Niverina i Mgr Odon Razanakolona, gidraka any Fianarantsoa, Feno rasil Andoharanofotsy

Niverina hanelanelana indray Mgr Odon Razanakolona noho ny fiangavian’ny Firenena Mikambana. Nametraka fepetra anefa aloha izy amin’ny tokony hanajanonana ny fisamborana, fitifirana, fandranitana, ny tokony hamelana ny vahoaka ho afaka maneho hevitra an-kalalahana ihany koa, ary ny hijoroan’ireo ‘lehilahy lehibe’ ho tena tompon’andraikitra ka hitazona ny teny nomena…Midika ve izany rehetra izany fa raha tsy tanteraka ireo dia hiala indray izy. Wait and see!

Gidraka be tany Fianarantsoa, nisy iray no maty, 13 ny naratra, ka 6 amin’ireo no tena atahorana mafy ny ainy.Raha ny tatitra voaray avy any dia toy ny romotra mihitsy ireo miaramila teo am-panatanterahana izany. Efa miitatra hatrany amin’ny faritra rehetra manerana an’i Madagasikara moa ity disadisa ity. Tany Toliara ohatra dia voasambotra i Robert Razaka andro vitsy lasa izay.

Feno miaramila Andoharanofotsy, tsy fantatra hoe izay indray no hosamborina? Alain Ramaroson ve? Satria nandeha be ny feo fa hoe hisy fisamborana faobe androany alina alohan’ny fisian’ny 13 mai rahampitso…..

Nilaza ihany koa ny solontenan’ny Firenena Mikambana tonga eto Madagasikara, i Haile Menkerios, fa hanao fihetsiketsehana am-pilaminana eo amin’ny 13 mai i Andry Rajoelina ary hanao izany am-pilaminana

Une Réponse

  1. matoa isika nomen’andriamnitra saina sy fanahy dia afaka mandinika tsara sy afaka mamakafaka vaomanao zavatra anakiray, na miteny na manoratra zavatra anakiray.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :