Iniana atao ny manindry onjam-peo

Raha mba nanisaka ny onjam-peo aho androany tolakandro, ka nifanitsy indrindra tamin’ny an’ny Radio Viva, dia nihevitra fa ny Viva tokoa io renesiko io.

Nandritry ny ora iray angamba dia hirahira no nalefa tao. Nihevitra ny maro, tahaka ahy koa, fa dia ny tompon’ilay onjam-peo sy ny mpiasa ao no manodina izany Radio izany.

Tsy nampoizina anefa ny zava-misy fa hay ny RADIO MADA no io henion’ny rehetra amin’ny onjam-peon’ny Viva io… Filana ady ve sa fihantsiana no anton’izany?

Amiko mantsy raha tsy te-hanangam-pahavalo ny Radio Mada dia tsy tokony mihitsy hiditra amin’ny resaka fanahy iniana manindry ny hafa toy izany. Mety ho azon’ny rehetra nekena ihany (na tsy an-tsitrapo aza) raha hoe ny RNM no nanindry tao. Sa dia mihevitra ny tsy ho tratry ny aloka tokoa ity Radio Mada ity?

Tsy sanatria fankahalana azy fa sao dia mba tokony harahana ihany ilay tenin-jatovo hoe ‘aleo hilamina dia misesy’. Tsy efa ampy fe ny teny sy antso an-telefona feno fihantsiana sy izao karazana teny fanaratsiana rehetra navoakan’ny Radio Mada hatramin’izao e?

Miandrandra fahatoniana ny rehetra, miantso filaminana ny maro, nefa raha izao tranga izao no jerena akaiky, dia hoy aho hoe, lavitra ny afo ny kitay, raha ny faniriana hahita fihatsaran-javatra no antenaina. Ary ny toy itony dia mbola pitik’afo hampipoaka koa ny vanja, raha ny fihevitro manokana.

Ny feon’ny fandaharana ‘Ny tenin’ny Filoham-pirenena’ no averimberina tao teo amin’ny tamin’n y enina ora hariva teo.

ATSAHARO ZALAHY A! MARINA E , ATSAHARO FA SAO DIA VAO MAINKA HO RATSY NY VOKATR’ITY ATAONAREO ITY. ALEON’NY OLONA LAVITRA AZA MAHENO ILAY KISAOKA MIVOAKA AO AMIN’NY ONJAM-PEO HIONONAN’IZAY MPANDALA AZY SY MPOMBA AZY, TOY IZAY OMENAREO FO AMIN’NY ALALAN’NY FANINDRIANA AZY AMIN’NY ANAREO. MBA SOROHY IHANY IZAY AZO SOROHANA RAHA AZO ATAO, SAO TSY HITONDRA SOA NA HO AN’NY ANDANINY NA HO AN’NY ANKILANY.

5 Réponses

  1. tsy mbola nahita mpandainga tahaka nareo a ka! Marina é!
    Dé lazaina fa Mada indray ve no manindry nefa ny Viva mibahana bé?
    Atao ahoana koa izao ireny Tv Record sy LTV sy OTV sy MBS(taloha) tsindrianan ireny?
    Mbola lazaina fa Mada koa?
    Tsy mataho-tody akory!
    Et que dire de la RFI (radio france internationale) qui a pris les ondes de la 95.4 et 95.6?
    tsy hisy hamela maina izay afitsoky ny frantsay eo! Ary aoka amin’izay ny lainga fa tsy misy fitombenany akory!
    Olom-pirenena, manara-dalàna, miasa mavitrika ho an’ny fampandrosoana!

    avy amin’ny tompon’ny blog: Tsy misy jamba mihoatra lavitra noho izay minia mikimpy, hono. Ka raha toa lazainao fa diso izay nambarako eto, dia inoako fa manana marina azo aroso ianao [supermahefa@yahoo.fr]. Iangaviako ianao , noho izany, mba hamoaka ny marina fantatrao, fa aza mionona fotsiny amin’ny fanakianana. Mba hanitsianay tena amin’ny manaraka e! Fifampitaizana daholo mantsy izany. Misaotra anao sahady.

  2. ianao io dia mpandainga be mihitsy iza izao no mangalatra ny canal ny radio madagascar ny mibrouiller ny radio mada dia ny viva ihany ianao io angaha misy tay ny sofina

  3. mba ilazao ny malagasy rehetra ary ampafataro azy ary asaivo manotra hoa anya amin ity adress ity ny malagasy rehetra na tafika na olontsotra na tgv mba ahitany fa misy gasy tsy faly amin ny ataon ny CAPSAT SY TGV OK IZAHAY DIA MPIANATRA ATY ANDAFY USA ASIE AFRIQUE EUROPE ITY NY ADRESS STUDENTDIASPOREDMALAGASY@YAHOO.FR

    • Voaray ary avoakako eto ity hafatry ny Madegas ity. Aoka hazava fa tsy ato kosa no fanoratana ‘declaration de geurre’ amin’ny tafika Malagasy. Noho izany dia ialako tsiny raha tsy afaka ny hamoaka ilay hafatra iray nalefanareo taorian’ity aho. Mino aho fa tsy vitsy aminareo no mety ho manana fifandraisana na dia iray monja amin’ireo olona tianareo handefasana ny hafatra, koa iangaviako ianareo, avantano mivantana any ny hafatra sy ny fihantsiana fa aza atao ato anatin’ny takelaka azafady. Misaotra indrindra

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :