Manandafy Rakotonirina

Nalaza be androany, ary efa hatry ny alina fa hoe ‘Maty i Manandafy Rakotonirina’. Isan’ny nahitàna izany vaovao izany tao amin’ny tranonkalan’ny TOPMADA, araka ny sary hitanao eto ambany

lainga-topmada1lainga-topmada21lainga-topmada31

Nampiantso maika ny mpaka sary sy ny mpanao gazety izay tratra antso ny teny Ambohibao (CNME), izay manana ny biraony vonjimaika ao amin’ny Bianco, mba hanalàna izay tsaho sy hoso-potaka izay. Raha ny resaka nandeha teny anaty forum (TOPMADA) teny dia i Constant Raveloson no isan’ny namoaka ny feo, ary dia novoizin’ny sasany fotsiny avy eo.

Koa satria i Manandafy ihany no nisy feo nandeha eran’ny tanàna dia izy ihany no navoaka sy naseho ho hitan’ny rehetra vatana. Rehefa nanontaniana moa izy ny amin’ny fahasalamany, dia sady namazivazy ny mpanao gazety sy ny mpaka sary marobe nanoloana azy izy no namaly fa ‘toy ny fahasalaman’ny olona 35 taona ny fahasalamany fa tsy araka ny taonany efa 70′.

Nanazava kosa anefa izy fa mila manao scanner satria voan’ny totohondry ny lohany ary tsy fantany izay mety ho fahavoazany.

Misy ny tsary mihetsika araham-peo azonao jerena ao amin’ny YouTube () amin’ny resaka manontolo nifanaovana tamin’i Manandafy Rakotonirina, nalaiko mba ho anao mpamaky tsy tapaka ity blaogin’adala ity. Soa ianao fa hendry!

Marihana fa tsy navela haka ny sarin’ireo mpanao fanadihadiana ny mpampita vaovao rehetra tonga teny an-toerana ho ‘fitsinjovana ny momba azy ireo’, hono.

Ankoatra io momba an’i Manandafy Rakotonirina io, dia hita eny an-tokotany eny daholo koa ireo entana natao ‘saisie’ rehetra miampy ireo fiara. Isan’ireny ny fiaraben’ny TIKO izay feno bois de rose efa vita gorodona tsara dia tsara tokoa ao anatiny,

100_0276

100_0278

sy ireo bois de rose mbola tsy voahodina, navangongo eo ivelany eo.

100_0272

Misy ihany koa ny entana anaty baoritra izay rehefa nanontaniana ilay miandry azy dia tsy mahalala na inona na inona momba izay ao anatiny.

100_0274

Ny maso nijery fotsiny no nahitako avy ety ivelany fa sahala amin’ny kojakoja fikirakirana feo angamba ireo zavatra ireo, na baffles.

Fa nandritra ity fampiantsoana ny mpampita vaovao ity koa no nanazavan’ny coordonateur ao anivon’ny CNME ny antom-pisian’izany CNME izany sy ny zavatra efa vita hatreto. Lava moa ny resaka nataony momba izay fa raha misy ny fotoana dia hadika eto ihany ho anao.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :