Taorian’ny fahatongavan’ingahy Ravalomanana

Nisy fivoriana maika androany hariva, ary dia tapaka tao fa ‘na amin’ny fomba ahoana, na amin’ny fomba ahoana’ (coûte que coûte) dia tsy maintsy atao anio halina ny fakàna ny ’emetteur’ Radio VIVA eny Ambohimitsimbina, sy ny fitadiavana ary fisamborana ny Ben’ny tanàna Andry Rajoelina, miaraka amin’ireo olona tafiditra ao anatin’ilay lisitra misy ny anarany.

Raha nandalo teny Talatamaty ny cortege nitondra azy dia ny olona nanamorona ny arabe kosa nohorakoraka hoe ‘TGC, TGV, TGV’, ary teny amin’ny CENAM 67ha kosa indray dia nanao sit-in teo amin’ny arabe ny mpomba an’i Andry Rajoelina mba haneho hevitra amin’ingahy Ravalomanana fa tsy mankasitraka ny fomba fitondrany izy ire.

Maromaro ihany ireo olona tonga teny Ankazomanga (ireo nizarana vola Ar5000 sy notaterina tamin’ny fiara) mba hanotrona sy hitsena an-dramose.

18h 56 Vao voaray teo ity: Raikitra ny tora-bato entre ny mpomba ny TGV sy ny mpomba ny mpitondra. Raha ny vaovao azo dia ny mpomba ny filoha no tonga mba handrava ilay sit-in, ary niteraka ilay korontana, sy nandrava koa ireo fefy tsara teny amin’ny sisin’ny arabe, noho ny tsy fahazakany ny hiaky ny olona niatsoantso hoe ‘TGV, TGV’. Niantso ny mpitandro filaminana hamonjy eny sy handamina izany ny Radio VIVA, ka asa raha hankeny ireo na tsia

18:59 Misy delegasiona nianinga izao hariva izao avy any Mahajanga mba hamonjy sy hanatevin-daharana ny hetsika etsy amin’ny 13 mai rahampitso

Araka ny onjam-peo ihany dia ireto no isan’ny olona hosamborina: Andry Rajoelina, Gilbert Raharizatovo, Nirhy Lanto, hoy ny Radio VIVA

19h30: Toa efa tsy matoky intsony ny foloalindahy sy ny tafika aty ivelany ny filoha, ka dia ny Sécurité Présidentielle no re fa halefa hanatanteraka ny baiko fakana an-kekriny ny ’emetteur’ sy ny fikarohana an’i Andry Rajoelina anio halina. Ary tsy maintsy mahita vokatra na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

20h10: tapaka tanteraka ny làlana eny amin’ny NY HAVANA 67ha noho ny fisian’ny hetsika tampoka nataon’ireo mpomba ny TGV. Voatery nivily làlana nankany amin’ny digue ny cortege prezidansiely avy eny ivato raha saika handalo an’iny faritra iny. (s: Lalatiana Rakotondrazafy)

Nolazain’io loharano io ihany koa fa misy andian’olona mpomba an-dRavalomanana niainga teny Ambohimanarina mba hankeny amin’ny foeiben’ny Radio VIVA, ary efa tonga eny Ankazomanga eny amin’ny fotoana anoratana ny vaovao.

Tsy maintsy hisy ny zavatra hitranga amin’ity alina ity fa dia araho foana ny vaovao avy aty Dago, ho anareo any lavitra any, na izany alefan’ireo izay afaka mampita mandritry ny alina, na izany ho rahampitso

20h38 : Nivadika ho lanonana ny hiakiaka fanohanana ‘TGV, TGV’ eny 67ha. (s: R.V). Namonkona totohondry kosa ny Praiminisitra tamin’ny sarin’ny MBS raha nilaza fa tsy maintsy hisambotra ny Ben’ny tanàna izy. Fiara maro be no lasa nanatitra an’ingahy Ravalomanana any amin’izay toerana hatoriany (tsy fantatra na Faravohitra, na aiza (s: Fidel Razanapiera)

21h15 Vahoaka be no mihorakoraka aty ambany tetezan’i Behoririka aty izao

22h18 Misy 4 x 4, vitre fumé, maka an-keriny ireo mpomba an’i TGV sendra tafasaraka amin’ny maro. Andian-jatovo manao mamomamo no mively kobay ny fiara izay sendra azy eny an-dalana ary milaza fa hoe avy amin’ny TGV, mba hoentina mandoto ny hetsiky ny ankilany

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :