Ilay RADOn’IZAO TONTOLO IZAO

Nodimandry teo amin’ny faha 85 taonany ny 15 septambra 2008 I RADO

IZA MOA I RADO ?

Anisan’ireo olom-bitsy niavaka sy nisongadina teo amin’ity tontolo misy antsika ity I RADO, na i Georges ANDRIAMANANTENA

Georges ANDRIAMANANTENA dia teraka tamin’ny 01 oktobra 1923, tao Ankadivato, Antananarivo.

Zanak’i ANDRIAMANANTENA Gaston sy RAZAFINDRAFARA

Farany tamin’izy dimy mianadahy mpiray tampo.

Nandia voalohany ny varavaran-tsekoly tamin’ny 1929 tao amin’ny Ecole Officielle tao Faravohitra. Ary nitohy tao amin’ny Ecole Ambohijatovo Atsimo sy Paul Minaault taty aoriana.

Niditra tamin’ny sehatry ny asa nanomboka tamin’ny 1943 tamina orinasa fiantohana “La Préservatrice”

Nampakatra an-dramatoa Edwige RAVOLOLONA ho vadiny tamin’ny 02 desambra 1944
Niteraka enina mianadahy izy ireo, ka ny efatra sisa no velona.

Tato aoriana dia niditra teo amin’ny sehatry ny asa fanoratana an-gazety tao amin’ny gazety HEHY izay notantànan’ny zokiny Celestin ANDRIAMANANTENA.

Nisafidy ny hiàla tao amin’ny La Préservatrice izy ary nandeha nianatra manokana momba ny asa fanaovana gazety tany Strasbourg ny taona 1960

Ary amperin’asa tanteraka tamin’ny fanaovana gazety hatramin’ny 1966

Niasa tao amin’ny trano famoahana boky protestanta IMARIVOLANITRA hatramin’ny taona 1976.

Nitohy nanao gazety indray ny 1976 hatramin’ny 1978, nefa tsy nitsahatra tamin’ny asa fanoràtana mandram-pikimpin’ny masony.

Mpikambana tao amin’ny Akademiam-pirenena nanomboka ny taona 1988

Mpikambana tao amin’ny zokiolona mpanao gazety

Filoha am-boninahitry ny Fikambanan’ny mpikabary HAVATSA UPEM,

Mpamoron-kiram-pitiavana sy ny fiainana ankapobeny toy ilay hira nampihirainy an’i Bessa hoe ‘..nahoana no tomany no andanianao ny alin’ny ririnina….”

Fialam-boly tiany sy nankafiziny ny jono sy ny filalaovana zafikely

Zavatra tena nahasarotiny sy mahatezitra azy ny tsy fanajàna fotoana.

Hoy izy manazava ny fialamboliny:

…ao izany ilay hoe paik’afo, ao ny hoe tosi-by, ao ny kiky fitaratra, ny manjono eny amin’ny rano mamy sy ny ranomasina….mifoka riovotra madio eny amoron-drano…ny misangy zafikely…mampitomany azy ireny dia manambitamby azy rehefa avy eo…

Hatreo amin’ny faha-84 taonany dia mbola vitan’i RADO ny mitsikasinkasina amin’ny gorodona misangy sy miara-milalao amin’ny zafiny.

Nanana talenta maro izy satria ankoatry ny asa fanoràtana izay, na izy tenany aza tsy maha-isa azy ireny intsony (an’arivony), dia nanao sary hosodoko, sy paik’afo (Pyrogravure) ihany koa, nanao teatra sy mitendry mozika ankoatry ny maha Chorale azy, nanao ny tosi-by (metal repoussé), kiky fitaratra (gravure sur verre)

Alohan’ny anolorany ny hira hataon’Antoko mpihira dia ny ankohonany aloha no mianatra ny hira sy manao azy miaraka aminy, ka rehefa masaka avy ao, izay vao avoakany ho ety ivelany.

Hoy ny soratra iray nataony, mitodika indrindra amin’ny tarànany, hita any an-tokantranony :

…ny hany fifaliako, sy tanjona itokiako
Ho tena fiadanako
Mifankatia ny zanako…

Asa sorany maneho ny sora-tànany, ny fihetseham-pony, ny fomba fijeriny sy fiheviny, ary ny eritreritra sy ny nofinofiny: DINITRA 1973, ANDO: 1977, ZO: 1989, SEDRA: 1993, Tononkalo ho an’ny ankizy. Hiram-pivavahana (Fihirana fanampiny faha 32 AZA AVELA HAHALALA)

Ny tononkalo hoy RADO :

Ny tononkalo dia azoko lazaina hoe io izany no manambàra ny fiantraikan’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny olombelona. Ohariko amin’ny farihy iray ny fiainan’ny olombelona: raha tsipazanao vato eo afovoany, na aiza na aiza faritra eo amin’ilay farihy, tsy maintsy miteraka onja, ary iny onja iny no manambàra ny fiantraikan’ilay tsipy vato teo amboniny, raha mafy ilay tsipy vato tao dia tsy maintsy manonja be izy, raha malefaka ilay tsipy vato tao dia manonja kely izy. Ny sary milàza ny zavatra mitranga miantraika eo amin’ny fiainan’ny olombelona no tononkalo

Namoy efatra tamin’ireo tarànany tao anatin’ny iray andro monja tamin’ny taona 1993, ka nahatonga azy nanoratra ny SEDRA…

VONINKAZO ADALADALA tamin’ny 2004 (hirain’i Eric MANANA) . FITENY ROA tamin’ny 2005

Hafatr’i Rado ho an’ny tsirairay, mipàka hatrany amin’ny mpitondra fanjakana ny tokony HANAJANA NY AN’NY TENA FA TSY HO MAIMAY AMIN’IZAY REHETRA ENTIN’NY FANDROSOANA. TRATR’IZANY KOA MANTSY HOY IZY NY ASA SORATRA.

Hoy indrindra i RADO:

“ Tsy misy mirona intsony ho any amin’ny tena fanoràtana. Ary ohatry ny fanalàna andro, …misy ihany angamba fanalàn-tsiny azo atao: ity nahatongàvan’ny ordinatera sy ny internet ity. Nanjary mora kokoa ilay mampiely azy amin’ireny, dia ohatry ny tsy te-hanoratra intsony ny olona…Tsy te-hilaza intsony ny zavatra tena ao anatiny izy. Tsy te-hilaza ilay ohabolana mahafinaritra azy intsony izy…ireny fitaovana maoderina ireny izao no ampitàna ny anona rehetra, nefa manahirana ahy na ny mijery ireny ilay karaoke ireny aza, satria ny zafikeliko dia misy tia an’ireny koa, dia hitako fa na ny teny gasy aza dia ratsy fanoratra be, tsy misy fa…dia izay itenenana azy no anoràtana azy. Ary tsy mety izany amiko. Izay no tokony HAHA HENDRY NY FANJAKANA NY AMIN’NY HOE TSY TOKONY HO ZAVATRA MAIKA FOTSINY AMIN’ILAY FANDROSOANA;;;SATRIA REHEFA MAIKA FOTSINY;;;DIA TSY MISY HAFA AMIN’NY MPITAINGINA MOTO NA MPAMILY FIARA…REHEFA MAIKA LOATRA? TSY MAINTSY MANKANY AN-KADY NY FARANY.”

Hoy ny Jeneraly RAMAKAVELO Désiré:

…mahatsiaro mihitsy izahay fa latsak’isa eo amin’izay fiarahana izay. Ary dia tena miaraka ory tanteraka amin’ny fianakaviana. RADO amin’ny maha-mpanoratra azy, amin’ny maha-poety azy, amin’ny maha-olon’ny kanto azy, dia azo lazaina mihitsy fa tena very olo-manga isika very an’izany lehilahy izany. Ary na lasa aza izy an, ny zavatra napetrany dia misy lanjany, misy hasiny eo amin’ny fiaraha-monina Malagasy. Indrindra, fa tena isan’ny olona nanandratra izany maha-Malagasy izany izy…tsy vitan’izay hoe nanandratra …ny kolontsaina Malagasy, fa isan’ny tia tanindrazana. Tadidintsika tsara fa rehefa misy trangan-javatra manahirana ny firenena, tsy maintsy eo foana i RADO. Ary tsy maintsy maneho ny heviny, amin’ny alàlan’ny tononkalo, ary heveriko fa tena zava-dehibe loatra izany. Tena very raiamandreny ny firenentsika nilaozan’i RADO…Tsy teto Madagasikara ihany no nahafantàrana an’i RADO satria ireo tononkalo nosoratany…marobe…efa betsaka amin’izy ireny no voadika amin’ny tenim-pirenena maro…Mihazakazaka ireo firenena any ivelany te-handika amin’ny fiteniny ny tononkalon’i RADO. Midika izany fa mavesa-danja mihitsy ny dikany, ary azo lazaina hoe izay tranga lazain’ny tononkalony an, dia mety mitranga, mety ho hita any amin’ny firenen-kafa koa…Mpanoratra tsy ho an’ny Malagasy fotsiny, fa ndeha hataoko hoe ho an’ny firenena maro, mba tsy hilazako hoe an’izao tontolo izao satria fanta-daza hatrany ivelany. Iza moa no tsy mahalàla an’izany hoe RADO izany raha eo amin’ny sehatry ny fampianarana, satria ny tononkalo maro izay nataony, dia isan’izay ianarana any am-pianarana, tafiditra any amin’ireny laza adina any amin’ny fanadinana ireny…Fantatra loatra ny banga navelan’izany lehilahy izany, tsy eo anivon’ny fianakaviana sy ny kanto ihany fa indrindra indrindra eo anivon’ny firenena ihany koa.

Raha resaka fanandràtana ny tenin-drazany dia hoy i RADO:

Teny mamiko ianao ry tenindrazako, ry teniko
Tiako ianao, lalaiko loatra, ary izao dia tsy afeniko
Fa ny foko manontolo sy ny saiko sy fanahiko
Mampitovy lanja anao sy Neny ‘lay niteraka ahy
Moa tsy taminao indrindra no nianarako niteny
Nanononako an’I Dada, nanononako an’I Neny
Dia I Dada sy I Neny, sampan-drano …
Loharano niandohako, dia ireo ràzana tsaroana…
Dada, Neny, mamy, aina nisehoan’ny fiainana
Tany nisehoan’ny voa…
Vavolombelona hita maso
Maneho ny lasa izay takarina
Ho tsinàpa sy azo raisina, ary tena nisy marina
Tiako I Dada, mamy I Neny, nefa inona ary izao no ho nanononako azy
Raha tsy tao tokoa ianao
Ry tenindrazako lalaiko
Ry teny mamy tsy hariako
Taminao no nahalalàko
Ny faka nitsiriako

Ary raha zohiana indray ny zana-tohatra niakarako
Teny an-dàlan’ny fiainana nisoritan’ny tantàrako
Dia lasitra namboarinao
Notinefinao maharitra
Hifanentana amin’ny molotro, no nahaizako namaritra
Ny hasoan’ito taniko
Ka na lanitra balika, na tanety mena volo
Na ny fanja …na ny rano mikoriana,
Na ny vorona mikalo eny anivon-takariva
mampiherika mpandalo
ka mampody aina indray ilay tanàna haolo ngàzako
taminao dia taminao
taminao ry tenindrazako

Ary nony vaky volo ilay fitia tanaty foko
Ka niràraka ho hanitra ny embona ela notrotroiko
Moa tsy teny taminao no nanokatra ny molotro
Hanambara ilay fitia nampombain’ny fo natolotro
Teny tsotra mahalàza ny fitia sy ny alaheloko
No mirakitra ho tantàra ny tsiambarambarateloko

Eny ho’aho ry tenindrazako
Ry fiteny Malagasiko…

Tapitra eo va re ny fy sy ny voa ‘zay notoàzako
Taminao ry teny tiako
Taminao ry tenindrazako
Moa ny herinao voafetra ho an’ny andro fahazàzako
Ka raha misondrotra ny taona dia hiletsy ilay malàzako
Tsia ry teniko lalaiko
Tsia ry teny izay hiamboko
Tsia ry teny Malagasy
Ry fitenin-dray tsy foiko
Hataoko ahoana no hanadino
Fa ireo aina sy solofo,
Reo tarànaka avy amiko
Ary tena sombi-nofoko
Tsiro vokatry ny tany
piti-drà tonga aina
Sarobidiko, lalaiko
Nofiko raha hadiva haraina

Noro, Fanja, Vero, Tiana, Hery, Zo, Voahangy, Mamy
Moa tsy taminao daholo va no nanononako an’izany?
Taminao no nahitako ‘zay mba laniko ho anarana
Na i Ramatoan’ny aiko, na izato Andriamparany

Ry tenindrazako lalaiko,
Afa-po ny faniriako
Fa azo taminao daholo
izay nitiavako ny tiako

ary moa lany tsiro ny herinao raha toa fakàina
ny hasinkasin-kevitra nitalanjonan’ito saina
rehefa injay ianao velarina hanamboarana ny fiainana
mibaribary sy miseho ny marina ekem-pisainana?

…raketinao ny fahendrena tamin’ny razako efa tola
Abaribarinao an-ohatra ny adim-piainana itolomako
Ny eritreritra sy nofiko, ny hevi-dalina ironako
Ny fanahy mikatsak’hery, ny finoana izay ilomako
Hay tsy zava-baovao fa efa nisy ka iombonako
tamin’ireto razam-beko, olon-kendrin’ny fahiny
italanjonan’ny taranaka mandimby ankehitriny

‘Dray ry teny …
‘Dray ry teny iray mba tiako
Moa tsy toro-hevitrao no nanitsiako itony diako
Tiako ianao, lalaiko loatra
Ny momba anao sy ny forongony,
Noraiketin’ity foko amin’ilay vilany nongony

Ka ny satanao rehetra
Sy ny zony no andrianiko
Ny hevitra napetrakao no zohiako sy ampy hohaniko
Ka na firy refin’andro hany sisa holalovako
Ahy ianao ry tenindrazako
Ary hijanona ho lovako

Fanamarihana avy amiko: Feon’i RADO mihitsy no nakàko ireo tononkalo alefako ato, ary amin’ny maha feon’ny efa voky taona azy, dia be no tsy nazàva tsara tamiko ka nosoloiko toy ity (…) Misy ny novakiany tsy nolazainy ny lohateny, ary dia nadikako araka izany fotsiny, tsy nasiako lohateny koa . Raha sendra misy aminareo afaka mameno ireny teboka telo ireny (…) ho feno araka ny tokony ho izy dia sitrako indrindra, ary isaorako sahady.

Hoy ny Minisitry ny kolontsaina:

Nodimandry ny alin’ny 15 septambra (2008) tokony ho tamin’ny 12 ora alina i RADO, na i Georges ANDRIAMANANTENA…nilaozan’olo-manga ny firenena Malagasy…Marobe ireo mari-boninahitra efa azony, na teto an-toerana na tany am-pita ary manana ny Grand Croix de 2ème classe de l’Ordre National izy…Voadika amin’ny teny maro: anglisy, rosiana, frantsay…Miondrika am-panajàna eo amin’ny nofo mangatsiakan’i RADO ny fitondram-panjakana ary mankahery koa ny fianakaviana…Ny fanjakana dia tsy maintsy hanao fihetsiketsehana amin’izao fahalasanan’ny olo-manga izao…Niantohan’ny fanjakana Malagasy ny lany manontolo tamin’ny fitsaboana an’i Georges ANDRIAMANANTENA…

Teto dia niandry fisaonam-pirenena aho, saingy indrisy, TSY NISY

Teny an-tranony teny Ivato no nandrasana ny nofo mangatsiakan’ni RADO, talohan’ny namindràna azy ho tetsy amin’ny Stade couvert Ankorondrano ny Alakamisy 18 septambra 2008 mba ho an’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy

Tratran’i RADO ny kanto, ny feno, ye be indrindra raha ireo rehetra ireo no jerena, mba tsy hilazana hoe, ny LAFATRA. RADOn’ny firenena tokoa, VOAHANGIn’ny Malagasy. Satria ny Rado sy Voahangy dia samy haingo eo amin’ny Malagasy.

Iza tamintsika izay namàky iray tamin’ireo soratr’i RADO, ohatra ny DINITRA no tsy nahatsiaro fa toa ny zavatra niainantsika tokoa ireo narindran’I RADO ho tononkalo ireo?
Tsy vitsy no mahay an-dàlana vitsivitsy tamin’ireny asa sorany ireny.

FANEKEM-PINOANA:
…dia sahy milaza fa na dia levona aza ny nofo sy ny foko
Ho kila hotohoto, dia mbola vatolampy, anjara tena ampy
Ho ahy mandrakizay
Ianao ‘lay Tompo Ray

KISENDRASENDRA

Kisendrasendra angamba ilay isika nifanena
Kisendrasendra koa ‘lay topi-masontsika
Kanefa tamin’iny, injao nangenahena ny fo amam-panahy
Sy ny fisainantsika
Matahotra ho tia

Kisendrasendra angamba ‘lay teniko mangina toa mila tsy ho re
Kisendrasendra koa no nahatonga anao hamaly am-pifaliana ny teny ‘zay nataoko
Kanjo tao am-po dia samy efa tia

Kisendrasendra angamba ilay ianao natahotra
ka nandray ny tanako ho vahatra ifaharana
Kisendrasendra angamba izaho ‘lay vahobahotra
namihina anao, nahita fahasambarana
F’izay vao tena tia

Kisendrasendra angamba ilay ianao tsy tratrako fa lasana nandeha
Kisendrasendra manga fa ny alahelom-poko, ny tsiaro feno fatrako
No nanambara tamiko fa ianao no hany malalako ho doria

REHEFA NISY ISIKA
Fony nisy ianao, ary nisy izaho
Ny zavatra natao, diniho sy mba araho fa
Voafariparitra no sady toa tsikaritra

Nisy izay anao, nisy koa izay ahy
Na tany itsahinao, na tany izay nitsahiko
Na fifalianao, na ny hasambarako
Na ny anaranao tsy fantatry ny anarako

Fa nony nisy isika
Tsy nisy izaho sy ianao
Niova teo ny dikan’ny « nisy » hatrizao,
Lany teo ny heriny

Ny sisa izay tavela?

Isika izay tsy fantatra ho izaho sy ianao
Isika lasa tokana sy olom-baovao
Hatrany anaty rà, hatrany anaty fo
Foana ny taloha, foana, isika roa

Ny hany sisa re, dia teny toy ny hoe
‘njay ‘lay hirantsika
Mahafatifaty, hono, ny endrika sy bikan’ireto zanatsika
Faly sy sariaka
Mamony iretsy ny voninkazontsika

Izany sisa re sy hany tafajànona
Maina ny taloha,
ny « isika » sisa vanona
Niempo ilay izaho,
Nitsonika ianao,
Ka nony nifangaro navela hifanompo
Dia roa nanjary iray, nihena fa nitombo

Hafahafa ihany kanefa dia izany isika ankehitrio
Noho io fitiavana io

HAFATRA
Ho any ianao kanefa aza ataonao fantany izao fahoriako izao
Fa aoka hiafina aminy ny ketoky ny jaly nanempaka ny aiko tanatin’ny longoa izay namandrihany ahy
…aza ataonao fantany…
Raha manontany izy, iangaviako ianao handainga indray mandeha
Lazao fa nanadino ny momba azy rehetra ny saiko manontolo
Rako-boninkazo hoe ireo lavenon-dasa natoraky ny Adaoro,
ireto diary ireto, lazao fa efa may, sy tapitra efa kila
fa ny volofotsiko, ny kentrokentron’handriko
afeno dia afeno
azonao izany?

Etsy kely koa, hafarako ianao
Jereo raha sambatra izy
Ny hamantaranao dia ireto no fambàra
Ao an’efitranony, misy voninkazo, tsy maintsy mavokely
Eo an-doha fandriany ny sarin’ny olon-tiany, na iza na iza izay
Raha izay no hitanao dia efa sambatra izy
Ka aza asiana resaka momba ahy akory
F’izany rahateo no niriako ho azy

Izay no hafatrafatro ka tazony tsara,
Ary dia veloma
Saingy etsy kely ange
‘ty tànanao ity, aza akasi-javatra mandra-pifandrain’ny tànanao sy ny azy.

Eny, ampy izay, tongàva soa aman-tsara
Dia akatony mora io varavarako io
Fa hitomany aho

Andriamanitra ô,
Iny zanako iny mba iangàro kely
fa tojo zava-tsarotra ny fenitra kinendriny
Ny tombam-binavina noheveriny ho tantely, nivadika ho mafaitra
Ka maloka ny endriny

Andriamanitra ô,
Iny zanako iny, ononinao ny fony
fa rava sasakalina ‘lay nofy namololony
Itanilaho fa kivy,
herezonao ny fony fa kotsan-dranomaso ny ondana sy fony

Andriamanitra ô,
Iny zanako iny omeo ny fiadanany
fa hotohoto loatra ity misandratr’androny
Ny aloka, nandalo, namaky ny tanànany,
soloy maraina vao sy feno ny masoandrony

Matokia ry Fahafahana,
Rahavavim-pivavahana
Fa tsy moana na ho foana ao anatiko ao ianao
Ho lalaiko sy ho hajaiko
Ka harovako ho lovako
Fa raha ny peniko no halaina, antenaina
ka didiana sy tsindriana tsy hanoratra anao
dia henoy izao:
io ny molotro atolotro
hivazavàza sy hanazàva
hiteny ombieny ombieny ny hasarobidinao sy ny anara-masinao
ka matokia doria doria
fa na rahonana aho na tairina
ka ny molotro ho zairina raha miteny anao ka reny
lazaiko anao fa mbola ao, hanaram-po tokoa tokoa, io ny tànako ankavanako
hivikiviky ka hikiky rindrin-tany sy andrin-tany, vatan-kazo
sy izay azo ametahana ny anaranao ry Fahafahana
Ka na penina hodorana, na molotra ho fatorana
Na ho tànana hokantsànana
Tsy hampaninona ahy toy inona
Angaha izany monja ihany no ahazoako manambara anao
Hijoro hatrany ampara?
Ao ny masoko mijery, afaka hamindra hery
Ao ny saiko, ao ny aiko, ao ny zanako, tarànako,
Mbola hiady sy hitady ka hivonona hifandramatra
Hanjariana ho filamatra hibaiko izao tontolo izao
Ka noho ianao,
Ny herim-ponja dia ho monja
…ihomehezana, satria tsy maintsy hampanjakaina
Hatramin’ny fara-fofonaina
Ny herinao ry Fahafahana

Tompo ô
mafisa fo, ka aza omena valiny aho na mangataka aza anio
fa iangaviako ianao, omeo ho an’ny rahalahiko ary ho azy manontolo
izay fangatako isan’andro
omeo ho an’ireo mahantra izay fitafiko androany
omeo ho an’ny maro anaka izay sakafo anio tontoloko
omeo ho an’ireo sahirana izay anjara tsikitsikiko
omeo ho an’ireo voazioga ny fahafahako anio

Avela aho mba hangatsiaka
Avela aho mba hitofezaka
Avela aho mba hitomany
Avela aho mba ho voageja
Na anio fotsiny aza

Sao izany no hanamaivana ny ampaham-pahoriana entiny mandavan-taona
Sy ny masoandro takona lolohaviny isan’andro

Sady koa mba hamantàrako ny fitiavantena disoko
Fa ny ho ahy hatrany hatrany no efa niadiako fo rehefa mba mivavaka aho
Ka hadinoko ny hafa
Koa italahoako ianao
Adinoy aho anio

Avela ho sorena izay te ho sorena
Isika tsy maintsy midrikina hatrany
Raha toa mbola misy ny tsindry hazo lena
Mahazo ny mainty eto ambonin’ny tany

Avela izay sofina vaky ho vaky
Mandre antsoantso tsy azo tsindriana
F’isika rehetra tsy maintsy mitaky
ny zo sy ny satan’ny fampitoviana

Avela ‘zay maso mangina hangina
F’isika tsy andevo na olona adàla
Antsika ny aina ary azy ny vola
Raha tsy mifanaraka, samy miàla

Maro ireo mpihira fanta-daza nandrafitra feo sy mihira ny tononkalon’I RADO, toa an-dry JJ TSEHENO, Naly RAKOTOFIRINGA, Henri RATSIMBAZAFY, BOUBOUL, Rivo RAMANDIAMANANA, BESSA, MR RAZAFY, Fanja ANDRIAMANANTENA, Rolland RAELISON, SALOMON, BODO, Pauline RABEASY, SOLO, RAMAROSON Willson, Guy ANDRIAMADAORO, OSSY, …

Santionan’ireo hiram-pivavahana nosoratany: Aza avela hahalala, Mba tantanonao ry Raiko, N’inona n’inona hitranga,

Misy ireo mpanakanto tiany sy ireo namany ary olom-panjakana no nanaovany tononkalo manokana, toa an-dry : Jérome RANDRIA, Naly RAKOTOFIRINGA, JJ TSEHENO, Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA, Pasteur ANDRIAMANJATO mivady, ny kôlonely Richard RATSIMANDRAVA, Lieutnant RANDRIAMAROMANANA Albert

Hoy i Fanja ANDRIAMANANTENA mitondra ny teny fisaorana avy amin’ny fianakaviana:

FANKASITRAHANA AVY AMIN’NY FIANAKAVIAN’ANDRIAMANANTENA GEORGES

Maneho fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo amin’ireo rehetra nahatsiaro, niombom-po sy alahelo tamin’ny fianakavian- dRado eto izahay. Fa na lasana aza Rado ka mbola eo ireo rehetra miantsa, manandratra, mikalo ny tsangan’asany dia mbola isan’ny velona izy.

Mankatelina indrindra tompoko.

12 Réponses

  1. Hita ho nisy fahabangana tokoa ny tonton’ny asa-soratra fony lasa i RADO ka isaorana indrindra izy na dia efa nody mandry aza fa tsy hay hadinoina ny zavatra navelana zay tsy ho ary ho voatanisa fa dia rakitra tsy mety maty ato am-po

  2. Mitady ny fomba azona miantso ny fianakavian’i RADO ny tenako.
    Misaotra mialoha.

  3. Tena Rado araka ny anarany
    Rado koa ny tantarany
    Ho an’ny Malagasy zanany
    Toa kisendrasendra ihany….

  4. fa naninona ary no tsy nisy ny fisaonam-pirenena ho an’ny olona mendrika izany? i Rado… olomanga, radon’izao tontolo izao.

  5. Androany aho vao nahare ny fahalasànan’i Rado. Misaotra an’Andriamanitra aho nanome antsika izany olomanga sy lehilahy manantalenta, izay namela zava-tsoa be dia be ho an’ny taranaka malagasy mifandimby izany. Misaotra indrindra an’i Rado aho tamin’ireo tononkalo sy tononkira izay noforoniny (« Mba tantanonao ry Raiko », « N’inon’inona hitranga Jeso »,…). Ho an’Andriamanitra irery anie ny dera, ny haja sy ny voninahitra, ary ho an’ireo ankohonany sy fianakaviany kosa ny fahasoavany sy famindrampony.

  6. Tsy hay ny tsy hisento sy tsy hiondrika aty an-tany lavitra aty isaky ny mahare ny fahalasanan’olo-manga malagasy toy izao fandaozan’i Rado antsika izao.
    Mahatsiaro ho kamboty ara-tsaina sy ara-panahy ny tena,mitamberina ao an-tsaina ny fotoana fohy nihaonana sy nifanakalozan-kevitra aryy nifanakalozana tononkalo taminy efa ho 15 taona lasa tany ho any angamba izao, fony mbola tany an-tanindrazana.
    Iriko ny hanana fifandraisana amin’ireo fianakaviany na solon-tena na taranany raha azo atao.

  7. Pôli-Tingina
    Mpitondra Avo.
    Azo hantenaina ve izay lazainy ?
    Ony RAMBELO
    “Vita soa ity ny fifanarahana teto Maputo ka dia hody amin’izay isika. Halevintsika ny Répoblika fahatelo ary hiroso amin’ny tetezamita amin’izay ny vahoaka Malagasy…Ity fifanarahana teto Ivato ity dia manankery avy hatrany raha vantany vao vitantsika ity sonia ity, koa hiroso isika ho amin’ny fanatanterahana azy”.
    Tsy noterena na novozonana ny olona niteny ireo resaka ireo. Ary dia mandraka ity ny anio dia indreo koa misy andian’olona manery “azy” hanantanteraka izay nolazainy sy nosoniaviny. Tanteraho ny Maputo, hoy ny sasany. Ampiharo ny Dinan’Ivato, hoy ny hafa, fa tsy izy ireny fanendrena natao vao haingana ireny. Mandeha indray amin’izao fotoana ny resaka fifidiana sy fitsapan-kevi-bahoaka. Dia tonga ihany koa ny tsy fitoviam-pijery marobe mitranga etsy sy eroa. Tsy hay intsony hoe: “Iza no miaro ny tombotsoan’iza? Vondron’olona toy ny inona no mahasolo tena ny aiza? Iza no hanantanteraka ireo fitakiana marobe etsy sy eroa. Misy mpisandoka e! Misy misoloky e! Misy fetsifetsy e! “. Izany no pôlitika gasy e! Pôlitikam-pisolokiana sy fivadiham-pitokisana.
    Fifidianana no vaha-olana
    Tsy maintsy haverina any amin’ny vahoaka ny fahefana, ary fifidianana no handaminana izao korontana politika izao. Fa iza no namporisika izay olona mpiteny izany hisoloky ny fahefam-bahoaka? Rehefa avy nangalarina sy novetavetaina ary nohitsakitsahina dia haverina any amin’ny tompony? Raha “mpangalatra sy mpisoloky” ve dia azo antoka fa hiova fo sy azo hinoana ho manana finiavana hitantana tsy mitongilana? Hoy ny poeta Rado izay: Tsy ny vola na harena no halako, fa ny fomba hahatongavana amin’izany no tsy tiako. Azo antoka fa tsy misy mpanao politika handà fifidianana. Ny olana eto amintsika anefa dia ny olom-boafidy hatrany no haongana, tsinotsinoavina. Tsy mahagaga raha misy hatrany ny fanehoan-kevitra mifanohitra amin’izay heverin’ny Mpitondra Avo ankehitriny. Vao notendrena ny andian’olona marobe nolazaina fa ho mpamolavola lalàna. Koa nahoana no mbola misy didy hitsivolana mivoaka amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra ihany? Didy hitsivolana mitaona ny olompirenena hifidy ny ben’ny tanàna sy ny pitsopitsony mahakasika izany. Io resaka mandeha ila sy fitantana ny firenena amin’ny didy hitsivolana fotsiny io no tena olana eto, ary tokony hanatanterahana ny fifidianana. Kanefa tokony ho fifidianana eken’ny ampahany betsaka amin’ny olompirenenena, dieny ety ampihandohana ka hatrany amin’ny famoahana ny vokatra.
    Tombotsoa marobe
    Tao anaty filankevitry ny governemanta dia voalaza sy nolazaina ireo tombotsoa marobe mety ho azon’ny andian’olona notendrena ho mpanao lalàn’ny Fitondrana Avo. Ary efa niseho an-gazety izany, sady efa nohamafisin’ny minisitry ny vola fa efa ao anatin’ny teti-bolam-panjakana rahateo. Ny mahatalanjona anefa, ary tsy miherina akory ny andro, dia ny Praiminisitra tenany mihitsy no milaza fa tsy manambola ny fitondrana, ary mampihatra ny politikam-pitsitsiana, ka tsy mahavita hanefa izany tombotsoa izany; Ireo olona notendrena ireo dia aleo handeha sarety, sy handeha an-tongotra fa tsy misy ny fiara ho azon’izy ireo. Tsy resaka tombotsoa akory no fenitra hotakian’ny mpanao politika gasy(sanatria?) fa mitondra ny hevi-bahoaka izy ireo (araka ny filazan’izy rehetra). Fa ny olana dia ilay fitapitaka madinidinika sy ny tetika fisolokiana ny fahefam-bahoaka. Midrikina ihany koa manko etsy andaniny ireo Ben’ny tanàna marobe, nivory teny Atsimon-drano teny, mikasika ny môtô sy ny vola tapany faharoa tokony ho azon’ireny kaominina ireny. Tonga hatrany amin’ny fitsipahana ny fanantanterahana ny fifidiana ben’ny tanàna ny resaka tao.
    Vita matavy
    Mbola hitohy ny korotandrotana raha tsy ho faranana ny fisavoritahana. Moa tsy olan’ny fitantanana kaominina no niteraka ny savoritaka tany Toamasina tany? Raha mbola tsy hifanarahana ny fitsipi-dalao dia hisy hitsipakahatrany ny endriny, ny vokany, ny lanjany. Tsy maintsy pasohina sy ifanarahan’ny mpifaninana rehetra ny daomy, rehefa hanomboka. Tsy ho marina ny kilalao hatao raha hisy efa mahafantatra mialoha ny vatony. Dia tsy maintsy ho hita eo izay ho vita matavy sy ho tratran’ny ozon-daomy. Sa efa misy mihevi-tena fa tsy maitsy mandresy avy hatrany? Azafady, tsy maintsy hampandresena no tena tiana ho tenenina.

    • Navoakako ihany ity fanamarihana ity, Ony R., na dia hita mibaribary aza fa diso toerana ny nametrahana azy. Tokony ho any amina lahatsoratra miresaka politika izy ity no nosoratana

  8. Mpanoratra mahay i RADO.Je t’aime RADO

  9. Zah aloa d isan mpankafy asa soratra Malagasy(tononkalo,tantara foronina,sombin-tantara…). Ary zvtr maàlína ah ndrindr n sera2 toa itony mb aàlalàna bebe kokoa n tena kantotsika! Ary misaotra btsk anarw zay mandray anjar ato f tena zava-deíbe u anay f sad fitaizana ian koa n toy izao! Saing mial tsiny ra manohina n fmb fanoratro f mb aítsio r tmpk ra sitrakarw! D taizao aho f mb t anume aina ilay talenta kel ao anatk ao! Veloma tmpk, mandrapresak.

    • Marina izany,raha te hampitombo ny talentanao ianao dia tazony aloha ny maha-malagasy:tsy ahitana u na w ny litera malagasy tompoko,misaotra indrindra

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :