LOZA IRAY! LOZA ROA!

Hatairana tokoa no nandrenesako androany ny fahamarinan’ny siosio henoko talohan’ny nandehanako tany Mahajanga tamin’ny volana Aogositra 2008. Honohono izay nilaza ny namindràna an-tsokosoko razana enina (6), ka isan’izany ny an’ny Mpanjaka, nalaina tao Manjakamiadana ny 03 Aogositra 2008 ary nafindra an-tsokosoko ho eny Ambohimanga.

Taraiky be ny vaovao tamin’ny TvM androany alina vao nandeha, ny antony ve? Mbola nanomana sy niandry io vaovao lehibe io ry zareo. Niakatra tao ny Tale iray ao amin’ny fiadidiana ny firaketana ny tantara sy ny rakitry ny ela, narahan’ny Minisitra Gilbert RAHARIZATOVO, nilaza ny fisian’io marina tokoa tamin’izany fotoana. Tsy izany ihany anefa no LOZA voalaza, fa ny fanovàna endrika tanteraka ny eny Ambohimanga, izay nampalahelo ny mponina eny sy ireo taranak’Andriana, eny fa na hatramin’ny UNESCO aza, noho ny Rovan’Ambohimanga efa tafiditra ho Harena Iraisam-pirenena.

Niova Ambohimanga satria nofonosina lalotra simenitra ilay tambohon’ny Ntaolo nataon’Andrianampoinimerina tamin’ny tapotsin’atody, norariana pavé autobloquant ny faritra (zavatra izay tsy nisy tamin’izany fotoan’Andrianampoinimerina izany), ny Vato nanandràtana an’Andrianampoinimerina dia notakonana vato hafa, novàna toerana sy efitra ny fanaka sasany tao anaty Rova. Ka aiza intsony ny haha vavolombelon’ny tantara ny toerana toy izany?

Raha iverenana kosa ny eo Manjakamiadana, dia ny endrika ivelany sisa no voalaza fa tazonina, fa ny ao anatiny, raha ny tatitra voaray (Tvm), dia ovàna ihany koa. Hasiana suite (azo ipetrahana, ho an’iza?) sy ascenceur ary WC fosse sceptique.

Noraisin’ny Minisitra sy ilay Tale ho fanimbazimbana ny Tantaram-pirenena sy fanaovana Zinona ny Malagasy iray manontolo izany rehetra izany. Fanitsahana an-tampon-doha hoy izy ireo.

Miandry izay fanakianana avy aminareo rehetra sy ny fahitanareo ny momba ity resaka ity indray aho, ary miandry koa ny filazàna an-gazety hivoaka rahampitso mba hahazoako vaovao mazava kokoa momba azy ity, izay mba nahatohina ahy koa fa tsy afeniko. Aiza ve ka amin’ny alina sy an-tsokosoko, ary 3CV no namindràna ireo razana (izay tena mahasarotiny dia mahasarotiny ny Malagasy tokoa), sady izay indray razana mirakitra tantaram-pirenena iray manontolo!

Fa ny nahagaga ahy dia izy ity tsy nisy sahy niteny hatrizay. Sa izao vao mahatsiaro ho afa-patorana?

Rehefa mahita tsy mety re rey olona ô, lazao foana, na izaho aza no tratranao nanao azy dia ambarao fa aza asiana tahotra sy kinamanamana.

Mitohy ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga.

7 Réponses

  1. Isika mirahalahy moa dia mifanohi-kevitra mandrakariva!

    Amiko manokana, tsy olana ny namindrana ny razana avy eny Manjakamiadana haverina eny Ambohimanga, ny fomba nanaovana azy angaha no tsy mety raha izay no ilazana azy nefa dia tsy mampino mihitsy raha hoe 3cv no nitondrana azy. Ny mpitantara ihany koa fantatra ihany ka lasa tsy nomeko lanja izay lazainy moa izaho rahateo tsy nanaraka velively izay nambarany tao. Araka ny tantara dia teny Ambohimanga no nisy ny fitomiandalana, ary teny Ambohimanga ihany koa no nisy ny trano manaran’Andrianampoinimerina. Efa nanafatrafatra mafy mihitsy ny Ombalahibemaso fahavelony fa tsy azo asitrika eny Anatirova mihitsy ny tenany rehefa avy ny fotoana iambohoany. Nohajain’ny Malagasy io, ny frantsay kosa rehefa nahita ny fanajan’ny Malagasy ny razana no ninia namindra ny razana ho eny Anatirova, handonana ny sain’ny Malagasy, hanaporofoana fa ny Frantsay izao no mitondra. Tadidio fa avy eny Ambohimanga no ipoiran’ny olona nahavory an’Imerina manontolo aloha, ary tanàna resiny ny teto Antananarivo izay nentin’Andriamboatsimarofy izay voatery nifindra tany amin’ny Faritr’Imamo rehefa nandositra izy. Tsy fantatro loatra noho izany hoe fa tranomanaran’ny razan’iza tokoa moa no tokony ho eny Anatirova?

    Manaraka izany, eo amin’ny hasina malagasy dia tsy tokony hilevina ao Anatirova ihany koa i Radama faharoa, lazaina hoe nanjaka tapany, satria karazany tadiavina kosehina manontolo ny fotoana nitondrany. Nafenina teny Ilafy io fa tsy nafenina teny Ambohimanga na teny Anatirova. Nopotehin’ny Frantsay ihany koa io ka ninia nafindrany tao Anatirova ny razana. Ny zavatra iray hafa mahavariana dia ny fisian’ny fasana tokoa eny Anatirova. Tsy nisy loatra ny sary faha-mpanjaka, fa raha ny fitantaran’ny efa nandalo tao dia tokony ho lapa avokoa no manodidina an’i Manjakamiadana. Ny marina aza dia tsy nonenana mihitsy io Manjakamiadana io fa natao ho trano fandraisam-bahiny sy fanaovana lanonana isan-karazany. Lapa ho an’ny velona no manodidina ny toerana voantantara mandrakariva fa tsy voalaza ny lapa ho an’ny niamboho.Na io faritra toa tokotany, nisy aviavy teo alohaloha iny aza dia lapa koa no teny, iray amin’izany ny nitoeran-dRasalimo, Sakalava, vady tian’i Lehidama Rainy. Noesorin’ny Frantsay avokoa ireny ka namboleny aviavy handrodanana tsikelikely ny lapan’i Manjakamiadana. Faha-mpanjaka dia tsy nisy izany aviavy izany manodidina ny Lapa fa nokendren’ny Frantsay ho rava io lapa io aty an-jato taonany aoriana hikosehana ny fisiana lapa teny amin’iny toerana iny. Izany no nahamaika an-dRazanamasy nanaisotra ireny aviavy ireny rehefa nitondra izy. Indrisy anefa fa mbola niasa ihany ireo nitady hanapotika ity lapa ity ka naleony nodorana mihitsy fa nahasosotra azy ilay fihetsika nanala ny haza paika iray nanapotehina ny lapa iny.

    Ny amin’ny fanafoana, fanaronana zavatra maoderina ny atao hoe vakoka iraisam-pirenena kosa dia izay mihitsy ny fenitra iraisam-pirenena, koa ankasitrahako ny filoha Ravalomanana, nanana izay toe-tsaina manara-penitra iraisam-pirenena mandrakariva, ny nanao izay fanavaozana. sy fanatsarana izany. Mariho mazava tsara fa tsy hoe nanaisotra izy fa hoe nanarona izy. Ny loza anie dia ity fady manao efitrano fidiovana ity e! atao eny rehetra eny foana any amin’ny faritra maro any ny maloto satria hoe fady manangon… dia eny amin’ny faritra tokony hitsangatsanganana amin’izay no fenoina ny loto navoakan’ny olombelona rehetra, iaretana fotsiny ny fofona… Noho izany tena mari-pandrosoana mihitsy izany hevitry ny Filoha Ravalomanana rehetra izany. Lainga tena lainga kosa indray aloha ny ilazana hoe saika honenana, fa ny saiky hanaovana ny toerana (efitra ambany, dia karazana toeram-pivoriana fanao amin’ny resaka kolontsaina raha ny fahalalako azy, izany hoe tsy ovaina amin’ilay asa nampanaovana azy handraisana olona ilay toerana. Saiky natao beton manontolo io toerana io fa fonosina hazo kosa avy eo, na na sanatria aza misy indray ny minia mandoro ny toerana dia ny lalotra hazo sisa soloina. Tsy mahazo manaotao zavatra foana izany ny fitondrana amin’ny toerana tahaka ireny fa tsy maintsy mametraka ny fenitra iraisam-pirenena amin’ny mahavakoka fitsidiky ny besinimaro azy ihany koa.

    Fa inona kosa indray araka ny fijeriko azy no kendren’ireo nolazainao fa tonga tao amin’ny TVM? mazava tsy mila fanazavana fanampiny hafa intsony: atsahatra ny fanaovana io asa io fa manjary rehareha ho an-dRavalomanana ihany koa ankoatra ny maharehareha ho an’ny Malagasy manontolo azy ary tadiavina afindra hanaovan-javatra hafa na haodina fotsiny izao ny vola na tetibola hanaovana azy (tsy manana vola anodinana ny mashinina admnisitratifa tokoa angamba ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita matoa tonga amin’izany sehatra te-hanaitaitra ny hambom-po Malagasy izany… ilay lapan’ny tanànan’Antananarivo koa moa hitantsika hoe aiza ho aiza aloha ny fahavitany amin’izao fotoana anoratana izao. Dia izay sy izay aloha no hevitra fa miala tsiny raha somary lavalava.

    • Fisaorana betsaka dia betsaka tokoa no atolotro an’i Zokibe Jentilisa manokana. Nahalalako zavatra betsaka ny hafatra nalefanao ato. Izay mihitsy no nanafarako hoe mba miandry izay fanamarihana sy fanakianana aho tsy hihinanana am-bolony sy hamenoana ny tsy ampy. Sao tokoa mantsy misy fitongilanana ara-politika ny zavatra voalaza tao.
      Dia mbola miandry ny sasany foana koa aho e! Mirary tontolo finaritra ho an’ny rehetra

  2. Eny ho’aho ra-Jentilisa, raha ny fijeriko ny valin-teninao dia mbola mifono foana hevitra politika, ka tsy afaka ny hino anao aho, ny fantatro fotsiny dia matoa natao tsy nisy fierana izany rehetra izany dia misy antony ka iangaviako ianao mba hampihiratra ny masonao. Mahalala tantara ianao hoy ianao, tsy fantatro aloha hoe taiza no namoronanao ireo na nahalalanao ireo, fa ny fantatro dia ny zavatra atao an-tsokosoko (zavatra toy ireny) dia TSY FANASIANA HASINA ny malagasy iray manontolo sy ny razana batabatainao fotsiny. Ianao koa angamba efa tsy mandala fomba malagasy intsony fa efa voarebirebin’ny fomba fanavaozana avy any ivelany; Tsy mandà fanavaozana ny tenanay fa mila kosa fanajàna fa tsy razan’inona ireny ka netinketina fotsiny amin’ny andro alina. Arovy hatramin’ny farany RAVALOMANANA raha izay no tianao fa ny aty kosa tsy manaiky izany, ary io fanotàna io indrindra no anisan’ny naha voarodana azy veivety teo angamba hoy aho.

  3. Tamin’ny volana novambra no nandrenesako io vaovao io voalohany. Ny nahavariana ahy fotsiny dia ingahy Ravalomanana ihany no nilaza fa be loatra ny fomban-drazana mila avela amin’izay fa tsy mampandroso antsika. Kanefa izao dia izy ihany no nikitika ny razana efa nandry fehizay teny Manjakamiadana.
    Olona isan’ny vaomiera @ fanamboarana ny Rova moa no nilaza io tamiko satria tamin’izany fotoana izany izy ireo dia nitaraina fa ny vola tokony nanamboarana ny Rova no nasain’ny Filoha nampiasaina indray hanaovana io famindrana Razana io.
    Nisy namana iray na roa ihany no niresahako izany fa toa nangina tsisy nahalala ilay resaka tamin’izany – na dia ninoako tamin’ny 70% aza ny fahamarinany satria olona manana ny anjara toerany eo amin’ny firenena ity olona ao amin’ny vaomiera niresaka tamiko ity. Tsy nanohy namakafaka intsony koa moa aho nony hitako fa tsy maro no mahalala ilay tantara sao sanatria nanoso-potaka anaran’olona teo koa, tsy hay ihany fa naleo nitandrina, kanjo hay izay vao nivoaka ilay izy.
    Ka raha te-hanome lanja ny voninahitsika malagasy ve ny Filoha tamin’izany tsy tokony ny fanamboarana ny Rova no maika kokoa fa ireo Razana toa tsy nila vaniny loatra ihany nandritra ny zato taona mahery na tsy voasitrika teny Ambohimanga aza. Fa ny Rova vakoka malagasy mba isan’ny reharehantsika kosa no tokony natao laharampahamehana.
    Asa anefa.

  4. oups – diso aho fa @ andininy farany : « fa ireo Razana toa nila vaniny loatra ihany nandritra ny zato taona mahery na tsy voasitrika teny Ambohimanga aza » – hadino ny TSY nila vaniny loatra😛
    ps. hadinoko nanao logout @ blog-ko iray fa ikalamako ihany ity e🙂

  5. Tena tohina koa ny tenako raha nahare io vaovao io, amin’ny maha-malagasy, aminy maha-olombelona, dia misy hasina ny razana, na razan’iza io na razan’iza, satria mbola ho samy hody razana daholo indray andro any.
    Fanajàna sy fametrahana izany hasina izany ny fombafomba malagasy aminy endriny samihafa. Ny Malagasy dia samy manana ny fombany sy ny fadiny, ary fanajàna (respect) ny malagasy aminy maha-olona azy ny fanajàna ny fombany sy ny fadiny (izay no ilàna ny fahalalàm-pomba, ny fifanajàna izay anisan’ny toetra tsara mba ikajiana ny fihavanana).
    Raha ny hevitro dia manana fahafahana ny malagasy tsirairay amin’ny resaka fomban-drazana, izany fahafahana izany anefa dia tsy tokony hidika fanimbazimbana ny fomban-drazan’ny sasany velively.
    Ny fivoarana na ny fanarahana ny toetr’andro na ity hoe modernisation ity akory tsy midika velively fa afaka tsy hajaina ny olona hafa izay manana ny fombany sy ny fadiny manokana, raha sendra tsy mifandraika amin’ny an’ny tena.

    Mety tsy tanaty sain-dratsy na fiheveran-dratsy no nanatontosana izao zavatra izao, kanefa dia tena fatiantoka be tsy misy ohatran’izany ve raha nasiana fifanakalozan-kevitra alohan’ny nanapahana hevitra tany ambadimbadika tany sy alohan’ny nanaovan-javatra? Dia tena fatiantoka be tsy misy ohatran’izany ve raha najaina izay fombafomba nilaina rehetra tokony natao tamin’izany? Indrindra indrindra moa izy ity raha dradradradraina fa hoe vakoka iraisana…
    Ny vavaka dia mba handry am-piadanana ireo olona nody razana, kanefa dia toa fanaovana tsinotsinona ny fanahin’izy ireo amiko, raha ny famezivezena ny taolambalony, tsy misy fifampieràna, tsy misy fifampidinihana, tsy misy fanajàna ny fombafomba mety eritreretin’ny besinimaro fa tokony atao amin’izany, tsy misy resaka fa an-tsokosoko daholo, ka toa zary lasa miendrika famosaviana sy fametavetana, ary izay no tena mampalahelo.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :