe aina no hovonjena.

Hita saiky manerana ireo toeram-pitsaboana lehibe manerana izao tontolo izao ny antsoina hoe Bankin-drà (Banque de sang).

Zavatra tsy dia mbola misy ary tsy mahazatra ny sofin’ny Malagasy kosa anefa ny « famindràna, na fanolorana taova » (don d’organes) toy ny voa, fo, àty… Betsaka anefa no manao azy io any ampita any, ary tena vidiana lafo tokoa. Ity farany ity no tena ho fototry ny resaka, raha somary hodinganintsika kely kosa ny momba ny rà.

Mba fantatrao ve ny zavatra rehetra manodidina izay « famindràna, na fanolorana taova » izay?  ‘Ndeha mba ho resahana e! Ny mifehy  ny any ampita aloha no aroso etoana noho izy io mbola tsy dia mipetraka loatra ho an’i Madagasikara. Resahana satria nankalazaina ny 17 Oktobra teo mantsy ny andro fahadimy eran-tany natokana ho an’ny fanolorana taova.

1* Tokony ho maimaim-poana ny fanomezana azy, ary nisy fanekena natao mialoha, tsy itononana anarana na ho an’ny mpanome na ny mpandray.

2* Alaina amin’olona velona izy io , na amin’olona vao avy nindaosin’ny fahafatesana

2.a* Ny olona velona azo akàna dia ireo olona efa feno taona araka ny lalàna ary manaiky hamonjy havana akaiky azy (an-tsitra-po). Tsy maintsy atao fantany mialoha anefa ny mety ho vokatry ny hetsika atao, na eo aminy izany , na eo amin’ilay hamindràna ny taova, ka eo anatrehan’ny tomponandraikitra voafaritry ny lalàna no anaovany fanekena, fanekena izay tsy maintsy raketina an-tsoratra ary entina any amin’ilay toeram-pitsaboana hanao ny famindràna taova.

Voaràra kosa ny fakàna azy eo amin’ny zaza, na olona napetraky ny lalàna ho eo ambany fiahian’ny olona iray voatondro mazava. Misy ihany anefa famelàna ny fanaovana azy ity eo amin’ny zaza (izay tsy afaka mandà amin’io fotoana io) raha toa ka nandalo ny ambaratonga rehetra tandrify sy mpanome alàlana izany, ary natao hamonjena ny iraitampo amin’ilay zaza hakàna ny taova (ohatra moelle osseuse). Ny fanekena entina any amin’ny toeram-pitsaboana hanao ny famindràna dia ny an’ny raiamandreny na ny mpiahy sy ny an’ilay zaza hakàna ny taova.

2.b* Azo atao ny maka taova amin’ny maty raha tsy nanao fanohanana ilay olona fony fahavelony, saingy tsy maintsy arahana ireto fepetra ireto:

– efa nanaovana fanamarinam-pahafatesana ilay olona

– natao hitsaboana ,na asa hafa mikasika ny siansa no antony hakàna ny taova

– tsy tokony ho mpitsabo anaty vondron’asa iray no nanao ny fanamarinam-pahafatesana, ny fakàna ny taova, ny fametrahana izany amin’olon-kafa aty aoriana.

– ireo nakà ny taova dia tsy maintsy mamerina amin’ny endriny naha-izy azy  ny vatana mangatsiaka nakàna izany.

Ny olona efa voataratra fa niato ny fitepon’ny fony, ary tsy mifoka rivotra intsony tao anatin’ny 4 ora raha kely indrindra no tena anaovana ny fakàna taova. Misy fetran-taona (55)  ihany koa anefa ny fanolorana taova mba ho azo hafindra, saingy tsy voakasik’izany kosa ny famindràna voamaso.

Dieny mbola velona ny olona iray dia efa afaka manolotra ny tenany manontolo ho an’ny fikarohana ara-tsiansa, ka ataony an-taratasy sora-tànany vita sonia izany, ary omena karatra manamarina izany izy avy eo.

Ety am-pamaranana dia lasa ihany ny saina mahatsiaro ireo olona, na zaza tsy hita marobe antsoina matetika amin’ny fampielezam-peo, na avoaka an-gazety. Ao ireo nandositra ny akaniny noho ny ditra, ao ireo nisy naka an-keriny noho ny antony ara-bola ka avotsotra rehefa vita ny nilàna azy, fa ao dia ao tokoa ireo nisy nàka an-keriny àry any dia tsy hita. Manahy ny maro fa sao dia itony resaka fitadiavana taova hafindra amin’ny marary any ivelany any itony no ao ambadik’izany fanjavonana tanteraka izany. Voalaza mantsy fa efa hatramin’ny taona 2008 no tsy maharaka ny taova tokony hamonjena marary any Eraopa ary maro no maty eo ampiandrasana izany. Manampy trotraka izany koa moa ny tsy fisian’ny vaovao mazava avy amin’ny tomponandraikitra nanankinana ny raharaha toy izany. Dia sanatria ve mbola misy mpangalatra olona eto Madagasikara eto e? Aza hitako

******************************xxxx***************************

Aza adino ny mitsidika ny BOMBS 2009 sy manohana ny vohikalantsika ity e.. Misaotra Ampidiro eo amin’ny faritra natokana ho an’ny Déposez votre Bombs ny adiresin’ny gazetyavylavitra vao avy notsidihanao teto

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :