Malagasy ve ianao?

Mba isan’izay nandefasana ilay rakipeo nataon’ny solontenan’i Congo, nihaika ireo firenena afrikana namany ao anatin’ny SADC sy ny mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana tsy hamela an’i Andry Rajoelina handray fitenenana aho.

Taorian’iny dia nihaino ny fanehoan-kevitra maro samihafa avy amin’ny olon-drehetra teny ho eny, na izany teny an-dàlana, na tany anaty fampielezam-peo samihafa koa.

Tsy vitsy ny naneho ny alahelony ka nilaza fa nisy ‘nampijabaka ingahy Andry Rajoelina’ fa tsy tokony nandeha tany akory, ary dia nisy anarana voatonona mihitsy moa tanatin’izany. Tao ny nilaza fa fanitsahana ny Malagasy any an-tampon-dohany iny zavatra nataon’ny afrikana iny. (izay ironako amin’ny ampahany ihany koa).

Antoko politika sy fikambanana maro no nanao fanambarana ny amin’ny tokony hialan’i Madagasikara ao anatin’ny vondron’ny SADC, sy ny tsy tokony handraisana intsony ireo GIC milaza ho tonga eto hanohy ny asa fanelanelanana, isan’ireny ny Monima, ny Leader Fanilo, ny Otrikafo sy ny hafa ihany koa .

Fa ny tena nankarary ny sain’ny maro (izaho anisany), dia toa atao tsinontsinona mihitsy  ilay fiandrianam-pirenena (souveraineté nationale) Malagasy, tsy asiana vidiny (na ho an’ny Malagasy ray, Malagary reny sasany eto amin’ny tanàna aza, indrindra moa fa ho an’ireo vahiny  na monina eto, na izay milaza ho sakaizan’i Madagasikara). Raha velon-kira sy nandihy, na nitehaka ianao (satria dia nisy tokoa izany) tamin’ny nandrenesanao fa hoe tsy navela niteny ny solontena Malagasy tonga amin’ny sehatra ambony tahaka ireny, dia izaho no menatra (tsy hiteny aho hoe ‘mba menatra’ satria safidinao izay). Izaho no menatra amin’ny maha-Malagasy anao izay nanao ny toy izany. Ny tokony ho tsaroana mantsy dia raha ingahy Andry Rajoelina no voatonona anarana teo anatrehan’ireo solontenam-pirenena maro, dia tsarovy ao ambadik’izay fa manao fikorisan-dranomandry ny zavatra tahaka ireny, voafaoka eny an-dalana ary mampitonbo hadiry azy ireo solontena (delegasion) Malagasy tonga tany. Avy eo dia mitohy amin’ireo mambran’ny fitondrana eto an-toerana, ary ny tratra farany dia ny anarana hoe ‘Malagasy’ iray manontolo.

Eto ny lahatsoratro dia tsy hijereko firehana hoe momba an’iza Rakoto ary manohana an’iza Rabe. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe ‘Malagasy ve ianao’? Raha eny, nanomboka oviana ary hatramin’ny rahoviana?

Misy fanehoan-kevitra maro ihany koa anasàna anao hitsidika ny Global Voices Malagasy sy lahatsoratra iray hafa amin’ny teny anglisy

2 Réponses

  1. Tena Malagasy tokoa aho ary hireharehako izany.

    Misaotra amin’ny lahatsoratra. Tsy asiana resaka lava intsony ny zavatra niseho fa na inona na inona fironana politika ananana dia tsy azo ekena mihitsy ny fanitsakitsahana ny maha antsika Malagasy. Izay faly tamin’ireny dia mety tsara aminy ny mitady zom-pirenana hafa toy ny mifindra any Congo ohatra. Vonona handray azy tsara ny any.

    Tsy manome tsiny be fahatany akory fa toa nahagaga ihany fa ohatry ny nanaiky resy ilay delegasiona Malagasy. Tsy masoivohon’ny Madagasikara na piraminisitra lefitra ny tenanay, fa raha ny fahafantaranay ny « procedure » amin’ny fivorian’ny ONU dia azo natao tsara ny namaly iny antsojay iny amin’ny alalan’ny fampiasana ny procedure-ny ONU ihany. Amin’ny fivoriana toy izao, indrindra fa amin’ny sehatra avo izay natao handala ny demokrasia, dia tsy misy ny fanampenam-bava, fa mivoaka izay tsy mahatanty na tsy mankasitraka. Izay no fomba demokratika fa tsy fanampenam-bava. Mahalasa eritreritra ihany ny fihetsika nasehon’ny teknisiana Malagasy tany an-toerana. Tsy fanomezan-tsiny hoy aho fa mahagaga ihany ilay izy.

    Inona ary no tokony hatao: miantso ny Malagasy rehetra izahay mba hamoaka ny sainam-pirenena Malagasy– hanofahofa, hanangana, hitondra an’izany amin’ny 06 Oktobra raha toa ka sahy hipoitra ihany ry zareo SADC. Tsy mampaninona izay tohananao na i Andry na Ra8, fa andao aseho fa Malagasy isika ary reharehantsika izany. Miangavy ihany koa izahay ho an’ny mpanao fandaharana amin’ny radio rehetra mba handefa hira izay maneho sy mamoha ny fitiavan-tanindrazana mandritra io tontolo andro io, eny fa na dia ny andro mialoha an’io aza. Miangavy indrindra an’ny Gazety Adaladala mba hanaparitaka ity hevitra ity. Aelezo amin’ny sehatra rehetra mba ho re-tany sy ren-danitra. Hatsangana ny saina Malagasy na amin’ny toerana aiza na amin’ny toerana aiza mba ho hitan’ireo izay vahiny ho avy eo ny atao hoe hambom-po Malagasy. Aleo koa ho hitan’ny havany eo izay maniry hifindra any Congo.

    Gasy aho ary reharehako izany. Mitsangana aho miaro ny voninahitra sy ny hasin’ny tanindrazako. Tsy ekena mihitsy ny fanitsakitsahana ny maha Malagasy ahy. Raiso ny andraikitrao ry Malagasy.

    Misaotra indrindra.

  2. I don’t know If I said it already but …I’m so glad I found this site…Keep up the good work I read a lot of blogs on a daily basis and for the most part, people lack substance but, I just wanted to make a quick comment to say GREAT blog. Thanks,🙂

    A definite great read..Jim Bean

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :