Hatrany Mampikony ka hatrany Mananjary

Samy namoaka lahatsoratra momba ny tanànan’i Mampikony avokoa ny gazety roa nandalo teto amiko androany (Ao raha sy Gazetiko). Nolazainy tao ny momba ny olana sedrain’ity tanàna iray ao amin’ny faritr »i SOFIA ity noho ny fitoerany ao anaty lemaka tena ambany dia ambany tokoa. Voaresaky ny tompon’andraiki-panjakana aza fa hoe tokony hafindra amin’ny toerana avo ny tanàna iray manontolo. Fa izay tiako hotsindriana dia ilay resaka tsy fisian’ny toeram-pivoahana sy fanaovana maloto. Any anaty alaala sy lobolobo rehetra any ny rehetra no manao maloto sy manàry ny tsy zakany. Tsy azo ialàna araka izany ny mety hisian’ny valan’aretina isaky ny fotoam-pahavaratra toy izao, satria dia hitsinkafona daholo ny nafenina? Isan’ny fototry ny olana ho an’i Mampikony koa ilay fitehirizana ny fomban-drazana hoe tsy miray trano fivoahana sy fidiovana ny olom-pady toy ny mpianadahy sy ny mpianaka. Izay ilay mahatonga ahy milaza fa hoe indraindray tokony mba hosainin’ireo raiamandreny mpandàla ny fomban-drazana ihany ny tokony sy tsy tokony ho tazonina intsony amin’ireny fomba fahiny ireny. Rehefa mba hita fa nilaozan’ny toetr’andro sy ny zava-misy ilay izy dia tokony hànana fahasahiana hanao dingana mba hanova azy fa tsy hifikirana eo foana na dia hitondra loza ho an’ny taranaka sy ny fiaraha-monina manontolo aza.Tsy i Mampikony irery anefa no misedra io olana io fa i Mananjary koa dia misy faritra iray manana fomba toy ity tantaraiko anao ity: tsy misy izany toeram-pivoahana izany ao amin’ilay tanàna, fa izay teren-javatra dia lasa mamonjy toram-pasika, dia mandavaka ary dia manao toy ny saka eo. Rehefa via dia manototra. Ny nampihomehy sy nahatsikaiky dia ity: rehefa tokony ho vao maraina alohan’ny amin’ny fito ora iny dia feno olona mitingitingina ny tora-pasika iray manontolo. Mitandahatra izy ireo amin’izany. Nisy vazaha nitondra fiara nijanona naka sary ny zava-niseho, nefa dia tsy nahataitra sy tsy naharototra velively ireo mpanokotoko nanerana ny tora-pasika izany. Eo ny sasany efa eo am-panotofana, ary eo ny tena mbola an-dalan’ny fandatsahana ilay zavatra. Beurk!

Angamba fotoanany izao tokony hihenjànana amin’ny tokony hanànan’ny tsirairay lava-piringa, ary tena tokony ho lalàna apetraka mihitsy. Mialoha izay anefa dia asiana foana ny fanentànana toy izay efa natao, ary arahina asa sy fanampiana amin’ny fanatanterahana azy raha ilaina.

Raha mbola mitohy mantsy ny toy izao dia mbola ho ela vao hofongana ny valan’aretina toy ny fivalanana ohatra sy ny hafa koa miankina amin’ny fisian’ny loto.

Kay! Poritra aho fa hilaozako aloha ianareo k’ah. Amin’ny manaraka manao misimisy.

6 Réponses

  1. >Angamba fotoanany izao tokony hihenjànana amin’ny tokony hanànan’ny tsirairay lava-piringa, ary tena tokony ho lalàna apetraka mihitsy

    Raha izaho indray aloha tsy dia mino loatra izay fahombiazana’ny fandraisana fepetra fandrarana fotsiny.

    Ilaina ny ezaka fampitaovana ankilan’izany koa dia ilaina mihintsy ny fanentanana sy fanabeazana fototra ara-pahasalamana … indrindra hoan’ny ankizy.

  2. Asa raha mba efa henonao ny tany Mananjary fa nisy mpitondran’ny tanàna nanome baiko fa tsy maintsy manana lava-piringa ny olona saingy tonga dia notetenin’ny olona hoe « adala » izany mpitondra izany na « tsy ampy saina ». Efa fotoana elaela izany fa tsy vao haingana tsy akory.

  3. Toa tsy dia mila fitaovana be ny manao lava-piringa fa angady sy hazo dia mahavita. Azo atao koa ny biriky raha tiana ho tsara kokoa sy matevina kokoa ny rindrina … fa ny fanabeazana angamba no tokony atao voalohany. Mbola tsy nisy niala tao amin’ireo tanana ireo angaha ny olona tao ? Heveriko mantsy fa raha mahita kely ny fanaon’ny olona ivelan’ny tanana dia mety mahatsikaritra tsy fidiny hoe tena beeuuurk ny zava-misy lol. Izany hoe tsy voatery atomboka amin’ny fitenenana hoe « mila manao lava-piringa daholo » fa amin’ny vokatry ilay maloto etsy sy eroa no hanombohana azy.

  4. Tany ambanivohitry Mandritsara aho fa dia nitovy amin’izany ny zavamisy ,ny tena indray no menatra (20ans en france),nijanona 2 jours tao amin’ilay tanana aho fa dia am hazo kely ry zalahy no mifitra dia nanontany aho hoe maninona raha manao wc dia ny valiny hoe ,lafo be izany dia voatery ny tena no nampanamboatra sinon ny zaza tsy mety andeha any analan-draha any

  5. Tsy maninona anie na dia tsy misy lava-piringa aza raha ohatra ka misy toerana voatokana ihany koa dia mba hanaovana bio-energie ilay izy. Fa ny olana dia izao, fahadiovana aloha dia izay vao ny mahasoa. Agamba ny techniciens rehetra no tokony hifarimbona handresy lahatra sy hikaroka vahaolana (communications sy chimistes ohatra…) na dia asa ho azy ireo fotsiny aza ny mandrindra sy mitantana ny centre de recyclage. Tiako raha izaho no teo amin’izany toerana izany. Ampio aho dia hitadiavako hevitra io.

  6. saika ny any ambanimbanivolo any anie ka toa io daholo e! ny tena marina koa ry zareo mihitsy no tsy mivaky loha @ze resaka WC zany, fomban-drazana iany, mbola asa be ho azy ny hanao izany.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :