Vaovao mafana (Source 97.6 FM)

Avy any Toamasina: Tanteraka ny famoriam-bahoaka nomanin’ny CRN tany an-toerana. Nisy ny fisamborana. Voasambotra tamin’izany i Tabera R..manatsoa. Raha naka sary izany rehetra izany ny mpanao gazety (Herilala Andrianaivo) avy amin’ny TV Plus dia sady niharan’ny daroky ny mpitandro filaminana no nalain’izy ireo koa ny camera fitaovam-piasany Nosamborina sy nalaina am-bavany tany niaraka tamin’ny namany iray ity mpanao gazety ity ary navoaka rehefa tamin’ny 15h 30. Nogiazana ny findain’izy ireo nandritra izany rehetra izany.

Avy eto Antananarivo: Nifamotoana teny an-kianja indray ny mpomba ny TGV. Nanao antokony telo izy ireo rehefa nihazo an’Anosy handeha haka Ministera. … Latsaka afovoany ny miaramila ary ireo vadina mpitandro filaminana nitondra sora-baventy no nialoha làlana ny mpilahatra. Tsy nisy ny poa-basy… Niala mora ireto mpitandro filaminana rehefa voahodidin’ny vahoaka. Sadaikatra ihany koa ireo milice nanao ankanjo fluo teny amin’ny ministera teny nanoloana ny hamaroan’ny olona…Vaky ny barrages roa voalohany ary eo am-panaovana negociation amin’ny barage farany ankehitriny (15h 25) ireo andaniny sy ankilany. Ny delegasiona dia nomena alalana hiditra any anaty ministera hijery izay ao, fa ny vahoaka kosa tsy maintsy mijanona aty ivelany.  Nangataka moa ireto delegasion ireto ny hisian’ny mpitandro filaminana hiaraka amin’izy ireo any, saingy tsy nety ireto farany fa nilaza hoe « Efa any aminareo ny baolina…. Malalaka ny làlana… Afaka miroso ianareo »

Ireo milices moa araka ny tatitry ny fampielezam-peo hatrany dia misy ny nanary lamba.

Asa raha noho ny fisian’ireto vadina mpitandro filaminana tao anaty laharana tokoa no nampiahotra iretsy farany tsy hampiasa hery.

Nalana izao hariva izao tsy ho minisitry ny atitany ao amin’ny governemanta Charles Rabemanjara ingahy Gervais Rakotonirina.

Tsy any an-kianja moa ny tena izao manoratra izao, noho ny asa aman-draharaha, ka mazava ho azy fa tsy hisy ny sary ho anareo. Ny radio 97.6 FM no source henoina mivantana avy eny amin’izao.

Amin’ny 15h30 izao. Miandry ny tohiny isika

(hafatra hitanao ihany koa ao anatin’ny tranonkalan-tserasera http://malagasymiray.net


19h 44 izao aty Magadasikara. Fanampin’izay efa voalaza ery ambony ireto ampitaiko ireto:

Ireto avy ny ministera azon’ny Transition hatramin’ny anio tamin’ny 6 ora hariva teo:

Ministeran’ny Filaminana Anatiny

Ministeran’ny Atitany

Ministeran’ny Fanajariana ny tany

Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena izay samy eo Anosy avokoa.

Voasambotra tany Toamasina ihany koa ingahy Betiana Bruno  avy amin’ny CRN

Teo anelanelam-potoana teo anefa dia nisy koa ny Filan-kevitry ny Ministry ny Governemanta Rabemananjra,
ka nanendrena ho Minisitry ny Atitay an’ingahy Rabenja-tseheno-arisoa (anarana nosoratako araka ny nahenoako azy, ary hahitsy araka ny fahazoana ny tena fanoratra azy)

Niandry teny akaikin »ny Hotely Carlton sy ny manodidina an’Anosy iny ireo vahoaka marobe ireo hatramin’ny 6 ora mahery nanoratana ity hafatra ity.

Fa ankoatra izay dia na eo aza ny hafanàna politika, dia tsy tokony hanadino ny teotr’andro isika. Misy andro ratsy miforona any Atsinanana any. Ao amin’ny ranomasimbe indiana. Mananontanona an’Analanjirofo. Mitondra orana betsaka.
Araka ny vinavina dia hiditra ny faritr’i SAVA izy io afaka 24 ora any.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :