Omaly alina tamin’ny 10 ora sy sasany teo ho eo no saiky hotanterahana ny fiosamborana an’i Andry Rajoelina. Niaraka tamin’ny camion avy ao amin’ny fivondronana ny EMMO/NAT ka ireto voalohany no nasaina nanala sakana (fitoeram-pako). Ry zareo kosa nijanona lavidavitra.
Nahita izany ny mpiambina an’i Andry Rajoelina ka nivoaka nanontany ny antony. Nalana ny rivotra tao anatin’ny kodiaran’ny camion ,ary voasambotra ny telo tamin’ireo tao anatiny.
Nisy basy ni^poaka tsy nahy anefa tao anatin’ireto EMMO/NAT ireto ka nifandratra izy samy izy tao ry zareo. Noheverin’ny tao an-tanana fa natao ho azy izany poa-basy izany, ka dia mba nampanenoiny koa ny azy.
Mbola hitan’ny mpanao gazety (izay afaka nankeny) teo amin’ny arabe moa ny ran’izay voan’ilay poa-basy tsy nahy (Vokatry ny hoe olona tsy havanana, na tsy natao hitam-basy ve izany? Asa!)
Lasa nitsoaka moa ireto miaramila ireto rehefa nitranga izany rehetra izany.
Fa taorian’izany kosa dia napetraka amin’ireo sampanana rehetra mitondra ho any Ambatobe ny sakana.
(Source RADIO ANTSIVA Fm 97.6)
Filed under: fiaraha-monina, politika, tapatapany | Tagged: 13 mai, Ambatobe, Andry RAJOELINA, mouvement populaire, Radio Antsiva, riots, VIVA |
Vandy kohay ‘ty resakanao ‘zao !!!
Lainga, ny mpiambina an’I Andry no nitifitra.
Ary amin’ny source internet hafa indray dia milaza fa ny proTGV no nitifitra ilay miaramila.
Grave ihany ity miaramila aty Madagasikara fa tena mafy ady be na ny akanjo (sy kiraro!) hita anaovany ary…
Resaka hafa ity : Fa aiza kay i Dolin ? nahoana no tsy hita intsony miaraka @ TGV ? Sa ao ihany fa tsy hita fotsiny ny sariny ? Misaotra indrindra e !