Silence Radio

Efa andro maromaro izao no nahamarika ireo rehetra mpanaraka ny onjam-peo samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina azy fa mavaivay tokoa ny adin’onjam-peo (geurre de communication). Samy mamely sy manovokvoka ny ankolafy raisiny ho fahavalony daholo ny andaniny sy ny ankilany.

Fa izay nahavalalanina ny maro dia ny nahatsikaritra fa iharan’ny « brouillage be mahatsiravina  »  ireto onjam-peo roa ireto : 97.6FM (ANTSIVA) sy ny 98.8 (VIVA Radio). Somary nisy ihany koa izay « sarintsari »-na brouillage izay tamin’ny onjam-peo 100.8 FM.

Nilaza ny hiezaka hitady izay fototr’izany ny ao amin’ny Radio Antsiva ary hanao « silence Radio » aloha rahampitso tontolon’ny andro. Holazainy amin’ny Alakamisy ihany izay vokatra, na koa tsy fahitam-bokatra, aorian’izay Alarobia tsy miloa-peo izay.

Ny zavatra mahagaga tokoa amin’izy ity raha mihaino ny 100.8 FM ianao, dia tsy mitsahatra isan’andro ny fandraisana antsi an-telefona ao amin’io Radio iray io, ary dia tsy zava-baovao amin’ny sofinao intsony ny mihaino fanaratsiana isankarazany ao. Izany hoe rehefa tsy heno ny VIVA dia ny 100.8 FM (Radio MADA) indray no manao ny ataony. Efa ela kosa ny 97.6 FM no nanapa-kevitra, mba ho fisorohana ny mety ho fihoaram-pefin’ireo mpiantso, fa tsy hampiditra antso an-telefona mihitsy aloha. Fanadihadiana no entin’ingahy Ismael Razafinarivo ao isan’andro. Fanadihadiana izay tsy hitako velively hoe mitongilana ho an’iza,na ho an’iza. Nefa dia izay no zavatra zakaina. Brouillé-na ny onjam-peo. Fa inona tokoa moa izany no atahorana ka tsy ahasahian’ny fanjakana mandray fanapahan-kevitra toy ny nataony tamin’ny VIVA Radio raha ity resaka Antsiva ity no dinihana akaiky? Misy tombon-tsoan’iza amin’ny fanaovana brouillage? Sa misy iza atahorana ao amin’ny Antsiva? Ary maninona no tsy misy fepetra raisina momba ireo antso an-telefona maro miendrika fihantsiana ao amin’ny 100.8 FM? Sa ve satria an’ny tompony io?

Angamba izay deux poids, deux mésures izay foana no efa fototry ny olana ka tokony hialàna.

Fa tsetsatsetsa  tsy aritra no hilazako vaovao iray sendra mba reko tao amin’ny TV Plus Madagascar. Nilaza, hono, ireo mpaisan’ny TvM sy RnM fa mbola manohy ny asany tsara tokoa, SAINGY, ny fanomanana no atao etsy Anosy, fa avy eo kosa dia tsy maintsy alefa any Iavoloha daholo aloha ho sivanina. Any rahateo no foibe iaingan’ny TVm sy ny Rnm, raha araka ilay vaovao ihany.

Mbola tsetsatsetsa tsy aritra ihany koa no iaingan’ny fanontaniana raha sendra mba nahatsiaro ny « Sabotsy mihoson-drà » ny tena, Fa mba nankaiza ny Jeneraly Dolin Rasolosoa e? Toa tsy re na henoheno intsony taorian’ireny?

Ary tsetsatsetsa farany ny hoe, dia ahoana indray izao hoy i Mgr Odon Razanakolona momba ity pao-basy sy fisamboran’olona sy fandefasana grenady mandatsa-dranomaso eran’ny tanana ity? Tafiditra tao anatin’ny fepetra napetrany talohan’ny niverenany ho mpanelanelana indray mantsy ireo. Ny hariva teo mantsy dia nijanona an-dàlana mihitsy aho nony tonga teo Ambohimiandra (avy any Mandroseza aho tamin’io). Feno fiara mijanona ny sisin-dàala, ary feno tànana manondro mankany Ambohipo any. Dia mba nijanona sy nitopy tany koa ny tena. Setroka mainty ery an-tampon’Ambohipo, akaikin’ny tampom-piakarana sy aty amin’ny ambany indrindra no tsinjo Ary ankoatra izay dia setroka manga ihany koa (somary manify izany ilay izy). Tsikaritra eny an-tampon-kavoana sy eny ambony tafontrano eny koa ny olona maro (manaraka akaiky ny raharaha sa mandositra ny gidragidra? Tsy haiko)

Fanontaniana saro-baliana ny mbola hitranga rahampitso Bàba a! Toa tratry ny « Silence Radio » hatramin’ny mpanelanelana sy ny sisa mantsy e!

2 Réponses

    • Fangatahana voaray teto amin’ny Gazety-Adaladala ka aòpitaina amin’ny Webmaster misahana ny anio-info
      .com « Asa raha mba misy safidy tsotsotra kokoa azon’ny rehetra hanarahana ny radio Antsiva ankoatry ny tsy maintsy hampiasana ny plugins java izay misy amin’ny solosain’ireo te-hihaino no tsy mahazaka azy« 

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :