Nanaitra ny maro io maraina io – famonoan-tena sa…?

Boom! Pratatrasss!!! Kdoooo!!!

Hatairana ny an’ireo olona rehetra teo amin’ny faritry ny tetezana Behoririka androany vao maraina be. Tokony ho tamin’ny 7 ora teo ho eo, raha nizotra avy aty Andravoahangy hihazo an’i 67Ha ny taxibe 126 iray, no nisy zavatra (olona) nitontona mafy tamin’ny ilany havian’ny fiara. Tsy nahalala na inona na inona ny mpamily satria taty aoriandriana kokoa no nisy an’izay zavatra izay, ary ny olona no niteny taminy ny amin’ny tokony hijanonany.

Rehefa nijanona izy ka nojerena ny manodidina, dia lehilahy iray niezaka ny hanarina ny lohany, efa nitsirara teo amin’ny arabe, mivoa-drà namonto ny làlana, no hita. Tsy nahajery ny vehivavy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso, ary ny mpandeha koa saiky tsy hisy hiala tao anaty fiara fa hoe hiandry ny fanamarinana ny trangan-javatra, sao sanatria misy fivadihan-javatra mety hahavoarohy ny mpamily sy ny mpanampy azy. Nefa tsy maintsy nidina daholo ihany ny mpandeha rehetra noho ny mpanao fanamarihana (constat) ela loatra, ary ny olona koa tsy maintsy hamonjy asa aman-draharaha (efa nisy rahateo pôlisy niasa teo amin’ny manodidina nahita ny fandehan-javatra rehetra). Mbola niaina aloha, hono, ilay ranamana tamin’ny fotoana nitondrana azy any amin’ny hôpitaly, saingy lazain’ireo nanatrika fa kely ny fanantenana ny mbola hahavelomany. Avoavo ihany aloha raha ny tetezan’i Behoririka e!

100_1396

Rehefa nanadihady tamin’ireo mpivelona sy mpitady vola eo amin’ny faitra nitrangan’ny loza aho dia nilaza ny mpivarotra mofo akondro iray eo amin’ny tohotohobato fa efa hatry ny omaly ilay zalahy iny no efa tsinjon’ny olona nivezivezy teo sy latsa-dranomaso foana (noho ny olam-piainana angamba), saingy androany izany no andro nofidiany hanatanterahana ny safidiny (famonoan-tena).
100_1398
Misy amin’ireo olona teo koa anefa no niteny fa toa tsy hay be ihany izay tena nitranga fa mety ho nipetraka tamin’ireny vy arofanina ireny izy no nivena sy very ‘équilibre’ ka latsaka avy any ambony any satria ny lamosiny no tsinjon’izy ireo teny ampianjerana.
100_1399

Toa safidy manadala ihany, ho an’ny fianakaviany, anefa ilay izy satria ny olona miomana hanao fety, ary ny azy ireo kosa fiomanana hiatrika ny andro manjombona. Demokrasia koa angamba izany, ka dia samy manao izay tiany, hoy ny hadrohadron’ireo roalahy tafaresaka tamiko teo ambony tetezana io maraina io.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :