Andry Rajoelina vs PDS

Nilaza ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina androany teny ankianja fa hidina any Diego amin’ny andro manaraka. Niova tampoka anefa izany laminasa izany androany hariva. Antony, napetraky ny Minisitry ny Atitany sy mpitandro filaminana mirongo basy marobe teny Mahamasina androany ny PDS (mpiara-miasa tamin’ingahy Patrick Ramiaramanana teo aloha ihany).

Tsipahin’i Andry Rajoelina ity fametrahana ity, noho izy ity tondroiny fa tsy nanaraka izay lazain’ny lalàna momba ny fombafomba fametrahana ireny PDS ireny, izay tokony ho noraisina amin’ny Filankevitry ny Minisitra, ary mbola misy koa fe-potoana tokony ho najaina. Nofoanany araka izany ny fisian’ireo sefo fokontany.

Voalaza fa nopitsohana mihitsy ny birao fiasany mba hahafahana nametraka an’ingahy PDS Guy Rivo R.

Nanome hafatra ho an’ireo vahiny monina eto ny Ben’ny tanàna mba tsy hivoaka ny trano ( odryyyyy! ) satria manomana ‘sit-in’ eny Mahamasina sy Tsimbazaza izy  sy ny mpiara-dia aminy rahampitso manomboka amin’ny 10 ora maraina, ho fanoherana ity fanapahana ity. Dia sanatria ho tapaka indray ve ny fianaran’ny ankizy e?

Zahay izao efa mividy dobera 12.500FMG ny iray, ny menaka efa 30.000FMG ny litatra, ny arina fandrehitra efa 125.000FMG ny iray kitapo…Ny vary efa misy 7500FMG ny kilao.

Ankoatra an’io dia mbola hisy koa ny fihaonana amin’ny vahoaka amin’ny Sabotsy any ho any, ary hafanain’ny tarika ROSSY

Dia mitohy indray izany ny « guerre juridique » e!

Ny tantara dia mbola hitohy e! mbola hitohy e! mbola hitohy …hoy ilay iraikalahy mpihira izay.

Re koa fa mitokona tsy manaiky intsony ny fipetrahan’ireo vazaha hiasa ao amin’ny oriasany amin’ny karama be tsy hita noanoa ny mpiasan’ny AIR Mad. Voalaza fa any amin’ny 30.000 Euro ny karaman’ny vazaha ao.

Une Réponse

  1. Maro dia maro ny zava-miseho eto @ firenena, ary tsy hay intsony ny sambasamba sy izay paika matotra!

    Fanontaniana tsotra: tsara kokoa ve ny fandraisan’i Andry Rajoelina ny fitondrana (ampahany na manontolo) sa ny fananganany fikambanana matanjaka miaro ny zon’ny Malagasy?

    Hitondra olona vaovao ao @ fitondrana ve no anton’ny fitaitainan’ny vahoaka sa fahafahana milaza ny fahoriany sy ny ao am-pony?

    Misaotra an’i Gazetyavylavitra manome vaovao.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :