Norarana ny VIVA TV

Voarain’ny Fahitalavitra tsy miankina ny andron’ny 13 desambra 2008 teo ny taratasy mandrara azy ireo tsy handefa fandaharana intsony. Izany dia niseho taorian’ny nandefasan’ity ‘chaine privée’ ity ny hafatra avy tamin’ny filoha teo aloha (Amiral RATSIRAKA). Maro anefa ireo fampielezam-peo sy fahitalavitra no nandefa ireny hafatra ireny, saingy ity fahitalavitra izay an’i Andry RAJOELINA ity ihany no nakatona. Misy zavatra mampitsangana fanontaniana ihany koa dia ny hoe, rehefa nanorisory ny fanjakana ny RDB (an’ny Katolika) dia tsy ny fanakatonana no natao, na ny fandrarana ny fandaharana KARAJIA. Tsy sanatria malahelo fa tsy niharan’ny sazy henjana toy ny VIVA ny RDB, fa fampitahana kosa fa misy ny MIZANA TSINDRIANA ILA eto amin’ny tany sy ny firenena, ka rehefa hita fa mety ho ratsy ny tohiny dia hafa ny fepetra raisina, ary rehefa tsy dia atahorana, dia ‘henjano ny tady’. Deux poids deux mesures e!. MBOLA HO ELA NY DEMOKRASIA HO AN’I MADAGASIKARA ZALAHY A!
Mandefa fankaherezana ho an’ny fanjakana aho, ka hoy aho hoe, mahereza, mahatanjaha, ka akatony daholo ireo onjam-peo, fahitalavitra, gazet nandefa sy nitatitra ny hafatra avy amin’ny Amiraly RATSIRAKA. Amin’izay dia hibaribary sy ho hitam-bahoaka tokoa fa fanjakana matanjaka sy tsy refesi-mandidy no misy, ary tany ‘TAN-DALANA’ i Madagasikarantsika (fa tsy ahy irery)

14 Réponses

  1. ka izany no tena any ambadiky ny sainy amin’ilay hoe map ko.
    mapanatena

  2. mampalahelo le toe-tsain’ni Rafanjakana, nefa io no hamotika azy tsy hoela raha tsy manarina haingana izy, firifiry ny efa ni diffuser an’iny conference de presse nataon-dradidy iny raha tsy hiteny fotsiny ny tv+, Radio antsiva aho fa naninona anefa ireny no tsy nakatona, satria tsy misy hifandraisany @ Maire andry Rajoelina, tena matahotra an’io bandy kely io mihitsy ravalo, satria tsy vitan’ny resin’ny Andry fotsiny izy eo sehatra Bussiness (anisan’izany ny Haino aman-jery), fa efa manomboka makany amin’ny fon’i Andry koa izao ny vahoaka (Antananarivo alou de ho hita eo ny ambiny)
    de tena hataoran-dravalo tsotra izao nedala satria mihevitra izy fa hangala-tahaka azy i andry @ fangalana ny fitondrana.
    tsy maharitra io fanakatonana io toy ny garre routiere sy ny SAMVA ihany tsy maitsy hiverina ihany rehefa avy eo fa tsy ampy porofo sy fahefana handrobana azy Rafanja

  3. TSARA HO AZY IZAY E !!! ELA NY ELA. ELA NITORATORAHANA RAJOELINA KA NAHAVOA MASONANGATRA. EFA LAZAINA FA AZA MIRA MIHINANA @ RATSIRAKA MBOLA EO IHANY. GADRAINA KOA NO METY @ INY BANDY INY E.

  4. Marina mihitsy izany. Bandy manakorontana saim-bahoaka fotsiny. ny maire izany tsy hilingilingy hanao politika no nitadiavana azy fa handroaka fako sy hanamboatra ny lalana. zao ty feno lavadavaka ny tanàna, ny fako tsy voaroaka, ny peste mamely.

  5. aoka isika hivavaka ho an’ny fitondrana fa misarika azy mafy ny herin’ny maizina.Mivavaha isika mba hahay hanavaka ny tena vary amin’ny akofa maina izy , hitantanana ny firenena any amin’ny lalan’ny fandrosoana fa tsy ho variana amin’ny zavatra tsy mamokatra.

  6. MAMPITANDRINA AN LA NY VAHOAKA MANERANA NY NOSY RA8 FA FOTOANA FOHY SISA DE ALAIN’NY VAHOAKA DAHOLO IZAY NALAINA TAMINY MIARAKA @ TAMBINY. TY TENA RATSY

  7. Samy mijery siteweb ry malagasy ary soraty ny « DAEWWO SE PAIE MADAGASCAR »

  8. Slt daholo,

    N tena marina ts tokon niditra tam resaka politika mihitsy i Andry Rajoelina e.. au bout du compte il n’y connaît rien du tout!

  9. Ny tena marina, ohatran’ny fandrika fotsiny iny diffusion ny TV VIVA iny dia tombé dans le panneau ny fitondrana. Satria efa fantatr’i Andry fa tsy maintsy réagir i Ra8 quant il s’agit de TGV.
    La preuve est faite qu’on est encore loin de la démocratie ni de la liberté de la presse.

  10. zao kosa ry zalahy a!
    i Amiral anie raha tsy fantatsiaka dia exilé politique e!inona moa no efa nataon’zany hoe amiral fa tsy ny fampijaliana ny malagasy nandritra ny 23 taona be zao?
    Ary eo andanin’izany,olona manana mandat d’arret iny amiral maminareo iny!Rehefa tianareo iverina izy dia avereno fa raha tenany kosa aloha tsy anaiky satria mafy loatra izay zavatra nampitondrainy ny malagasy zay!Ohatran’ny hoe tsy misy dikany zany ny t@ 2002 e!!!
    Io ange ry reto,mitovy @le ohatra hoe i Sombila,dahalo recherchéna be kanefa misy ohatra radio na tele midiffusé an’azy,inona ny reactionanareo?Toy izay kao iozavatra io,atteinte à la pudeur de l’état nge io e!
    Ary ny mampihomehy antsika malagasy dia izao,robaina ny tiko fa hoe mangalatra marché!avy eo anefa tsy misy menaka,tsy ampy ny PPN dia manome tsiny ny fanjakana ndray isiaka hoe tena mahantra mihitsy ny gasy,mijaly mihitsy ny gasy.
    Lay izy ve tsy tokony examen de conscience avy isiaka tsirairay hoe ny toe-tsaitsika ve no mahatonga izao sa ny fanjakana!?
    Teny atsipy ny ahy iny.
    Misaotra betsaka e!

  11. Fandrika b mits le kôzn-draDid tam viva e!
    Otr’izay ko ny fandrika novelarind-ra TGV oan’ny gasy kely tam teny Ambotsiroitra atao forcing fotsin.
    Jereo ange ty site ty : http://www.youtube.com/watch?v=ZTcm8spNoEU&feature=related

  12. omeo an i tgv foana izay tadiaviny:

    omeo ahy ny emetteur-ko ; nomena

    omeo ra mandriaka aho, mihena ny olona miaraka amiko ka mila atao sorona ny vahoaka; nomena azy izany satria nitifitra ny fanjakana malagasy

    dia mba omeo azy am izay ny fahefana eh!

  13. ie omena azy ka na ny ainay aza raha tiany dia omena azy koa fa ianao angaha ahoana? aza marary fo ééééééé! foinay ho an’i ravalo aza ny zavatra maro inona no tsy efa nomena azy? koa maika f’izay zany! ODOHEEEEEEEEEEE

  14. KO NA MIKONE LESY IZY NA TSY MIKONE TSY RARAHINAY FA MILA FOTSINY R8 MIALA DE ZAY FA MANKALEO ALEO MIOVAOVA NA IN-100 AZA TOY IZAY HIPETRAKA EO IHANY. ZAVATRA EFA SAMY HO RATSY DAHOLO ZAY AVY EO TSY ALEO MAKA TSIRONY @ FIOVANA MITSAPA VODY AKOHO VE. FARANY TSY HAHAZO ATODY? MAZAVA? ALEO MIALA FA MANKALEO EO FOTSINY IO R8 MANAMOLY IO

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :