TELOMIOVA,FOKO,EBIT12

Fahombiazana raha ny tapak’andro maraina natrehinay tany. TSY ARAK’IZAY NOERITRERETINA ny vokatra tsinjoko nandritra iny marainan’ny 17 Oktobra 2008 iny, noho ireo familafilàn’ny mpikarakara nandritry ny fifampiraharahàna. Nandritra ireo andro vitsivitsy nifaneraseran’ireo ekipantsika tamin’ireo mpikarakara tokoa mantsy dia nihàran’ny « antsojay isan-karazany » ny  ankizy. Toa noraisina tamin’ny maha-tanora azy ka noeritreretina tsy hahavita zavatra sy tsy matotra ara-poto-kevitra. Raha ny 16 oktobra niainako tao anatin’izay nialoha ny fandraisantsika anjara izay, dia gaga aho. Gaga satria raha tao amin’ny Palais des Sports et de la Culture no voatondro hivoriana, dia tsy nomena tamin’ny fotoana farany ny toerana, hono. Antony naroso ny hoe misy olona hivavaka. Nefa dia nandray ahy ihany ilay ramatoa nitazona birao tao.
Hoy indrindra izy:

* Avy amin’ny inona moa ianao?
– Telomiova, hoy aho
* Miaraka amin’ny Association Foko izany?
– Eny, tompoko
* Mipetrapetraha àry aloha fa vao ianao irery izao no tonga. (efa amin’ny 18h latsaka amin’izany fotoana, ary fantany koa araka izany fa tokony hisy fivoriana) …

Rehefa sasatry ny niandry ela teo aho dia tsy naharitra fa niantso nàmana tamin’ny finday. Izay no nahalalàko fa tsy nomen’ireo ny trano, ka voatery nafindra tany amin’ny AUF Tsimbazaza ny fivoriana. Dia lasa indray nankany aho, rehefa avy niala tsiny tamin’ilay ramatoa. Dia na izy aza gaga.

Rehefa vita ny dinika tany (AUF) dia tapaky ny maro fa handeha hiverina hijery ny any amin’ny Palais momba izany fivoriana niandràsana olona tao izany izahay. Ary dia mbola be olona tokoa tao. Tratra tao koa ny sasantsasany tamin’ireo mpikarakara. (izay nolazaiko tery ambony fa toa namilafila sy nijery ny ekipa ho toy ny tsy haninon-tsy haninona). Efa ho tamin’ny valo ora alina mahery vao mba noraisina hiresaka izahay ary efa tamin’ny valo ora sy sasany tany ho any vao vita ny resaka. Miovaova lava ny fanapahan-kevitry ry zalahy. Nampanantena solosaina efatra ny iray, avy eo indray miova ho roa. Milaza « A » ny iray, dia miva ho « B » indray avy eo. Efa tena saika kivy ireo namana nanomana azy ity, ka ny Alarobia aza dia efa nivoaka ny feo fa hoe aleo hajanona fa toa manao lalaon-jaza izy izany.

Fa izay tena voamariko dia ity: raha resaka fampahalalàna ny momba ny TIC amin’ny ankapobeny sy ny lohahevitra « Branché » no nandrasako, dia toa ny CITIC, na ny SUPREME CENTER izay tranombarotra roa lehibe amin’ny sehatry ny TIC eto Antananarivo no tonga tao an-tsaiko nahita ireo mpampiranty maro namelatra ny entan’izy ireo tsirairay avy mba hamidy. Izany hoe lasa tsena ny tao fa tsy toy izay nahalalàko ny EBIT maro natrehiko hatrany am-boalohany tany. Ialako tsiny ny andro izay tsy hitako, fa ny Zoma hitako aloha io tantaraiko io an!
Zavatra iray no hitako ho nanosika azy ireo hanamaivana ny hetsika novinavinaintsika , dia isika miresaka momba ny Logiciels Libres sy ny manodidina azy (fahitàko manokana io), ka angamba natahorany hanohintohina ny tsenany (Microsoft izay isan’ny mandray anjara amin’ny hetsika sy angamba koa aza ao ambadiky ny hetsika). Tonga niara-nihosona tao daholo mantsy ireo mpifanome tànana hatramin’izay (MTT,AMUL, C3LF, TELOMIOVA, FOKO…) Miala tsiny amin’izay tsy voalaza an!

Ity koa no tena nahatsikaiky tao. Raha nezahan’ny mpikarakara natao any an-jorony sy nafangàro amin’ny toerana misy ny ministera ny hetsika nataontsika (izany hoe nokendrena manokana hosaronana tamin’ny fanentanana momba ny SIDA sy ny SRA, amin’ny alàlan’ireo fanamafisam-peo mitatatàta, satria mantsy tsy nisy efitra nanasàraka ny an’ny ministera sy ny antsika), dia tsy izay no nitranga. Teo am-panombohana, raha mbola nikenonkenona amin’ny fanombohana isika, ny tetsy ankilany kosa efa nahavory olona sy efa nandefa ny sary sy feo momba ny SIDA. Maro ny olona teo, ary dia nitorevaka tamin’ny tany tokoa moa izany. Vantany vao nanomboka anefa ny antsika, dia nifindra nankeny daholo ny mpanotrona. Nanomboka teo dia zara raha nisy mpihaino ny fanentanana natao teo amin’ny toerana natao ho an’ny ministera, mba tsy hilazako hoe tsy nisy afa-tsy ireo mianadahy nandefa sary sy feo. Sady tsy hitako koa izay ifandraisan’ilay resaka nataon’ny ministera tamin’ny hetsika momba ny TIC, sa hoe satria be olona any dia be ny kil ka dia tsy mifàka aho raha izay. Nisy fiantraikany be tokoa teo amin’ny zavatra natao koa aloha ny fitondran-tsika mianakavy ny Tee-shirt maneho ny fikambanana misy e! Sady nanintona no nahafinaritra ery ny nahita ny hamaroantsika. Tonga tao ny avy any amin’ny faritra rehetra manodidina an’Antananarivo sy ny faritany. Fa tsy manana sary aho satria efa tsy misy intsony aloha hatreto ny appareil photo aty. Entaniko noho izany ianareo manana ny sary rehetra tany, mba ametraho rohy ato amiko ato mba hijereko ny tantara e!

ARAHABAINA ISIKA FA NAHAVITA E! Na teo aza ny familafilàna sy ny antsojay nosedraina.

TSY TANTIKO NY TSY HAHITA NY TANY ka na dia narary aza aho dia nikiry biby ihany. Mizaka ny vokany avy eo e! Ary miala tsiny amin’ireo izay nihaino ny feon-kadradraka navoakako fa tena mba te….e!

Misaotra manokana an’i Joan, Stephane, Hery Zo, Manda, Pattie, Diana, Ariel, Jentilisa, ary ianareo marobe tsy fantatro anarana nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, nifampizara, nifanentàna ary nanao ny zavatra rehetra tamim-pahazotoana sy tamin’ny fitiavana tanteraka

6 Réponses

  1. Mino aho fa efa sitrana tsara izao an… sa? Mbola mamerina ny fisaorana tamin’ny fiaraha-mientana e.
    Ireo sary toa misy eritreritra miainga any hoe ampiarahana ao anaty CD dia zaraina (fa toa tsy ho zakan’ny 100Mb an’ny flickr ilay izy) … Hitsonga vitsivitsy ihany aho dia alefako Flickr dia apetrako eto ny rohy e … Fa toa efa misy vitsivitsy ao @ flickr ao (tag ebit12) raha hijery, ity ny rohy http://flickr.com/search/?q=ebit12

  2. Tena tsy fantatro ndray iny tantara tao ambadika iny kle. Zah aloha miombo-kevitra amin’i avylavitra eh, tsy nisy nidiran’ny le lohahevitra « branché » mihitsy zay hitako tao fa lasa ohatran grande braderie.

  3. ho avy ilay CD sy sary éééé

    merci daholo e !!!! courage foana isika fa mafinaritra be ilay fiaramiasa sy inona moa? firaisan-kina!

  4. […] they had planning and organizing things – in fact I didn’t know it until I read a post from far far away on it – they did a great job. more […]

  5. […] la journée dédiée aux écoles et aux Etudiants, moins d’une semaine avant le jour J avec moult péripéries [Mg]🙂. Un collectif, Quartier Libre, a été formé pour l’occasion, composé des […]

  6. […] they had planning and organizing things – in fact I didn’t know it until I read a post from far far away on it – they did a great job. The big room was divided into different areas where different sorts […]

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :