11 septambra nankalazaina tamin’ny fomba Malagasy

Daty manana ny tantarany, tsy ho an’ny Word Trade Center ihany, fa na ho an’ny Malagasy koa aza ny andron’ny 11 Septembre.

Androany dia tonga nanohina ny antso natao teny amin’ny MAGRO omaly ny olona marobe fa hoe ho ano amin’ny kianjan’ny ‘demokrasia’.
Tonga teny andriamatoa isany Ambroise sy Satrobory.

100_2643

Niezaka ihany ingahy Ambroise ny hifehy ireo ‘vahoakany’, saingy toa herim-po very maina izany noho ilay fiteny mahazatra hoe ‘be noho ny vitsy’.
Nifanatona tamin’ireo mpitandro filaminana ingahy Ambroise avy eo ary nilaza fa

‘amin’ny maha-mpihavana antsika no iresahako aminao, avelao ireo vahoaka ireo hiditra ao ….tsy mila manao fangatahana izahay…sns’,

100_2653

ary novalian’ity mpitandro filaminana koa fa

‘efa nanao fangatahana ianareo…efa any aminareo ny valin’ny fangatahana nataonareo…Baiko no tanterahanay eto…miangavy anao mba hifehy ny olonao sy hiteny azy ireo hiataka…raha hanao amboletra ny hiditra ihany moa ianareo…anareo ny anareo…manatanteraka ny baiko zoko izahay…”

Efa nifandona kibo mihitsy no azo nilazana ny olona sy ny mpitandro filaminana teo Ambohijatovo. Rehefa reraka ny niangavy sy niaritra ny ompa ary ny fandranitana ny mpitandro filaminana dia mbola namerina ny fiangavian’izy ireo mba hihatahan’ireo olona marobe.

100_2657

Rehefa tsy azo noresena lahatra sy nanomboka nanao fahirano ny fiara miaraka amin’ireo mpitandro filaminana teo anoloan’ny vavahady àry ireo olona marobe izay nitoko zihitra nipetraka mihitsy ny sasany,

100_2661

dia niakatra tao anaty fiara ny roalahy tamin’ireo mpitandro filaminana mba hampiditra ny akanjo fiarovantenany sy hanomana ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany. Nanomboka teo koa dia efa nadio ny rano nitan’ingahy Ambroise sy ny tariny, ireo vahoaka fandrisika amin’ny fotoan toy itony sisa no navela hisedra sy hitanty izay hiseho.

Dia nipoaka tokoa izay nipoaka. Tsy hita tabilao hatramin’ireo lehilahy goavana nihogahoga ny hoe tifiro raha sahy fa aleonay maty ho an’ny tanindrazana toy izay hilefitra amin’ialahy isany tsy vanona ireo’, mantsy ny mpitandro filaminana.

Ankoatra ny fanimbana zavatra teny amin’izay faritra nolalovan’ireto olon’ingahy Ambroise ireto dia nitondra faisana ihany koa ny fiaran’olon-tsotra nolalovany, na sendra nifanena taminy. Toy izany ny nahazo ny Mazda Minibus iray tetsy amin’ny làlana mampitohy ny JIRAMA Ambatonakanga sy ny Pharmacie PERGOLA, ny tay Analakely sy ny manodidina azy (nitondra faisana tanteraka moa ilay Land Rover nentina vazaha iray nipetraka teo amin’ny Hotel de France, satria tsy vitan’ny hoe tapitra novakiana ny fitaratra, fa nangalarina sy norobaina tanteraka ny tao anatiny, nendahana daholo na autoradio sy izay tratry ny tànana (vatobe sisa no nisintirintirina teny ambony seza) ary mbola narahana teny hoe

‘Français , dehors’.

Betsaka ireo vazaha mpitsidika no tsy tafaverina tany anatin’ny hotely nivantananany fa nandositra amin’izay azo nisityrihana, toy ireo vitsivitsy nisafidy ny hiditra tao an-tokotanin’ny Gare Soarano, ka niandry ny fitoniana vao niolomay namonjy ny Hotel Tana Plazza teo akaiky teo. Ilay Land Rover aza moa dia sy sahy nandeha mihitsy fa nitanaraka teny akaikin’ny fiara mangaben’ny zandary teny mandra-pahitany fa efa azo andosirana ny toerana, ka nahafahany nanararaotra nandeha sens unique niakatra nankany Behoririka.

Hafaliana ho an’ireto olona ireto koa ny namotika fiara iray BMW niantsona teo anelanelan’ny Hotel Glacier sy ny SICAM, talohan’ny namakian’izy ireo ny fitaratry ny SICAM. Rehefa izany dia nidina moramora nankeny amin’ny SARAFI irto andian’olona ireto ary saika hamaky ny tao. Efa nidina ihany koa anefa ny mpitandro filaminana izay niandry tety anoloan’ny SELECT HOTEL, ka tsy tontosa ilay eritreritra ‘hanabanaka’ ny SARAFI teo ambany arcade.

Nitondra faisana ihany koa ny fefin’ny zaridaina izay vao avy natsaraina sy namboarina ho kanto. Voabata ihany koa ny fanitso maro natao fefin’ilay zaridaina nasiam-panamboarana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanana eo an-dalam-pananganana.

Tsy lazaina intsony ny fametrahana sakana etsy sy eroa (toy ny ao Behoririka nanoloana ny Hotel BIG BANG) sy ireo lalana manodidina iny faritra Analakely-Soarano-Ambohijatovo-… iny.

fehiny : fiara 4×4 roa (RAV4 sy Land Rover) ( teo amin’ny Glacier iray , ary Hotel de France iray)

sy BMV iray

ary fiaran’ny Zandary vaky fitaratra noho ny tora-bato

miampy 4×4 iray mitondra plaque verte vaky parebrise no simba , olona iray no naratra

20 no voasambotra taorian’ny fananimbàna publiphones sy takelaby fanaovana dokambarotra

Ny ankolafy ZAFY Albert dia nilaza fa tsy nanampy na nanohana na oviana na oviana iny hetsika nataon’ny mpomba an-dRavalomanana iny. Ange Andrianarisoa koa moa dia efa nilaza nialoha iny fotoana iny fa tsy nisy velively fanentanany ny mouvance ao amin’ny hidina an-dalambe.

Miadia hatrany ry mpanao politka a! Izahay vahoaka mbola vonona hatao sorona foana ho fatifaty amin’ny tsy antony. Avy eo ve ianareo tsy handihy eo ambonin’ny fasanay sady hifanao bà kely indray any Maputo! Sa tsy izany??

Fa isika vahoaka koa e ! Milay ilay revintsika a! Rehefa maneho hevitra dia tsy mahita hanalàna ny fo afa-tsy izay sendra eo anoloana, ary tena ataontsika minan’en….mihitsy zay tratra. An’I Dada sa an’I Neny tokoa moa ireny. Sady angaha ny taranatsika handova an’ireny. Tohizo ihany e! Aza mijanona raha tsy leo. Na matyyyy!

Any amin’ny flickr izay hijery sary eeee!

2 Réponses

  1. dia mahonena fa ny madinika ihany no mijaly e!!!!!!! indrisy mantsy ann

  2. Aleo mitsotra miteny hoe mpanararaotra ireny fa tsy hoe olon’i Ambroise. Satria raha ny olon’i Ambroise ireny efa potika tsy nisy noraisina ihany koa ilay fiaran’ny polisy sy ny polisy tao anatiny izay havoakako Lahatsary (Vidéo) fa mbola eo ampikirikirana moa.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :