Fisamborana (Arrestation à l’)hotel Nalugaro 67Ha

100_2763

Tokony tamin’ny 12h 40 teo dia voasambotra tao amin’ny NaLuGaro Hotel ny sénateur Naika Eliane.

100_2764

Sary tokana azon’ireo mpaka sary teny an-toerana momba ny nisamborana ny Loholona Naika Eliane

Dimy minitra talohan’ny nahatongavan’ireo mpisambotra dia efa tafatsoaka daholo ny sasany rehetra, anisan’izany Rasomotra.

Araka ny tatitry ny tompon’ny Hotely dia efa ho 7 volana tany ho any taorian’ny fialan’izy ireo tamin’ny toerana natokana honenany no efa nanofàny efitrano tao amin’ity Hotely ity. Ka maromaro izy ireo no tao, ary Andriamatoa RAVALOMANANA Marc no mandoa ny lany.

Nilaza moa ny andaniny mpisambotra fa resaka fanakorontanana no anton’ny fisamborana, ary anio tolakandro no hatolotra ny etsy Fiadanana (Zandary) ny loholona Naika Eliane.

Eritreritro manokana no ilazana fa matoa 5 minitra tsy hahatongavan’ny mpisambotra dia afaka nandio rano nitàna ireo lehilahy matanjaka nokendrena tamin’ity indray mitoraka ity, dia angamba misy koa mpanome vaovao avy ao anatin’ireto mpisambotra ireto. Asa lahy!!!!

« MIVERINA INDRAY NY FAHINY  » hoy aho rehefa mahita ireo bala caoutchou mandihindihy sy mihazakazaka eran’ny sisin-dalan’ny Avenue de l’indépendance Analakely, ary koa ny setroka sy feon’ny baomba mandatsa-dranomaso alefa. Tsy lazaina ny feom-basy tsindraindray manako mafy noho ny toerana zary toa babangoana.

Fanampim-baovao: Araka ny tatitra avy amin’ny tompon’ny hotel dia nampiasa herisetra ireo miaramila tonga hanao ny fisamborana ary tsy nampiseho taratasy fahazoan-dàlana. Manginy fotsiny hoy izy ny fanimbana entana sy ny daroka vy natao tamin’ireo serveur. Fisavoritahana no hitana nanerana ny efitra maro hatrany amin’ny terrasse tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Mpandraharaha izahay hoy ny tompon’ny hotely ka tsy manda na iza na iza hipetraka ato.

2 Réponses

  1. Mais c’est quoi se délire on ramasse pas les gens comsa mm ein !!

  2. L’arrestation de Niake Eliane n’est pas un hasard, il faut demander au député Hery Raharisaina les dessous de l’affaire, il sait bien de quoi je parle

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :