BEHORIRIKA: SUPREME CENTER sa SUPREMATIE SINOA

Zavatra tsikaritry ny rehetra tato ho ato fa isak’izay misy trano mijoalajoala an-dalam-panorenana dia matetika SINOA izao no ao ambadika ao. Mba tsy hilazana fa SINOA foana no mampanao azy ireny. Isan’ireny ny tranobe misahana famarotana fitaovana momba ny haitao informatika etsy Behoririka, tsy lavitry ny tetezana. Sendra nandalo teo ny tenako, tao anatin’ireny oram-be ireny. Nizotra tamin’ny ilany havanana raha ho any an-tsenan’Andravoahangy ny dia. Sahirana mafy nitady izay hodiavina, etsy an-daniny ny ataon’ireo mpivarotra fiara eny amoron’iny lalana iny, ary etsy ankilany ny nataon’ireto sinoa ao amin’ity tranobe feno fivarotana ity.

Sahirana ny mpandefa an-tongotra satria dia nasiana tsatoka (irony karazana aro fanina irony) miisa roa eo amin’ny lalana natokana ho azy ireo. Ny orana avy, ny tena tsy maintsy handalo eo, ary koa tsy maintsy hidina any anaty arabe natao ho an’ny fiara mifamoivoy.
supreme_center2
Tsy nahatsindry ny tena ka nanatona ireo mpiandraikitra ny fiandrasana varavarana teo amin’ny tranom-barotra, nanontany izay fiavian’ireny. Tsotra no navaliny. Ny SINOA.

Nangataka ny hihaona tamin’ilay sinoa voalaza ary ny tena, nefa tsy tao io, fa Malagasy iray no nadray tao. Rehefa naseho azy ny sary nalaina teo amoron-dalana, dia namaly izy fa tsy misy resaka azony atao fa raha mila fanazavana dia mandehana manatona ny Commune fa ry zareo no nanome alalana (autorisation),
supreme_center
ary angaha, hono, tsy hitanao fa misy laharan’ny fanomezan-dalana avy amin’ny Commune ilay takela-by ao.

Rehefa nandalo teo aho omaly alina ‘mbola tao anaty oram-be ihany), dia faly aoka izany nahita fa tsy teo ireo tsatoka tsara tarehy hitako rehefa antoandro ny andro. Hay mba nisy vokany ihany hoy aho ilay teny kely natsipiko. Saingy indrisy, fa nony maraina ny andro, dia indro fa nijoro nanelingelina ny rehetra, sy tsy namela ny mpandeha an-tongotra hizotra an-kalalahana indray ireto zavatra noheveriko fa mba efa nilamina.

An’iza ary ny tsiny raha sanatria misy loza mihatra amin’ireo mpandeha an-tongotra voatery tsy maintsy midina any anaty arabe rehefa mandalo eo amin’ny SUPREME CENTER? An’ilay mpandeha an-tongotra ve satria izy any anaty arabe no mety ho nodonin’ny fiara, ka aleo maty any fa tsy mahay mitandrina? Sa an’ny Commune satria izy no voatondro ho nanome alalana? Sa an’ny SUPREME CENTER satria azy ireo tsatoka mipetraka mitondra fnohintohinana ny fivezivezen’ny daholobe? Sa an’ireo mpivarotra fiara miteraka fikorontanan’ny parking eny amin’iny faritra iny, izay efa nifampiresahako an-telefona tamin’ny delegué au maire-n’ny Firaisana fahatelo hatramin’ny ela? Misy amin’ireo mpivarotra fiara ireo aza, hoy ny olona eo amin’ny manodidina, no sahy milaza fa tsy misy mahafaka azy eo fa efa omeny vola ny polisin’ny Firaisana ( Aza hitako anie ka marina izany, sanatriavin’ny vava!) Aoka izay manan-tsaina no hamaly izany!

Fa tsetsatsetsa tsy aritra farany no ilazana, fa nandritra ny fanamboarana io trano io, araka ny resaka nifanaovako tamin’ny mpivarotra eo ambany eo, dia be ny tsy rariny nozakain’ny mponina manodidina. Feno fako ny tafo, potika ny antenne tele , nitsakitsahina tsy misy fierana ny tafon-trano, tafiditra any anaty echaffaudage any ny enatenne sasany ka sahirana manodina ny ao an-trano, nefa tsy mahita rirany, hay voagejan’ny bois rond ampiasain-dry zalahy ny zavatr’olona ka tsy afaka mihodina mitady izay fahitalavitra tiana hojerena. Izany no niaretan’ny olona teo amin’ny manodidina ity tranobe mijoalajoalan’ny taonarivo fahatelo ity. Izany koa angamba no mbola tsy maintsy hozakaina vokatry ny SUPREMATIE SINOA

Miteny ho azy ny sary
****************************************************

10 Réponses

  1. tsara ny fanamarihana nataonao nefa aiza marina ny olana? aoka tsy hanome tsiny ireo sinoa fa matoa ireny nitsangana ary tsy niala, dia efa nahazo toky tamin’ny tompon’andraikitra izy koa isika malagasy mihitsy no tsy lasa e! ary tokony handinika, satria ny vahiny anie raha tonga eto hitady vola ho azy aloha e! koa rehefa tsy misy rafitra marim-pototra eto amin’ny tanintsika dia hanjakan’ny vahiny ny tanana, e! hapetrao ny lalàna ary hampiaro dia izay na iza na iza dia ambanin’ny lalàna daholo.

    • Mampalahelo ny zavatra Iahainan-tsika eto Mcar(Tana) araka io resain’ilay mpanoratra teo ambony Ny manakatao moa io nolazainao io( Suprem ) Misy Ecole Rangahy eny rehetra eny : Feno Fiara minjanona ny manondidina nefa ny Mpianatra zay tokony handeha eny @ sisiny ndray no voan_tery milatsaka eny @ arabe ; dia toy izany koa ireo mpivarotra ambony Trotoire, ary hadinon’areo koa angamba lay eny @ digue Andranomena zay tsy azo lalovana ny eny @ côté droite raha hiakatra aty enVille dia io foana no iainatsika eto.

  2. Raha azoko tsara ny nolazainy lay namana teo ambony dia mifono fialonana tsotra zao.Supreme center na dia tsy vao sambany trano manana parking é!.Betsaka ny trano lehibe na kely izay manana izany talohan’ny nanorenana azy,ka maninona tsy tenenina ihany koa.Ka satria ve an’ny karana sa vazaha sa…Mampalahelo ny toe-tsaina e!!!!!Ny an’ny gasy kely dia rehefa tsy mahavita dia fialonana no mameno ati-doha.Eritrereto ihany éééééééééééééééééééééééé.

    • Asa ny olona nanoratra ity fanamarihana ity na mba manana maso mijery sy saina mandinika, fa raha mandalo sy mandinika tsara ny eo amin’io trottoir manoloana ny SUPREME CENTER io, dia hahatsikaritra tsara fa iny vy natao ho fefin’ny fidiran’ny olona mankao iny, dia centimetatra vitsy sisa no tsy ipetrahany eo ambonin’ny vato manjelatry ny trottoir. Sa tsy maninona na misy faty olona noho izay fitiavan-tena sy fitiavam-bola ary filelafana ny volom-b.m-bazaha izay eo amin’io toerana io? Mba saino ihany fa aza dia matin-kely toa amalona eeeeee. Tsy misy tokony hialonana ny mahavita, saingy izay te-hahavita dia tokony koa hijery ny hafa sy ny tombontsoan’ny daholobe fa tsy hanaotao foana. Azafady fa masiaka be ny valinteny

  3. sod mba misy bateri ana alcatel ot i650 kay an @nareo

  4. roasina daolo any mints no mety @reo sinoa reo fa manambany n gasy fotsiny

  5. Mahagaga fa betsaka izay commentaire izay fa toa mbola eo foana ilay SUPREME CENTER sy trotoire ny…

  6. tsia tsy roasiny izy fa tadidio fa ra lasa mody ireo de feo ndray ny pute sy ny mpangalatra fa ny tokon atao amnaz ireo dia akana taxe sy amboarina ny statu ipetraany eto!

  7. tiako io tenin’Jajan io.Ny etra sy ny « conditions » rehetra momban’io no tokony voaaraka tsara.

    Tiako marihina fotsiny, momban’ny lahatsoratra etsy ambony: betsaka hono ny tsy rariny niainan’ny manodidina. Fanontaniana: gasy moa sa sinoa ny mpiasa nanorona an’io tranobe io? Gasy moa sa sinoany tsy nahalala fomba ka nanitsakitsaka sy nanimba ny fananan’olona?

    Amiko dia tsotra: ny sinoa mibaiko (normal), ny ilainy dia ho vita ny « projet »-ny. Ny mpanantontosa kosa, izay gasy, no tsy miraharaha ny manodidina fa maika hamita asa sy ahazo vola.

    Zavatra hitako: ao 67ha dia misy tranobe misy botika Orange izay, izay eo ampitan’i MadaHotel. Ianareo mpandalo anie mba mijereva e: eo akaikin’io tranobe io dia misy trano izay vaky tanteraka ny rindriny noho ny fipetrahan’ilay tranobe izay mavesatra ka mampihotsana ny any ambany tany. Io izao no hitako fa tena tsy rariny, satria ao anaty plan d’urbanisme dia tsy natao ipetrahana trano mihaotra ny 2 étages io toerana io. Sinoa ve no tompon’io sa…. ?

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :