Général Désiré RAMAKAVELO

Mba angatahana indrindra ianao izay hamaky ity lahatsoratra ity mba tsy hitsara avy hatrany ny firehana ananako. Fampitàna vaovao toy ny rehetra ihany izy ity. Ary izay re sy hita, ho ahy manokana, dia alefako eto daholo. Nefa araka ilay fanamarihana nataonareo mpamaky any anatin’ny iray amin’ireo hafatra nalefako teo manao hoe ‘AZA MIHINANA AM-BOLONY’, dia hoy kosa aho hoe: ‘ATAOVY VOANKAZO AN’ALA…ALOAVY’ rehefa tsy tiana, na rehefa hitanao fa voankazo lo. Ny olana mantsy dia rehefa mampita ny olona, misy ny miteny fa izao sy izao ianao e, itsy sy irao ianao e. sns… Rehefa tsy maheno na inona na inona indray dia hoe : Aiza izay mpampita vaovao no tsy milaza ani-itsy sy irao e, sns… Nefa anie mamaky ihany koa e.

Hiditra amin’ny tena anton-dresaka amin’izay aho.

Niseho tamin’ny TV Plus ny Gal RAMAKAVELO io hariva io, ary nidera ny fahasahian’ilay Ministry ny fiarovana nametra-pialana. Raha toa kosa ka tsy misy sahy iretsy lehilahy.

Fa ny nametrahan’ilay Minisitra fialàna no ela, dia voatendry iray sy valo ny solony. Toy ny manao hoe, raha iray no miala, folo no mitady toerana, ka mahazo miala izay te-hiala.

Re koa androany fa misy ireo Ministra lehilahy ireo no tsy sahy mamonjy birao, na raha mamonjy izany dia miovaova fiara sy tsy sahy mametraka sainam-pirenena amin’ny fiara. Ary mivoary any amin’ny toerana miafina any ireto ambiny ireto.

Nilaza ny tao amin’ny Radio Antsiva androany alina fa nisy olona akaikin’ny fitondrana nilaza taminy fa ireo minisitra tavela irao dia nahazo teny tamin’ingahy Ravalomanana, toy ny hoe ‘MISIA MIALA EO ANIE E, MIARA-Mi….ETO DAHOLO’. Tsy tohizako no tohiny hoy ilay mpanao gazety nanohy ny teniny. Toa mifanohitra amin’ilay eritreritra ery ambony anefa raha ity lalan-jotran-kevitra eto ity, dia ilay manao hoe ‘raha iray no miala, folo no mitady’

Marihako fa isan’ireo teny an-kianja ny Gal RAMAKAVELO tamin’io sabotsy io, ary isan’izay manamafy koa fa tsy nisy ny Sommation (mba ho anareo izay nilaza fa nisy sommation ity hafatra ity).

Ataoko fa tsy Gal manana ny lazany sy tsongion’olom-bolo toa azy no handeha hamafy zavatra tsy nisy araka izay fieritreritry ny sasany ny fampitam-bavovao nataoko teto. Nilaza mihitsy aza ity Gal ity fa ‘CRIME CONTRE L’HUMANITE » no nitranga teny Antaninarenina, ary mendrika ny hotsaraina eo anatrehan’ny ‘TRIBUNAL PENAL INTERNATIONAL’, na tsy hisy hitory aza ny fanjakana Malagasy, satria, hoy hatrany izy, dia nisy ny mpitifitra avy ao amin’ny Banque Centrale, avy ao amian’ny Hotel du Louvre, avy ao amin’ny Trésor (toy izay nolazaiko fa tsy ninoan’ny maro). Tsy olona vonona handamina sy hitandro filaminana no teny hoy izay fa olona efa niandry fotsiony ireo vahoaka niniana navela hiroso anaty fandrika mba hovonoina.

Raha ny tokony ho natao hoy izy, dia tokony ho nisy ny fampitandremana tamin’ny alalan’ny megaphone, na fanamafisam-peo hafa atao in-telo miantoana hoe ‘MIPARITAHA IANAREO FA HAMPIASA HERY IZAHAY’. Rehefa tapitra io fampitandremana intelo miantoana io ka mbola miroso ny vahoaka, dia alefa ny baomba fandatsahana ranomaso. Ny tanjona amin’izany dia ny hampiparitahana ireo vahoaka. Na tifirina rano amin’ireny fiara mpamono afo ireny ny vahoaka ho fanaparitahana azy.

Zavatra iray tsy hita teny koa hoy ihany ity Gal ity dia ny ‘absencen’ireo manampahefana, ohatra mba teo ny ‘prefet de police’ farahafaratsiny. sns…

Maro moa ny resany saingy tsy vita ny hitatitra azy eto anio fa aleo mba ny hafa indray no hiteny, kanefa mino aho fa mba ampy hisy isainana izay nolazainy.

Nisy tamin’ireo fianakavian’ny maty no nametraka ulyimayum hamerenana ny fatin’ny havany androany. Hitany teny Antaninarenina ny fatin’ny havany, saingy rehefa notetezina ny hopitaly dia tsy hita mihitsy ny razana. Olona avy any atsimo ireto olona ireto. Ary nilaza hanao zavatra ‘mampihoron-koditra’, hoy ny mpanao gazety nilaza azy tao amin’ny fampielezam-peo androany tolakandro.

Hatreo aloha ny androany fa rahampitso raha mbola misy fitahian’ny Tompo

2 Réponses

  1. Raha izaho manokana dia efa ela io minisitra io no tokony niala. Efa tokony t@ korontana famaizana fivarotana sy tranon’olona ireny. Inona no ilaina fiarovana raha ireny aza tsy hita izay nafitsony. Asa aloha fa samy manana ny fomba fijeriny. Ny mahagaga ahy dia tsy dia nasian’olona resaka ireo fatin’olona may kila sy voatoto t@ ilay alatsinainy mainty irY? Nefa iza moa no nitarika azy ary tsy nahafehy azy? Dia efa fantatra fa ireto olona tarihina dia mpanararaotra no betsaka dia mbola voizina ihany fa mafy tokoa izany fitiavana seza. Teny kely fotsiny aty dia mety ho may ny fanananao, ampanjakain-dry zareo tokoa ny fahalalan’izany hoe demokrasia. Vava tsyambina dia mety ho raharaha ny ahazo ka aza manome tsiny fa nahorina tsy azo t@ ny seza fa tena hatsemboana.

  2. Leo tanteraka ny anaovanareo sy hitondranareo mpanao politika vao misondrotra sy ireo efa nanao politika an-taonany maro ny FIRENENA aho satria tena nodisoinareo ny fanantenako ! raha nampanantenaina fiovana ny ho tsaratsara kokoa ny vahoaka dia ny mifanohitra amin’izay no hita eto

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :