Mamo niantso pôlisy

Alatsinainin’ny Pentekôty. Fety ny andro. Faty kosa no tadiavin’ny sasany, raha ny fahitàna ny nataon’ity lehilahy iray nitondra môto ity no zohiana.

100_1024

Raha noheverinay ho ny kodiarandroa nentiny no nisy fahasimbana ka nanery azy hijanona teo anaty làlana iraisana, dia nitarazoka ela loatra tsy araka izay tany an’eritreritry ny maro ny fitokonan-dranamana teo amin’ny arabe.

Tsy naharitra ny tena nanatona nijery, ka hay efa mamo ingahirainy io. Nahazo arahaba narahin-tsiky avy aminy daholo ny fiara nandalo sy nibedy azy teo.

100_1021

Tsy nihevitra ny hiala teo izy, na dia teo aza ny menomenona sy ny hatezeran’ny mpampiasa làlana hafa voaelingelina noho ny nataony, raha tsy ny mpitandro filaminana mihitsy no tonga nanàla azy teo amin’ny nisy azy.

100_1027

Niangaviana ranamana ny hamindra ny fitaovany ho ery ampitan’ny arabe. Nitsotra tamin’ny pôlisy izy fa mamo ka tsy ho afaka hamily ilay môto intsony aloha.

100_1028

Nampian’ilay pôlisy izy namindra toerana ny fitaovany. Ka rehefa vita izany dia nomeny ‘dona kely’ ingahy pôlisy nandrindra ny fifamoivoizana teo.

Izany tokoa no tena ara-bakiteny ny hoe ‘Mamo niantso pôlisy’ hanisaka môto. hihihi

Ny Fety ho vita ihany, fa ny filaharana fiara hitondra mody koa mbola fety be manaraka ny arabe

100_1032

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :