Andro iraisam-pirenena hiadiana amin’ny fifohana sigara sy fihinànana paraky

Araka ny tatitra taorian’ny fanadihadiana nataon’ny ministera, dia :

1* 1/5 -n’ny tanora Malagasy eo anelanelan’ny 13 – 15 taona no efa mifoka sigara na mandrapaka paraky (avy amin’ny mpanoratra: Misy mihitsy aza no efa lasa lalina amin’ny resaka Rongony). Ary ny vehivavy no betsaka indrindra amin’ny mpifoka sigara eto Madagasikara.

2* 18 % amin’ireo tanora nanontaniana no mahafantatra tsara ny voka-dratsin’ny fifohana mivantana na ankolaka ny setroka avy amin’ny sigara.

3* Mamono be lavitra noho ny Tazomoka sy ny tiberkilaozy mitambatra ny sigara

Na eo aza anefa izany tatitra rehetra izany, dia tsinjo fa betsaka amin’ireo mpifoka, na dia mahalala aza, no tsy vonona mihitsy hisaraka amin’ity  ‘zava-mahaliana’  azy ireo ity.  Toa izay mananatra azy indray aza no toy ny tsy maharaka fandrosoana sy adaladala fisaina.

Mbola ezaka lavitra araka izany raha ny resaka ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky. Asa na ny andro natokana ho amin’izany no tokony hampitomboina, na ahoana, fa raha izay andro tokana sy fametrahana hafatra eny amin’ny fonosan-tsigara amidy any am-pivarotana rehetra any aloha, dia ho nofinofy ihany ilay ady e! Tsy misy firy amin’ireny mpifoka ireny no hahavidy iray fonosana ka hahavaky ilay hafatra. Ny maro amin’izy ireo dia ny mividy tahony telo na efatra. Noho izany, ny fonon-tsigara dia mijanona ho an’ny mpivarotra, na izay mpividy siramamy amin’ny ariary zato, sy ny mpividy karibonetra izay mety tsy ho mpifoka sigara akory, na ho an’ireo mpanam-bola afaka tonga dia mividy amiaraka fonosana maro ( Na marary aza izy avy eo dia efa vonona ny vola hitsaboana tena – raha hahasakana ny fahafatesana tsy ho avy moa maninona- ). Diso làlana izany ilay hafatra sy fampitandremana eto.

Mariky ny fahantràna daholo izany rehetra izany. Fahantrana ara-bola, fahantrana ara-tsaina…

Publicités

Vetso.serasera.org

Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG.  Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io.  Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka noraiketinao an-tsoratra. Iza no mahalala, mety ho izay soratra kely napetrakao izay no hitondra anao ho amin’ny sehatra avo atsy aoriana.

Manerana ny vazan-tany rehetra no nipoiran’ny kanto voarakitra ao amin’ny VETSO.SERASERA.ORG, ary maroloko sy tsy mialonjafy ihany koa.

Isan’ireo nametraka ny kanto avy aminy i Raozigasy, ary tena nitondra fofona namerovero tonga hatraty anaty fo sy fanahiko koa, ka dia zaraiko aminao.

Manentana anao aho mba handalo kely amin’izany takelaka izany, na dia ho minitra vitsy monja aza fa tsy hanenenanao ny mahalala fa hay marobe ny Malagasy no mànana talenta, ary marobe ny Malagasy no mbola mitàna tsara ny fomba fanoratra sy ny tsipelina nolovainy.

Indro ary atolotra anao izay vokatry ny tany entin’i Raozigasy:

=========>  ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

Isaorana manokana i Raozigasy tamin’ny namelany ny hametrahana ny asa sorany teto.