Ny androany 23 aprily 2009

Nafana androany. Nirefotra ny basy. Nisy ny naratra. Tsy mbola fantatra hatreto na nisy maty na tsia.Fa ny hita aloha dia nisy ny ankizy efatra voan’ny bala tsy nahy teny Isotry (raha notrotroin-dreniny teny ampiantsenana), ny tongotr’ilay zaza no nolalovan’ny bala talohan’ny niantefan’izany tany amin’ny kibon’ilay ramatoa ka nampipotsaka ny tsinainy, ary nitondra azy hatrany amin’ny farafaran’ny Réanimation eny amin’ny HJRA. Tao ny ankizy nandositra ny gidragidra teny Ambohijatovo sy ny manodidina azy ka tapa-tànana noho ny fianjerana…Teo koa ireo olon-dehibe voan’ny bala teny amin’ny kibony, ka nipotsa-tsinay.
28 no voasambotra, 31 naratra.
Nisy nikasa haka an-keriny koa i Mialy Rajoelina androany maraian talohan’ny fiaingan’ny vol Air France nitondra azy ho any Paris, raha ny vaovao azo.
Tratran’ireo mpomba an-dRavalomanana koa ingahy REBOZA Julien sy ny mpiambina azy, ka miady amin’ny fahafatesana eny amin’ny hopitaly amin’izao fotoana ilay mpiambina.
Tsy ataoko be ny resaka fa aleo ny sary no hiteny sy hilaza azy (ho hitanao ao amin’ny flickr afaka ora vitsy).
Ny marihako fotsiny dia mbola niverina indray ny fankahalana mpaka sary sy mpanao gazety ataon’ireo mpomba an-dRAVALOMANANA, be ny tratran’izany ka mitaraina, ary anisan’ireo nandefa fampitandremana ho an’ireo namany ry zareo tao amin’ny Radio An,tsiva 97.6 FM. Raha ny nahazo anay mianadahy androany raha saika hiditra ny vavahadiben’ny hopitaly avy aty anoloana, dia tena nampivarahontsana indray. Vao tonga teo anoloan’ny vavahady ny scoter dia efa nisy iraikalahy niomana hitoraka coctail Molotov, saingy soa ihany fa hitan’i Lalaina malaky ilay fihetsika fa raha tsy izany dia loza.
Be ny fanaovana sakana eraky ny arabe, be ny fandoroana ny fananan’ny hafa.
Zavatra iray mampanontany tena koa ny antso nataon’ireo mpitarika eny Ambohijatovo tamin’ireo mpomba an-dRavalomanana mba handray sy hitondra ny basiny, ho an’izay manana izany. Asa raha inona marina no tena tian’ingahy RAVELOSON Constant hahatongavana amin’izany.
Nisy koa ny taratasy naelin’ireo mpomba an-dRavalomanana tao anatin’ny tokotanin’ny hopital HJRA mitaona ny olona hanaotao foana.
Nisy ny fisamborana, ka mba jereo sao misy havanareo azo sary ato.
Iray tamin’ny zavatra nahatsikaiky koa ny fahitàna fa rehefa mandalo izahay miaraka amin’ny fiaraben’ny mpitandro filaminana, dia manala barazy ny mpitandro filaminana, ary afaka minitra vitsy rehefa miverina eo dia efa tafaverina amin’ny toerany koa ny barazy nalàna.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :