Teny Malagasy ho fampianarana ny zaza Malagasy

Haverina amin’ny teny Malagasy ny fampianarana eny amin’ny ambaratonga fototra (primaire) araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Momba izany no nanasàn’ny fahitalavitra tsy miankina iray (TVPlus) ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Ambaratonga Ambony RATREMA William, sady mpanorina ny vondrom-panabezana ACCEEM ihany koa.. Ny mpanao gazety nanasa azy kosa dia Onitiana Realy
Indro tateriko ho anao etoana ny dinidinika nataon’izy mianaka ireo ka ny OR dia raiso ho i Onitiana Realy ary ny RW dia raisintsika hoe RATREMA William

OR:niainga avy teny amin’ny Ambaratonga fototra, avy eo nampianatra teny amin’ny Ecole Normale Supérieur…niakatra hatreny amin’ny Université amin’izao fotoana izao…azontsika resahana tsara mihitsy ny traikefa sy ny zavatra rehetra hitanao, niainanao mikasika ny hoe mpianatra sy ny fampianarana eto Madagasikara….Fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny hoe hamerina ny fanagasiana. Vao mihaino ilay hoe fanagasiana ny olona dia ataontsika hoe mihorona ny hodi-dohany…mihoron-koditra izy satria tonga dia mandray ilay fanagasiana niainantsika tany amina’ny Repoblika faharoa tamin’ny 1972 hatramin’ny 1977 tany. Eo indrindra no mahatonga ilay fisalasalana eo amin’ny raiamandreny izay mpianatra nandalo an’izany taloha satria hitany ny fiantraikan’ilay fanagasiana teo amin’ny tenany sy ny fianarana norantoviny. Amin’izao fotoana izao izy raiamandreny, tsy te-hamerina an’izay intsony ho an’ny zanany na ny taranany. Inona no ambaranao mikasika an’izay, hoe tsara ho antsika ve ny miverina amin’ilay hoe fanagasiana? Avy eo isika mantsy hiditra amin’ny votoatin’ilay fanagasiana hapetraka.

RW: ..na ilay fomba fiteninao azy aza dia somary manaitra ihany ilay hoe mampihoron-koditra ny Malagasy, nefa teny Malagasy, tenim-pireneny, izany izany aloha dia efa somary mahagaga ihany. Amin’ny maha Malagasy antsika izany dia zavatra tokony hahafaly ny hoe fanomezana hasina ny tenintsika izany …nefa zava-misy izay voalazanao izay. Tsara marihana fa raha vao miresaka an’ity teny ity isika, indrindra amin’ny resaka fampianarana dia be dia be ny fihetseham-po…mety mifanohitra. Misy ny faly ary misy ny manahy araka ny voalazanao teo…Tokony ho amin’ny saina tony no hiresahana azy sy hifanakalozan-kevitra momba izany, ary tokony ho lalan-tsaina siantifika no hijerena azy…Tsy maintsy miainga aloha amin’ny zava-nisy ara-tantara…Inona moa no nahatonga antsika amin’izao dingana misy antsika izao? …Inona no hevitr’ireo manampahaizana izay nandalina momba ny toe-tsaina, nandalina momba ny fiaraha-monina, nandalina momba ny maha-olona mihitsy…ireo siansa samihafa manomboka any amin’ny psychologie, anthropologie, sociologie sns…hatrany amin’ny hoe taranja siantifika. Manana ny heviny izy ireny, ary eo anivon’ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny UNESCO …UNICEF dia naneho ny heviny ireo manampahaizana manokana ireo ary nisy fehin-kevitra navoakan’ireny….voaporofo ara-tsiansa. Marihana ihany koa fa isika …dia nanao sonioa ireny fanambarana iraisam-pirenena ireny izay manome hasina aloha ny teny izay nibeazan’ny zaza. Ilay “Tenin-dreny” moa dia nadika ara-bakiteny avy amin’ny teny dfrantsay fotsiny, fa ny hoe “Teny nibeazana” no metimety kokoa. Tsy maintsy mahay mihaino…Tsy maintsy mijery ihany koa ny tarehi-marika hoe raha nampianarina tamin’ny teny Malagasy ny ankizy, nanao ahoana ny vokatra hatramin’izay fotoana izay, …raha nampianarina izy izao nanomboka tamin’ny 1989 isika niverina tamin’ny teny frantsay, nanao ahoana ny vokatr’izay ara-tarehi-marika amin’izao fotoana izao, tsy any aty an-tanandehibe ihany fa hatrany ambanivohitra?…ny raharaham-pirenena, ny hoavin’ny taranaka tsy azo atao amin’ny resaka fihetseham-po….tsy maintsy jerene ihany koa anefa ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana izay mety ho fanapahan-kevitra. …raha tamin’ny 1972 isika dia nentanin’ny fihetseham-po fitiavan-tanindrazana noho ny fangejana ny fampianarana nataon’ny mpanjanaka teto…dia na teo amin’ny fanatanterahana aza dia mbola iny fihetseham-po iny no nentina nanatanteraka azy fa tsy mba nihataka kely aloha nandinika. Amin’izao fotoana izao izany ny mampanahy di asao dia resaka fihetseham-po koa…Ny nitranga tamin’ny 1989 dia nisy izany ny resaka zava-nitranga mikasika ny hoe fanagasiana…mbola hofaritana ny hoe inona no fahombiazana na tsy fahombiazna tamin’izy iny…dia nentanim-po indray izany , dia niverina tamin’ny teny frantsay…ary dia nivoaka tamin’ny gazety Le Monde mihitsy hoe “Les Malgaches sont plus Francophiles que les Français” taorian’iny fanapahan-kevitra tamin’ny 1991 iny….Nanome ny heviny ny fanjakana hoe ho ampiasaina ny Teny Malagasy any amin’ny Ambaratonga voalohany ho teny entina mampianatra…efa nanao valan-dresaka Ramatoa minisitra nefa azo ambara fa mbola ilay hevitra fototra fotsiny no voamba hatramin’izao. Fa ny antsipirihany, na ny dingana talohan’ny nanapahana io hevitra io sy ny dingana aorian’ny fanapahjan-kevitra dia mbola tsy voalaza mazava. Fa eto ny mahasarika amin’ilay resaka izany satria mbola tsapa izany vaovao eo am-pelatanantsika ahafantarana amin’ny endriny feno ilay politika vaovao ampiharin’ny fanjakana manomboka izao. Ny zavatra tsapa fotsiny aloha izany dia hoe ampiasaina ny teny ho enti-mampianatra any amin’ny ambaratonga voalohany na any amin’ny ambaratonga fototra ny teny Malagasy, izay aloha izany no zavatra fantatra…

OR:ny tarnja rehetra izay ho ampianarina ny ankizy any amin’izay Ambaratonga fototra izay dia ho amin’ny teny Malagasy, fa nambaran’ny Minisitra omaly fa hisy ny taranja frantsay (cours de français) …hianaran’ny ankizy any amin’io ambaratonga voalohany io. ..Manoloana ny fanontoloana, …mahatsara antsika ve izay zavatra izay (fampiasana ny tenion-dreny, araka ny toro-hevitry ny UNESCO) ?

RW: …tsy hoe vokatry ny hevitro manokana fotsiny, fa vokatry ny fandinihana ireo tahirin-kevitra nosoratan’ireo manam-pahaizana nanao fikarohana …dia ireo manampahaizan’ny UNESCO, na ny manampahaizana eto amintsika ihany koa, … dia eo amin’ny vanim-potoana famolavaolna any maha-izy azy dia tsara tokoa raha ilay teny ibeazan’ny ankizy aloha no amolavolana ny toe-tsainy. Meteza fotsiny ianao io….tsy mahay teny rosiana, ohatra, izao dieny izao ianao dia alefa aeroplane, apetraka any afovoan’ny tany any Rosia any, dia teny vahiny izany no any, metea ianao hipetraka amin’ny toeran’ilay zazakely apetraka anaty tontolo iray izay vaovao tanteraka aminy….Araka izay fiheverako azy, io fanapahan-kevitra io dia tsy noraisin’ny fanjakana fotsiny tamin’izao, fa nisy vaomiera siantifika niasa, ary vokatry ny asan’izau vaomiera izay no nandraisana fanapahan-kevitra …tsy mbola fantratro tsar any antsipirihany ka sarotra amiko ny hiresaka. Ny fantatro fotsiny dia karazana rohin-kevitra voajanahary ary siantifika no nandraisana io fanapahan-kevitra io, dia io no hibeazan’ny ankizy, io no itenenany voalohany, io no nanabeazana azy tamin’ny fianakaviany mba tsy hisian’ilay dona ara-tsaina hitranga aminy eo amin’ilay fotoana hanorenana ny maha-izy azy…fany fomba hanatanterahana azy …eo isika no hanao fampitahana hoe tamin’ny 1972 dia vokatry ny fihetseham-po ilay fanapahan-kevitra, aza adinoina fa vokatry ny fihetsehan’ny mpianatra ilay tamin’ny 1972 fa tsy vokatry ny fihetsehan’ny olon-dehibe akory, izany hoe ireo mpianatra izay nianatra tany an-tsekoly…nahatsapa fa hoe nisy lesoka tao dia nihestika tsy nankasitraka an’ilay rafi-pampianarana tamin’izany fotoana izany. Izay no zava-nisy tamian’iny fotoana iny…dia mazava ho azy fa ny mpanao politika rehefa tonga eo amin’izay fotoana izay dia tsy maintsy mijery hoe inona no ahazoany ny fon’ny vahoaka mba hahazoanao ny fahefana, dia nanaraka an’izay firehana izay izy. Saingy eto no mampanontany tena ihany hoe tena resy lahatra ve ilay mpitondra tamin’izay fotoana izay fa hoe tena izay no tokony natao? Tena faharesen-dahatra ve ilay izy sa hoe firehana fotsiny an’ny vahoaka ka izaho te-hiditra eo amin’ny fitondrana dia arahako izay firehan’ny vahoaka izay? Sa kosa nisy fandinihana tokoa tao? …ny naha-samihafa azy tamin’izay fotoana izay dia tsy nisy ilay fandinihana siantifika nialoha ilay fanapahan-kevitra na ataontsika hoe nanaraka ilay fanapahan-kevitra hoe ahoana no fomba fampiharana azy, satria ny fampiharana azy koa tsy maintsy misy lalan-tsaina siantifikka …tsy maintsy atao tombana aloha ny teo aloha, na inona na inona zava-nisy teo, na nankasitrahanao iny na tsy nankasitrahanao….

OR: ….ianao efa mpampianatra nanomboka tamin’ny taona 1966, tamin’ny taona 1972, efa mpampianatra ianao, ary tao anatin’ny vaomieran’ny fanagasiana izay nokianin’ny rehetra….ataoko angamba fa amin’ny ankapobeny …ny ankamaroan’ny mpianatra sy ny raiamandreny dia nanakiana ny voka-dratsin’ilay fanagasiana nampiharina tamin’ny taona 72 daholo. Inona no tena anton’ilay tsy fahombiazana tamin’izay?

RW: Andraso aloha mba hiadian-kevitra kely ilay hoe tsy fahombiazana, satria rehefa mandrefy aianao izany …tsy hoe ny fahaizany na tsy fahaizany teny vahiny no handrefesana azy fotsiny, n any tsy fahaizany taranja sasantsasany. Fa refesinao koa hatrany amin’ny hoe manao ahoana ny toe-tsain’ny ankizy nivoaka avy tamin’izay rafitra izay. Raha handrefy izao isika an’ilay rafitra niorina tamin’ny teny frantsay,…na ny rafi-pampianarantsika eto aza moa dia rafitra frantsay daholo…mety handrefy ianao hoe mahay teny frantsay ve ilay ankizy…tsy mahay teny frantsay ve? Raha izay fotsiny no handrefesanano azy dia hoy aho hoe tsy ampy kosa ny maridrefy amin’izay fotoana izay. Fa izao, amin’ny saina tsy miangatra ity, mety hanafintohina ny sasany, ny mpitondra tamin’ny Repoblika voalohany, novolavolaina tamin’io, ny mpitondra tamin’ny Repoblika faharoa, novolavolaina tamin’io, ary tena havanana daholo, na izahay izay miteny aza, novolavolaina tamin’io, ny mpitondra na taty amin’ny Repoblika fahatelo aza dia novolavolaina tamin’ilay rafitra niorina tamin’ny teny frantsay. Manao ahoana ny firenena amin’izao fotoana izao? Olona novokarin’io rafitra io no mitondra eo , nitondra teo, dia manao ahoana? Izany koa anie mba tokony hojerena e. …ny Japoney, ny rafitra nanomanana azy dia rafitra niorina tamin’ny kolontsaina japoney, aiza ho aiza ny Japoney amin’izao fotoana izao? Izany koa mba tokony handrefesana azy fa tsy hoe refy maimaika fotsiny entanin’ny fihetseham-po….Izay ilay ataoko hoe tsy maintsy mijery ny zava-misy ara-tantara isika, ny zava-misy eran’izao tontolo izao. Eran’izao tontolo izao raha misy firenena manana ny teniny manokana, tsy misy firenena mihitsy manabe ny zanany amin’ny tenin’ny hafa. Fa vokatr’ilay tantarantsika teto io …Raha resaka firenena, tsy ana sokajin’olona manopkana ny firenena, fa tsy maintsy jerena ny hevitry ny olona, ny fisalasalan’ny olona, ilay ahiahin’ny olona, dia tsy maintsy hazavaina ilay izy izany, mifanakalo hevitra.

OR: Fa ho anao,raha mitodika amin’ilay fanagasiana voalohany nampiharina teto Madagasikara ianao, tsy ekenao ve ilay hoe tonga dia tsy fahombiazana? Inoana ry ny bilana apetrakao tamin’iny fanagasiana iny? Ny fiantraikan’izay teo amin’ny fampianarana teto Madagasikara sy ny fiantraikan’izay tamin’ny mpianatra Malagasy?

RW: …ny fijeriko azy, tahaka ny rafi-pampianarana rehetra teto io, na ny fanagasiana na ny ampiharintsika amin’izao fotoana io, nisy ny tsy fahombiazana, nisy koa ny lafiny nety. Ny nety dia iny rafitra iny , na iny politikam-panabeazana iny dia nahazoan’ny zaza avy amin’ny faritra, ny avy any ambanivohitra avy amin’ny faritra samihafa eto Madagasikara tonga tany amin’ny dingan’ny Bakalorea, ary tonga tany amin’ny Oniversite, mifanaraka tsara amin’ilay hoe ‘démocratisation’ ilay izy. Fa ny olana rehefa avy eo dia tsy nisy fitohizany lojika ilay izy dia sahirna ilay ankizy rehefa tonga teny amin’ny lyçée na tonga teny amin’ny Oniversite. Fa ny zava-nisy dia hoe tafakatra teny daholo ny tanora avy amin’ny faritra samihafa teto Madagasikara. Ny lafiny iray mbola tsy voarafintsika dia ny hoe manao ahoana ny toe-tsain’ny zaza n any tanora nivoaka tamin’ireny? Efa tonga eo amin’ny fitondrana ve ireny olona ireny? Ary raha tonga eo amin’ny fitondrana ireny olona ireny, hanao ahoana i Madagasikara? Fa ny mitondra hatramin’izao aloha izany dia mbola ilay nobeazina tamin’ilay rafitra niteny frantsay….Tsy maintsy jerena ihany koa ny maha-izy azy by faritra tsirairay avy. Izany fampiasana ny teny sy ny kolontsaina maha Malagasy izany mba hahatonga antsika hoe miara-mientana, fa mahagaga raha hoe isika indray no tonga hoe ady noho ny tenintsika Mety hihomehezan’ny sasany anie e. Hoe mahagaga ao Madagasikara ao fa ny teniny no omena lanja dia ao indray ry zareo no miady hevitra. Ka eo amin’ny fomba fanantanterahana azy no misy kosa lalana tokony harahana. ..ka rehefa vita ny tombana siantifika dia rasina ny fanapahan-kevitra fa tsy eto isika no handroso, hihemotra.
…Tsy maintsy jerena ny hoe manao ahoana ny olona…ny fitaovana entina manatanteraka an’io? Manao ahoana ny fihetsehan’ny sokajin’olona samihafa manoloana an’io? Ary ahoana no hamahana izay olana mety ho fanoherana mety hitranaga izay?

OR: amin’ny taom-pianarana 2008-2009 no hampiharana ity fampianarana amin’ny teny Malagasy …eny anivon’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana …Hidirantsika ilay resaka hoe fahaizana teny …io no olana. Amin’ny ankapobeny, ireo miteny hoe avereno ny teny Malagasy dia manakiana ny tsy fahafehezan’ny zaza sy ny tanora Malagays an’ilay teny Malagasy amin’izao fotoana izao… Ianareo , tany amin’ny fotoan’ny fanjanahantany no novolavolaina… fampianarana tamin’ny teny frantsay…nampianarina tamin’ny teny frantsay ianareo, kanefa mpampianatra Malagasy ianao amin’izao fotoana izao. Ataoko angamba hoe tena mahafehy an’izay taranja Malagasy sy teny Malagasy izay…Raha amin’ilay hoe tsy fahafehezantsika ny teny Malagasy sy ny fahaverezan’ny fampiasana ny teny Malagasy no olana, tsy maintsy miverina amin’ilay fampianarana amin’ny teny Malagasy ve? Sa any amin’ilay mpampianatra koa no mety misy olana hoe, ilay mpampianatra mampita an’ilay teny Malagasy any amin’ilay mpianatra mihitsy ka mahatonga an’iolay ankizy rehefa lehibe izy dia tsy mahafehy an’ilay teny Malagasy mihitsy amin’izao fotoana izao fa teny variaminanana no betsaka?

RW: …voalohany indrindra, ny tsapa eo amin’ny tompon’andraikitra ara-panjakana izany dia ny tsy fisian’ny fanapahan-kevitra amin’ny politika momba ny teny. Ny Akademia moa izany amin’izao fotoana izao efa manana volavolan-kevitra momba ny politika momba ny teny. Fa ao amin’ny Lalam-panorenana dia ampiasaina ho teny Ofisialy ny teny Malagasy , ny teny Anglisy sy ny teny Frantsay. Tsy ampy izay , fa tokony ho ahoana indray no hitsinjarana ny fampiasana ireo teny ireo. ..Na any amin’ny sekolim-panjakana aza dia misy fisalasalana hoe inona no teny hampiasaina…izay dia misy fiantraikany eo amin’ny toe-tsain’ny mpianatra. Ny sasany manao amin’ny teny Malagasy, ny sasany manao amin’ny teny frantsay, ny sasany mifangaro…Fisalasalana miteraka tsy fahombiazana eo amin’ny fampianarana. Marihako fa tsy mifanohitra ny fianarana teny vahiny sy ny fampiasa any teny Malagasy ho teny enti-mampianatra. Fa mifameno. Fa na hianatra teny vahiny aza ianao dia tsy maintsy mahafehy tsar any teny Malagasy. Fa noho ilay fisalasalana, dia tsy voafehy intsony n any teny Malagasy na ilay teny vahiny dia misavorovoro ny sain’ny ankizy. .. Tamin’ny taona 1972 ohatra dia hita izany fisalasalana izany, fa na ilay rafitra natao hanmolavola azy aza dia niova anarana matetika. Tany amboalohany BEPOTEP saika hatao direksiona, dia saika hatao servisy dia ny niafarany lasa birao (bureau)…Na tamin’ny andron’ny fanagasiana aza dia nisy izay fisalasalana izay…ny ankizy nisalasala, ny raiamandreny nisalasala, vokany: tsy nahomby ilay izy. …Tokony hisy banky momba ny teny, ary amin’izao fotoana izao dia misy ao amin’ny Akademia sampan manangona ny voambolana Malagasy manerana an’I Madagasikara. Efa boky vita ary efa eo ampanotana azy ny antsoina hoe Rakibolana misy ny fiteny rehetra, voambolana avy amin’ny fiteny rehetra eto Madagasikara. Izay koa izany no mbola tsy mampitovy ny zava-nisy tamin’ny 1972 sy ny zava-misy amin’izao fotoana izao…
Efa maro izany izao ny tahirin-kevitra azo ampiasaina…Tokony koa hisy ny fitohizana (continuité) amian’ny lafiny rehetra mihitsy…Rehefa mipetraka tsar any politikam-panabeazana et ary tohizan’izay mpitondra mifandimby eo, fa tsy hoe rehefa tonga eto aho dia izaho mahay be dia hovako indray io, fa tokony hisy ilay fitohizana. Toy ny an’ny Maorisy anie ka misy fitohizana e! …na iza na iza mitondra eo dia tohizany iny. Fa ny antsika isaky ny miova isika dia miverina amin’ny tsy misy indray.

OR:Tsy ampy ny voambolana Malagasy fa misy teny siantifika sy teknika ts mbol ahitana dikany amin’ny teny Malagasy mihitsy satria teny vaovao.

RW: …ara-tantara ny teny frantsay dia tsy dia ela loatra anie no nahatonga azy ho teny siantifika e! Ny fianarana rehetra tamin’ny taonjato faha 19 hatraty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20 tany Frantsa, raha vao teny siantifika dia natao atamin’ny teny Latina. Ny soutenance de these tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha 20 dia mbola natao tamin’ny teny Latina…Nanomboka teo ny Frantsay dia nanapa-kevitra fa ampiasaina amin’izay ny teny frantsay (mbola tsy ampy ny voambolana frantsay tamin’izany fotoana izany) . Fa fanapahan-kevitra io, fitiavan-tanindrazana io, ary narahina asa io, fa tsy misy teny afaka milaza hoe feno anie e! Jereo fa ny dictionnaire frantsay aza anie miova foana e! Larousse 2007, Larousse 2008. sns …dikan’izay dia misy teny nampidirina tao fa tsy ampy ilay teny frantsay. Ny teny velona rehetra dia mivoatra …Hevitro manokana ity, mba hahamora ny fiampitana ny fampianarana amin’ny teny frantsay na teny anglisy ho amin’ny teny Malagasy, raha misy ohatra voambolana iraisam-pirenena, maninona no tsy gasiana fotsiny ny fanononana azy: ohatra : vecteur, natao hoe tsilo, fa raha natao hoe vektora io na vektera, amin’izay na mivadika amin’ny teny hafa aza izy dia tsy ho very…Isika koa tsy dia tokony ho sarotiny loatra amin’izay lafiny izay. Ny teny anglisy rah any filazan-dry zareo mahay azy io dia ny 60% any ho any dia nalaina tamin’ny teny vahiny, fa nofehezin’ilay teny anglisy ilay izy amin’ny fanononana sns …tsy miteny akory aho hoe ndeha isika hanao créolisation. Fa misy izany ilay teny atao hoe iraisam-pirenena ary mety hanampy ny mpianatra iny rehefa miampita amin’ny teny hafa izy. Ary izay no nahavoa tamin’ny taoana 1972: nanao tsilo izy tary CEG tary, nivadika vecteur izy tany amin’ny lyçée, vecteur tary ananona…

OR: ..Raha izay efa niainanareo izay, mety hahasoa ilay mpianatra ve ilay hoe manao teny Malagasy izy any amin’ny Ambaratonga voalohany, tonga ao amin’ny college izy dia mivadika teny frantsay? Inona no mety ho fiantraikan’izay? Mety hahatsara azy ve izay?

RW: …Tamin’ny taona 1972 dia natao tamin’ny teny Malagasy hatreo amin’ny kilasy fahatelo (3ème) , nizara telo nanomboka teo amin’ny kilasy faharoa (seconde), nisy ny nanohy tamin’ny teny Malagasy , nisy ny nanao teny frantsay, nisy ny nanafangaro. Ny laza adina tamin’izany fotoana izany dia natao tamin’ny teny roa Malagasy sy frantsay. ..Taratr’ilay fisalasalana daholo ary nampisavorovoro ny sain’ny mpianatra. Manantena aho fa misy commissions scientifique ao, ary hanaraka lalan-tsaina siantifika ny fampiharana an’io.

OR:Vao miainga izy ity dia misy gazety aza miteny mihitsy fa misy izany “sekolin’ny mahantra”, sy “sekolin’ny mpanan-karena”…satria ity fanapahan-kevitra ity dia mihatra ho an’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana, izay fantratsika fa raha ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izay raha miresaka ny eto Antananarivo fotsiny iska dia ny ankizy mianatra any amin’ny EPP dia ireo zanaly ny oalaon sahirana fany zanaky ny olona manan-katao dia ampianariny any amin’ny privée daholo. Ny zanaky ny manan-katao izany dia ampianarina amin’ny teny frantsay ihany, fa ny zanaky ny gasy tsy manan-katao, sahirana no ampianarina amin’ny teny Malagasy. Efa fizarazarana indray koa izay.

RW:Mahagaga ahy aloha, raha izaho manokana izany zavatra izany, fa ny zaza Malagasy rehetra amiko, tokony hanaraka lasitra anankiray. Mba tsy hisian’ny karazana Malagasy anankiroa. Na miankina izy na tsy miankina izany an, ny fanabeazaba azy rehefa notapahan’ny fanjakana fa hatao amin’ny teny Malagasy fa raharaham-pirenena io, atao amin’ny teny Malagasy…Hafahafa amiko manokana raha hisy karazana sekoly anankiroa eto Madagasikara, ka ny iray hamoaka olona tahaka izao, ary ny iray hamoaka olona tahaka izao…Mety hieritreritra iskia hoe ireo nampianarina tamin’ny teny frantsay dia mety hahazo tombontsoa, mety hoe ny fahaizana teny frantsay, mety hoe handeha hianatra any an-dafy izy. Nefa ny fakana visa ho an’ny Frantsa aloha izao efa fantatrareo ka aza manonofy antoandro an! Fa tsy dia lasa lavitra ny mankany…Fa ianao hamolavola zaza Malagasy, mety hoe mitavozavoza amin’ny teny frantsay angamba, fa manana toe-tsaina Malagasy, mahay manaja raiamandreny sns…mitandro ny soatoavina Malagasy, raha izaho nny raiamandreny dia aleoko ity

OR:ny raiamandeny dia mihazakazaka mampiditra ny zanany any amin’ireny hoe école d’expression française. Vao asiana an’izay, dia ao, feno ankizy

RW: Safidy iny ho an’ny raiamandreny. Fa ny zavatra mahavariana amin’izao fotoana izao anie dia na ny Lyçée Français aza ka mampianatra teny Malagasy e! Amin’ireny sekoly sasany, izaho tsy milaza hoe izy rehetra kosa, dia misy tsy mampianatra teny Malagasy mihitsy. Fa rehefa hoe hanala CEPE izay misy teny Malagasy an, izay vao misy mandranto fianarana kely amin’ny teny Malagasy…Tsy mankahala na iza na iza aho, fa mahasoa ny raiamandreny rehetra ihany ny hahaizan’ny zaza Malagasy ny teniny satria iny no ifandraisany eo anivon’ny fianakaviany, ifandraisany eo anivon’ny fiaraha-moniny, dia farany ny zanakao mety hosahirana ihany koa any aoriana any amin’ny lafiny maro…Ilay fampiasana ny teny Malagasy dia tokony jerena koa ilay hoe ahoana no hampiverina tsara ilay hasina maha Malagasy antsika, anatin’izay famerenana ny hasina maha Malagasy izany ny famerenana ny hasin’ny raiamandreny, famerenana ny hasin’ny ankizy, ny hasin’ny tenany, any izany no zava-dehibe amin’ilay resaka fanabeazana. Dia ankizy mahatsapa ny hasin’ny tenany .ary mampitombo ny hasin’ny tenany no antom-pisiany eto amin’izao tontolo izao. Izany zavatra izany ao anatin’ny fahendrena Malagasy…Ilay hoe “fanagasiana” dia azo iadian-kevitra ihany satria gasy ve hogasiana! Fa ataontsika fotsiny hoe hampiasa ilay teny Malagasy isika, hamelona ilay teny Malagasy isika hanabeazana

OR:Mipetraka ny adihevitra lehibe hoe hatraiza ny lentan’ny zaza Malagasy sy ny mpianatra Malagasy amin’izao fotoana izao? Lesoka be dia be amin’izany ny mpampianatra. Ary ianao dia mpampianatra rahateo…Ny zavatra misy amin’izao fotoana izao, matoa ilay ankizy milatsaka ny niveau-ny , dia eo ihany koa ny niveaun’ilay mpampianatra azy mihitsy…Amin’ireny sekoly tsy miankina ireny…ny olona tsy manana asa dia lasa mpampianatra any amin’ireny sekoly tsy miankina hoe d’expression française ireny, dia karamaina 40.000Ariary (200.000FMG) isam-bolana, izay ambany lavitra noho ny saram-pianarana alohan’ny mpianatra iray ao amin’ilay sekoly….Ny ankizy mivoaka avy amin’ny Ecole Normale tsy misy mandeha mampianatra, ny olona tsy manana asa no lasa manao mpampianatra. Inona no tena olana mahatonga ny tanora tsy mety mandeha any amin’io resaka fampianarana io intsony, ka olona tsy nahazo formationho mpampianatra indray no lasa manatanteraka ilay asa?

RW : Mahafinaritra ahy ilay fanontanianao satria izaho tany amin’ny Ecole Normale taloha. Dia misy tokoa ny tsy fahatsapan’ny tompon’andraikitra indraindray ao ambony ao. Izaho tsy hiteny hoe ny amin’izao fotoana izao na tamin’ny vanim-potoana inona an, ny lanjan’izany hoe fanofanana ho mpampianatra izany. Tsapan’ny tompn’andraikitra ara-panjakana tsar any lanjan’izany hoe fanofanana ho dokotera. Izay hikarakara ny vatan’ny olombelona, amin’ilay lafiny ataontsika hoe itovizany amin’ny zava-manan’aina rehetra, fa ny olona hampianatra anie e ka hikarakara ny olombelona amin’ny maha zava-manan’aina ambony azy e! dia ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy, … matetika izay lanjan’ny fanofanana ho mpampianatra izay no atao antsirambina. Ary raha msiy sekoly azo lazaina hoe mijaly, dia ny sekoly manofana ho mpampianatra. Indraindray foanana, indraindray atsangana, indraindray sarahana, indraindray tsy misy mihitsy. Ny anarana miovaova foana. Ary tsy ilay mpampianatra ofanina ao no raisina fa ilay mpampianatra izay tsy niofana, angamba ireny kelikely karama kokoa, dia ireny no raisina. Nefa ireny tsy niofana ho mpampianatra. ..Ny asa rehetra dia tokony hisy fepetra avokoa hoe tokony hanana fahaizana toy izao ianao…Olona tsy nianatra psychologie, olona tsy nianatra ny fivoaran’ny toe-tsain’olombelona no asaina mampianatra. Tsy niantra ny teknikan’ny fampitana fahalalana nefa raisina hampianatra. Angamba fotoana izao tokony hanomezana lanja ny fanofanana ho mpampianatra. Raha misy an’izay dia arahaba soa, arahaba tsara. Ary amin’ny ambaratonga rehetra io zavatra io an! Ary tokony hahasarotiny ny raiamandreny anie izany e! Hoe inona no mari-pahaizan’ireto olona mampianatra ny zanako ireto, sao dia hampiditra angano anay? Izaho tsy miteny hoe amin’ny sekoly miankina na tsy miankina an! Fa tokony hojerena ilay izy, fa tsy rehefa avy eo misy zavatra mamoa-fady satria olona tsy nampianarina izany hoe morale sy ethique akory no mampianatra azy….
Izao na ny hoe hanao infirmier aza anie tsy azo atao e! raha tsy manana Bacc miampy taona anankitelo vao manao infirmier izany. Izany ary rehefa hikarakara ny vatantsika dia haintsika tsara ny sarotiny Fa raha hikarakara ny toe-tsaina amam-panahintsika izany an, dia tsy tsapantsika hoe zava-dehibe ve izany? Miankina amin’io ny hoavin’ny firenena. Isika milaza foana hoe ananantsika ny harena ankibon’ny tany, ananantsika ny harena hoatr’izao sy izao. Fa maninona isika no mahantra? Ao amin’ny fanabeazana anie ny valiny e!…Misy tsy mety ny toe-tsaintsika vokatr’ilay fanabeazana norantovintsika…tokony samy hieritreritra daholo ny tsirairay fa tsy hoe izaho no manana ny rariny, izaho no toy izao, fa mba samy manakiana tena daholo hoe fa maninona isika no tsy mahomby? Ao amin’io resaka fanabeazana io no misy tsy mahomby ao. Anjaran’ny tsirairay no miezaka hoe ahoana no hanarenana azy…Izaho izao mahita hoe farafaharatsiny, tokony mba maka herintaona hametrahana tsara izay dingana samihafa izay dia mba any amin’ny taom-pianarana 2009-2010 any no atao ilay izy dia mba hisian’ilay ataontsika hoe ahoana no fomba hitantanana ireo hevitra tsy mitovy sy handaminana an’ireo hevitra tsy mitovy samihafa ireo? Handresen-dahatra ny olona sy hifanakalozan-kevitra amin’ny fomba hantanterahana azy. Ny hevitra efa tapaka fa ny fomba hanatanterahana azy mba tsy hahatonga ny raimanadreny hitebiteby sy hanahy. Farafaharatsiny tokony mbola hisy ny herintaona sao dia hanao toy ilay hadisoana efa nisy tamin’ny 1972 indray. Ny anay anie tamin’ny 1972 dia toy ny mampiheritreritra ihany ilay izy hoe nampihazakazahana mba hitrosona. Nasaina nihazakazaka mba hitrosona. Tsy nomena fitaovana. Na ny ara-bola tsy nisy…ny fahefana manatanteraka tsy voafetra…Ny foto-kevitra dia momba tanteraka an’ilay izy aho ,fa ny fanatanterahana no asiako resaka….Jerena ny fiotohizan’ny fiainan’ilay ankizy rehefa avy eo hatrany amin’ny sehatry ny asa….Ahoana izay zavatra rehetra izay? ..Mety efa vitany izany dingana rehetra izany fa izaho no mety tsy mahafantatra

OR: Ny serasera manodidina an’izay no isan’ny lesoka ihany koa. Satria ao anatin’ny serasera izahay mpanao gazety dia mahita hoe raha misy vaovao tadiavina, nefa karazana canal ihany fantsona ahafahana mifampiresaka amin’ny raiamandreny sy ny mpanara-baovao rehetra ny sehatr fanaovan-gazety toy itony, ilay mpanao gazety aza tsy mahazo ilay vaovao sy ny manodidina an’izay fanapahan-kevitra izay. Izay angamba teny atsipy fotsiny satria ilaina ny resaka serasera araka ny nambaranao teo. Fanontaniako farany dia ity : misy ny manao hoe rehefa hanao fanagasiana ihany dia tsi tokony hatao amin’ny teny Malagasy ofisialy fa atao amin’ny tenin’ilay faritra tsirairay mihitsy hahafahan’ny Malagasy rehetra isam-paritra rehetra mahazo azy. Momba an’izay ve ianao?

RW : Raha ny hevitro manokana no angatahanao, dia ny bilojikan’ny toe-tsain’olombelona no arahako…Rehefa tonga any an-tsekoly ny ankizy tokony hoe mitohy ny fiainam-pianakaviany. Izay anie ilay hoe fampiasana ny teny Malagasy e! Any an-tsekoly dia mitohy ilay teny Malagasy nampiasainy tao anivon’ny fianakaviany. Mety ho tamin’ny endrika isam-paritra iny. Ny olona izay mampianatra amin’ny faritra anankiray, tokony hahafehy ny fiteny ampiasaina amin’iny faritra iny. Izay kosa aloha, hevitro manokana koa …tsy tokony hohadinoina fa ny 70%n’ny teny Malagasy dia iombonan’ny fiteny rehetra . Noho izany, tsy dia misy hoe olana be ilay izy fa amin’ny voalohany aloha izany an, raha raisina ao ampianarana ilay ankizy dia tsara kokoa raha mba ilay teny fiteniny isan’andro no andraisanao azy, na avelanao izy hiteny malalaka amin’ilay fiteniny isan’andro, ka rehefa mamaly izy dia raisinao ny valin-teniny, ary valianao. Izay ilaly hoe mba tsy hisian’ny dona ara-tsaina mahazo ilay ankizy dia aloe hizotra ara-boajanahary ny fanabeazana azy ary tsikelikely satria anatin’ny faritra mety tsy mahazatra azy izy, dia ho tafiditra tsikelikely. Ary ilay teny Malagasy ofisialy koa anie tsy hoe teny raikitra indray mandeha fa araka ny fahafantarana azy dia mbola atevenina tsikelikely io amin’ny alalaln’ny voambolan’ny tenim-paritra. Ary ilay Rakibolana ataon’ny Akademia aza anie tsy mamamritra mihitsy hoe ity tenin-paritra e. Fa ataony ao daholo ao daholo ny voambolana mba tsy hisian’ny hoe ity teny izao , na ity tny izao, fa hoe ireto synonymes amin’ny teny Malagasy. Izay ilay izy…Isika manorina firenena izay tsy mivaky, mba hahatoa izay dia nampidirina ao anatin’ilay Rakibolana ny voambolana rehetra mitovitovy hevitra ary niniana tsy nasiana hoe ity teny izao, ity teny izao…voalazan’ny Profesora Irene RABENORO, Solontenan-tsika any amin’ny UNESCO, fa raha tsy mahafehy tsara ilay teniny ilay Malagasy ary mana any hazondamosiny , sarotra aminy ny handray teny hafa sy ny kolontsaina hafa fa ho lasa mpanao pli-vava fotsony izy amin’izay fotoana izay fa tsy voafehiny akory ireny, ary nefa izy, na oviana, na oviana izy tsy hitovy amin’ny tompon’ilay teny.

2 Réponses

  1. Tena midera anao avylavitra nametraka an’ity lahatsoratra ity fa tena voakasika ao anatin’ilay resaka daholo ny fanontaniana mety misy amin’ny olona te hanadihady ny momba ny fanagasiana.
    Misaotra e.

  2. Manohina ny fo, ary tena marina mihitsy, ilay tenin’Andriamatoa Ratrema manao hoe : ny fiverenana amin’ny teny Malagasy eo amin’ny fanabeazana ny ankizy, eo amin’ny fampianarana, dia manisy hasina ny maha-malagasy antsika. Ny ankizy manome hasina ny tenany, ary manome hasina ny ray aman-dreny. Izany hoe, ny tsy fampiasana ny teny malagasy any ampianarana, dia mety mitarika ny ankizy anao tsinotsinona ny tenany sy anao tsinotsinona ny masoandro nipoirany. Tsy afaka mivalapatra aho fa mba hatsiky izay azoko tamin’ny lahatsoratra etsy ambony.

    Tiako tsindriana koa ny zavatra ho tonga ho antsika Malagasy amin’ny fiverenana amin’ny teny malagasy eo amin’ny fampianarana: malalaka midanadana ny lalana mankany amin’ny tena fandrosoana. Tsarovy fa ireo firenena tena mandroso, na tena an-dalam-pandrosoana, dia ireo izay nitana ny teniny: « Japan » « Korea atsimo » sns. Jereo anie ilay lojika e! Tany an-kibo ny ankizy iray dia efa naheno ny teny Malagasy. Rehefa manomboka mianatra izy, dia efa enin-taona izy no niteny Malagasy. Mazava fa azony daholo izay lazain’ny mpampianatra. Nefa raha amin’ny teny vahiny ny fampianarana, dia very enin-taona ilay malagasy kely. Iny enin-taona iny anefa dia misy lanjany lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena.

    Raha miverina amin’ny teny Malagasy isika, dia zavatra roa nohitranga. Faly ny Frantsay satria tsy hazoto handeha hivoaka ho any Frantsa intsony ny Malagasy. Ny faharoa dia izao, faly isika fa handroso i Madagasikara.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :